|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mihinana
Fototeny  2 hinana
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mitsako ary mitelina ventin-kanina mba hahavelona ny tena: Mihinam-bary ny Malagasy
9 Mikiky: Mihinana ny vy ny haro fesina
10 Mankahia, mampihena: Mihinana azy ny eritreriny
11 Maka zavatra ankeriny (aman' olona): Nihinam-bolan' olona, hono, Rangahy io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to eat; to use up; to embezzle funds [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 manger; consommer; détourner des fonds [1.8]
14 [mihinaña] [Sakalava-Mayotte] manger [1.405]
Ohatra  15  Ary nony nihinana kelikely, hono, izy, dia hoy izy: [2.293]
16  Aza mihinana ny varin' Andriambahoaka re ianareo [2.470#138]
17  Eo ampanaovana izany anefa, mahazo mihinan-katsaka izay te hihinana ary na firy na firy. [2.472#21]
Mpanahaka  18  homana, 19  mamahan-tena, 20  mamango, 21  mambosibosika, 22  mambosika, 23  managorodana, 24  manao indraim-bava, 25  manao rapa-dango, 26  manao sesimontotra, 27  manao teli-moka, 28  manao tombokitsatsy, 29  manao tombok' orona, 30  manao tranga, 31  manao vakim-borona, 32  manao voky, 33  mandrapaka, 34  mandrepoka, 35  manendry, 36  manesika, 37  mangeboka, 38  manoranorana, 39  mianjady, 40  mibibaka, 41  mifotafota, 42  Miharaka, 43  mijao, 44  mikesokesoka, 45  miletra, 46  mimontsina, 47  miosanosana, 48  mipaka, 49  misatrasatra, 50  mitelina, 51  mitomboka, 52  mitsamontsamona, 53  mitsingintsingina, 54  miviravira
Fikambanana  55  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny how mihinana
Ohabolana  56  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 57  mihinàna
Fototeny  58 hinana
Sokajin-teny  59  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mihinana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  mihinàna, mihinana

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/15