Fizahan-teny

Ohabolana : ampy

Ohabolana 1Aleo ratsy tarehy manam-panahy handalana, toy izay tarehy soa tsy ampy fiaina. [2.558 #19]

Ohabolana 2Ampy misoratra. [2.415 #1487]
Dikanteny frantsayEnfant assez âgé pour être inscrit sur la liste des enfants à circoncire. [2.415 #1487]

Ohabolana 3Ankizy toa misy ambiny, lehibe toa tsy ampy kely, ohatra ny antitra nahazo bodokely. [2.558 #285]

Ohabolana 4Antsibe atsipy ami-manam-panahy, ka raisin' ny ampy saina. [2.415 #3235]
Antsibe atsipy ami-manam-panahy, ka raisin' ny mpahalala. [2.415 #3235]
Antsibe atsipy ami-manam-panahy, ka raisin' ny mpisaina. [2.415 #3235]
Antsibe atsipin' ny manam-panahy, raisin' ny mpahalala. [2.558 #302]
Antsibe atsipin’ ny mpanam-panahy : raisin’ ny mpahalala. [2.165 #1590, 2.415 #3235, 2.653 #256, 2.974 #317]
Teny atsipy ami-mpanam-panahy, koa raisin' ny mpisaina. [2.653 #3076, 2.974 #332]
Teny atsipin' ny manam-panahy, raisin' ny mpahalala. [2.165 #1589]
Teny atsipin' ny mpanam-panahy, raisin' ny mpahalala. [2.415 #3235]
Dikanteny frantsayCognée jetée à qui sait la recevoir et transmise à qui comprend. [2.415 #3235]
Coutelas lancé par un homme intelligent et attrapé au vol par quelqu' un qui comprend. [2.415 #3235]
Grand couteau jeté par un homme intelligent ; c’est à l’homme avisé à s’en servir. [2.974 #317]
Paroles jetées à ceux qui peuvent réfléchir; l’homme sensé s’en saisit. [2.974 #332]
Un conseil donné (litt. jeté) par les sages est reçu par les intelligents. [2.165]
Un grand couteau jeté par un sage est saisi par un clairvoyant. [2.165]
Fanazavana frantsayA bon entendeur, salut! [2.165]
Le sens est : parole ou pensée suggérée par quelqu' un, et attrapée au vol ; l'expression se disait aussi d' un conseil écouté attentivement. [2.415 #3235]
Se disait des mots d' ordre ou des secrets confiés à des personnes sûres, qui comprennent leur portée et l' usage à en faire. [2.415 #3235]

Ohabolana 5Atao vikina alina: aleo manana amby, toy izay tsy ampy. [1.1]
Fanazavana malagasyRaha misy zavatra mampatahotra na mampisalasala, aleo manao miohatra noho izay tokony hatao toy izay manao latsaka. [1.1]

Ohabolana 6Eranambatry tsy ampy : vozon' akoho no manefa. [2.415 #3641, 2.558 #1043, 2.653 #876]
Dikanteny frantsayPour la soixante-douzième partie de la piastre qui manque, il faut suppléer par le cou d' un poulet. [2.415 #3641]

Ohabolana 7Fifaliana tsy ampy hoatry ny mpanan-karena momba. [2.558 #1165]

Ohabolana 8Izay tsy ampy ketsa, mivezivezy, izay very ondry manara-morona. [2.558 #1520]
Ny tsy ampy ketsa mivezivezy; ny very ondry manara-morona ; ny tsy an-trano vady miherikerika. [2.415 #5817, 2.558 #3345, 2.653 #2518]
Dikanteny frantsayCelui qui n' a pas assez de plants de riz pour sa rizière, erre de tout côté ; celui qui a perdu une brebis, suit les bords de la rivière ; celui dont la femme n' est pas à la maison, tourne la tête de tout côté. [2.415 #5817]
Fanazavana frantsaySe disait des gens préoccupés, des âmes en peine. [2.415 #5817]

Ohabolana 9Malahelo amoron-tsena : be sitrapo, fa tsy ampy fanaovana. [2.415 #2512, 2.653]
Malahelo monina amoron-tsena. [2.415]
Malahelo monina amoron-tsena: be sitrapo fa tsy ampy fanaovana. [2.165 #1448, 2.558 #1915, 1.1]
Tovolahy miantsena: be sitra-po, fa tsy ampy fanaovana. [2.653 #3165, 2.974 #231]
Tovolahy miantsena, ka be sitrapo fa tsy ampy fanaovana. [2.558 #4233]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona mahita sy maniry zavatra tsara isankarazany nefa tsy maharaka ny faniriany ny vola ananany, ka mipetraka ho faniriana fotsiny ny fitiavany hanana. [1.1]
Dikanteny frantsayJeune homme au marché : la volonté ne lui fait pas défaut mais ce sont les moyens qui lui manquent pour réaliser ses désirs. [2.415 #1591]
Jeune homme qui va au marché : ce ne sont pas les désirs qui manquent, ce sont les moyens. [2.974 #231]
Pauvre près d' un marché : il a beaucoup de désirs, mais peu de moyens de les réaliser. [2.415 #2512]
Pauvre qui demeure près du bazar : il voit beaucoup de choses qui lui plaisent, mais il ne peut les acheter. [2.415]
Un pauvre demeurant près d' un marché: il a beaucoup de désirs, mais manque de moyens. [2.165]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas être excessif dans ses désirs. [2.415 #1591]
Se disait de ceux qui avaient trop de désirs. [2.415 #2519]
Trop de désirs. [2.415 #2512]

Ohabolana 10Manana amby tsy ampy ohatra ny sola vaohina. [1.1 #60, 2.165]
Manana amby tsy ampy, toy ny sola vaohina. [2.653 #1502]
Tsy ampy manana amby toy ny sola somorina. [2.415 #2144]
Tsy ampy manana amby toy ny sola vaohina. [2.415 #2144]
Tsy ampy tsy lany, tahaka ny sola somorina. [2.558 #4478]
Dikanteny frantsayAvoir de trop et pourtant n' avoir pas assez, comme un chauve avec des favoris. [2.165 #2042]
Manquer du suffisant tout en en ayant de reste, comme le chauve qui est barbu. [2.415 #2144]
Fanazavana frantsayAvoir trop et pas assez ; avoir du superflu et de la parure, et manquer du nécessaire. [2.415 #2144]

Ohabolana 11Miaraka efatra manaratsy dia, telo misy ambiny, ny tokana tsy ampy fa ny roa no tsara indrindra. [2.558]

Ohabolana 12Mitondra izay fitondran-tena tsy ampy ka vovozin' ny amboa tompon-tany. [2.415 #3042, 2.558 #2475, 2.653]
Dikanteny frantsayAvoir une conduite insuffisante : les chiens du pays aboient après. [2.415 #3042]

Ohabolana 13Ny andevo loza tompo no tsara midina, tsy ampy ny omen’ ny tompony. [2.415 #2317]
Dikanteny frantsayLes esclaves auxquels les maîtres ne donnent pas de quoi se vêtir, revêtent les habits de leurs maîtres lorsqu' ils descendent les laver. [2.415 #2317]
Fanazavana frantsaySe disait des maîtres avares. [2.415 #2317]

Ohabolana 14Ny ondry va no kely sa izaho no tsy ampy hohajaina? [2.558 #3201, 2.653 #2383]

Ohabolana 15Omby bory matavy : soa tsy ampy kely. [2.558 #3427]

Ohabolana 16Tandrok' osy ka tsy ampy vehana akory dia miolaka. [2.558 #4038]
Toy ny tandrok' ondrilahy : tsy ampy vehana akory dia miolaka. [2.558 #4331]
Toy ny tandrok' ondrilahy : tsy mbola lasa irain-jehy akory, dia miolana. [2.415 #5344, 2.653 #3233]
Dikanteny frantsayC' est comme les cornes des béliers : avant d' atteindre un empan de longueur, elles se tordent. [2.415 #5344]
Fanazavana frantsaySe dit des gens qui ne tardent pas à se dédire et à retirer leur parole. [2.415 #5344]

Ohabolana 17Tsy ampy be ohatra an' ilay mivaro-bady. [2.415]
Tsy ampy be, toa any ilay mivaro-bady. [2.653 #3334]
Tsy ampy be toa an' ilay lava nivaro-bady. [2.165 #1825]
Tsy ampy be toy ilay nivaro-bady. [2.558 #4476]
Dikanteny frantsayÊtre loin de son compte comme celui qui vend sa femme pour couvrir ses dettes. [2.415 #1340]
Qui est loin de se suffire à lui-même, comme un homme long qui a vendu sa femme. [2.165]
Fanazavana frantsayEtant très grand, il pensait pouvoir se passer de l' aide d' une femme, mais il se trompe, vu que certains travaux ne peuvent être bien faits que par une femme. [2.165]
Se disait de ceux qui se lançaient dans des opérations risquées. [2.415 #1340]

Ohabolana 18Tsy ampy toy inona. [2.415 #6654]
Dikanteny frantsayEn un instant, même pas le temps de dire : quoi ? [2.415 #6654]

Ohabolana 19Tsy ampy tsy lany, ohatra ny vary be vato. [2.653, 2.974]
Tsy ampy tsy lany, sahala amin' ny vary be akotry. [2.558]
Tsy ampy tsy lany, sahala amin' ny vary be vato. [2.558]
Dikanteny frantsayLe riz pierreux peut être insuffisant, il y en a toujours trop. [2.974 #381]

Ohabolana 20Tsy misy malaza hoatry ny angidina, fa raha atono dia tsy ampy mizara. [2.415 #5941]
Tsy misy malaza ohatra ny angidina, fa raha atono dia tsy ampy mizara. [2.165]
Tsy misy malaza ohatra ny angidina, fa raha atono tsy ampy mizara. [2.558]
Dikanteny frantsayRien n' est plus fameux que la libellule, mais quand elle est grillée, il n' y a plus rien à partager. [2.415 #5941]
Rien n' est plus fameux que la libellule, mais quand on la grille, il ne reste rien à partager. [2.165]

Ohabolana 21Voahangy mitoha-bolamena : raha raisaraka, tsy ampy ho rado. [2.653 #3687]
Voahangy mitoham-bolamena : raha misaraka tsy ampy ho rado. [2.415 #2475, 2.558 #4962]
Dikanteny frantsayPerles enchaînées avec de l' or : séparées il n'y en a pas assez pour faire un collier. [2.415 #2475]

Fizahan-teny