Fizahan-teny

Ohabolana : raofina

Ohabolana 1Isika izao anie ka mpianakavy iray ihany: hadina, iray fototra ; raofina, iray harona. [2.974 #404, 2.653]
Dikanteny frantsayNous sommes tous d’une même famille : fouillez la terre, c’est la même souche ; ramassez le tout, c’est la même corbeille. [2.974 #404]

Ohabolana 2Lohan' omby notanehina tamin' ny afon-tain' omby, ka mba masaky ny nalain' ny vavany ihany. [2.415]
Loha-omby notanehin-taikomby : masaky ny noraofin' ny lelany. [2.415]
Loha omby notenehin-taikomby: masaky ny noraofin’ ny lelany. [2.558 #125, 2.653 #1370]
Dikanteny frantsayTête de boeuf cuite sur un feu de bouse de boeuf : elle cuit avec ce que sa bouche a pris elle-même à terre. [2.415]
Fanazavana frantsayOn est puni par où on a péché. [2.415 #2704]

Ohabolana 3Rano an-tami-bato : raha tazanina, be ihany ; fa raha raofina, tsy ahazahoana. [2.415]
Rano an-tanim-bato : raha tazanina, be ihany ; fa raha raofina, tsy ahazoana. [2.653]
Toy ny rano an-tami-bato: tazanina, mangiakiaka, ka nony tovozina, tsy mahafeno siny. [2.653]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovi-manelatra ihany, fa nony tovozina tsy ahazoana. [2.558 #4317]
Toy ny rano an-tami-bato: tsinjovina, manelatra ihany, ka nony tovozina, tsy azahoana. [2.653]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovina, manelatra ; tovozina, tsy ahazahoana. [2.415 #2254]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovina, mangiakiaka ; ka nony tovozina, tsy ahazahoana. [2.415 #2254]
Toy ny rano an-tanim-bato: tsinjovina, manelatra ihany, fa nony tovozina, tsy ahazoana. [2.165 #481]
Dikanteny frantsayEau qui suinte des rochers : quand on regarde elle semble être abondante ; mais quand on veut y puiser on ne peut pas. [2.415 #2241]
La fortune est comme l' eau qui suinte des rochers : quand on la regarde elle brille, mais quand on veut y puiser il n' y a pas moyen. [2.415 #2254]
Pareil à l' eau suintant d'un rocher: de loin elle brille beaucoup, mais quand on veut la puiser, il y en a trop peu pour en prendre. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait de la fortune. [2.415 #2241]

Ohabolana 4Rano raraka tsy azo raofina. [2.558 #3712]

Ohabolana 5Rano raraka tsy azo raofina ; ny lasa tsy mba miverina. [2.415 #2743]
Dikanteny frantsayL' eau, une fois répandue, ne peut être ramassée ; le passé ne revient pas. [2.415 #2743]
Fanazavana frantsayIl est trop tard pour se repentir d' une parole ou d' une action, mais il faut faire attention à l' avenir afin de ne pas recommencer. [2.415 #2743]

Ohabolana 6Raofina ihany toy ny lainga ; fa raha feno, raraka. [2.974 #148, 2.653]
Dikanteny frantsayComme le mensonge : on en ramasse toujours, mais quand le sac est plein, il déborde. [2.974 #148]

Fizahan-teny