|
|
|
|

Teny iditra (1/12)1  laza
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Fanambarana, fampisehoana ary fampielezana am-bava na an-taratasy
Fahatantarana manehoeho ananan'ny olona momba ny tena: Nahabe laza azy ny fanaovany ny marina teo amin'ny fifidianana
Fiheverana, na tsara na ratsy, ananan'ny olona momba ny tena na zavatra iray: Ratsy laza izy hatramin'ny hala-bato nampanaoviny ~ Tsara laza amin'ny tany ama-monina izy
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2#384, 1.7#38] fame, honour, glory
5  [1.7#38] a report
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3#394, 1.5#188] action de dire
7  [1.3#394] action d'annoncer, de publier
8  [1.3#394, 1.8, 1.6] renommée
9  [1.3#394, 1.13, 1.6] réputation
10  [1.3#394] glorification, louange
11  [1.8] un rapport
12  [1.13, 1.5, 1.6] célébrité
13  [1.13] renom
Fanazavàna teny italianina  14  [1.18] reputazione
Ohatra  15  [2.472] Nitombo laza hafahafa izany I Feno tao an-tanàna
16  [1.3] Tsara laza izy (Il a bonne réputation)
17  [1.3] Nahabe laza azy ny nataony (Ce qu'il a fait lui a fait acquérir une grande renommée)
18  [1.4] Hanimba ny lazany izany (Cela nuirait à sa réputation)
19  [2.650] hampandroso mandrakariva ny voninahitrao aman-dazanao
Haiendriteny 
20  Tsotra :
21  Tovonana :
Sampanteny 
22  Matoantenin' ny mpanao :
23  Matoantenin' ny iharana :
24  Matoantenin' ny fameno :
25  Anarana :
26  Mpamaritra :
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran' olona 
Ohabolana  36  Ohabolana misy io teny laza io

Teny iditra (2/12)37  laza
Sokajin-teny  38  anarana
Fanazavàna teny malagasy  39  [1.1] [Sakalava] famaky kely fitondra mandeha
Voambolana  40  Fitaovam-piasana

Teny iditra (3/12)41  laza
Sokajin-teny  42  anarana
Fanazavàna teny malagasy  43  [1.10] [Betsileo, Betsimisaraka] lanonambe makotrokotroka, manehoeho
Fanazavàna teny frantsay  44  [1.19] [Tankarana] fêtes à l'occasion de la circoncision

Teny iditra (4/12)45  laza
Sokajin-teny  46  anarana
Fanazavàna teny malagasy  47  [1.10] zavamaniry atao hoe fanto ny hodiny ary fanao lamba tahaka ny hafotra. Alaina ny hodiny dia kapohina tsara, asiana menaka hahamandomando azy, dia kapohina indray mandra-pahalemin' ny tsiratsirany, dia diovina; izay vao itohitohy ho azo tenomina; anaovana sikina sy salaka. Any amin' ny faritanin' Ikongo (Tanala atsimo) no be azy
Fanazavàna teny anglisy  48  [1.2] [Tanala] a plant whose bark is used to make the lamba called fanto. The root supplies a medicine
Fanazavàna teny frantsay  49  [1.196#II.299] [Tanala] (de laza : dans le sens d'exceptionnel, réservé aux jours de fête). Nom d'une écorce qu'on battait au maillet, comme le fanto, mais qui donnait un produit beaucoup plus fin. D'après A. Grandidier, on attribue aussi à la racine de cet arbuste des vertus médicinales (fichier manuscrit de A. Grandidier donné par son fils, G. Grandidier à R. Decary, puis au Muséum de Paris, Laboratoire de Phanérogamie, par Madame Decary)
Voambolana  50  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody

Teny iditra (5/12)51  laza
Sokajin-teny  52  anarana
Fanazavàna teny malagasy  53  [1.10] (Cissus laza ) zavamaniry hita any amin' ny faritany atsimo (Toleara), indrindra fa any Androy. Mahatratra 4 metatra ny haavony. Hafahafa ny bikany: mivelatra be ny vatany eo am-potony manakaiky ny tany, mety mahatratra 2 metatra ny velarany, dia mihakely arakaraka ny isondrotany avo, dia mandeha amin' izay ny rantsany iray lehibe tohin' ny vatany ary dia mandady mihodidina amin' izay hazo hafa eo akaikiny toy ny fanaon'ny vahy io. Malemilemy ny atin' ny vatany; mitahiry rano be io -- rano nofohiny tao anatin' ny fahavaratra fohy; io no ivelomany mandritra ny volana maro main-tany kely orana. Eo amin' ny toerana maina, be akorovato no faniriany. Vakivaky ny hodiny sady malemy koa. Mandravina izy amin' ny fahavaratra ary vonivony ny fanjany. Misy voany lehibe maintimainty; tian' ny olona any tokoa izany na dia somary manaiki-dela sy lanilany aza. Tsy dia maro loatra izy fa mahalankalana ihany, eny anaty akorovato eny. Voaloboka-dia (vigne sauvage) no anarana ilazan'ny Vazaha azy.
Fanazavàna teny anglisy  54  [1.2] A tree with edible fruit
Voambolana  55  Haizavamaniry: hazo
Singan-teny  56  laza
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (6/12)58  laza
Sokajin-teny  59  anarana
Fanazavàna teny frantsay  60  [1.6] [Tanala, Sakalava, Mahafaly] arbre, Ficus reflexa Thumb. (ex F. pyrifolia Lamk. var. occidentalis), famille des Moracées. Souvent planté à l'est des "grandes maisons"; il assure la prospérité, la renommée du village. Remède contre la fatigue, et contre la toux. Plante du destin astrologique Adalo. Remède si on tombe malade sous le destin Alizady. Entre dans des charmes protégeant de la sorcellerie. Utilisé dans des charmes enterrés qui assurent la croissance du troupeau de zébus.
61  [2.430] ficus planté parfois à l'est du tranobe
Voambolana  62  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
63  Fivavahana, finoana
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (7/12)65  laza
Sokajin-teny  66  anarana
Fanazavàna teny malagasy  67  [1.10] (Ocotea) zavamaniry amin' ny antokon' ny laurinées; betsaka ao amin' ny faritany avaratra. Manitra kanelina ny hazony
Voambolana  68  Haizavamaniry: ahitra
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (8/12)70  laza
Sokajin-teny  71  anarana
Fanazavàna teny frantsay  72  [1.68] [Vezo] Variété de liane (Vitacée, Cyphostemma laza Descoings)
Voambolana  73  Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (9/12)75  laza
Sokajin-teny  76  anarana
Fanazavàna teny frantsay  77  [1.196#II.299] [Sakalava] (de laza dans le sens de fameux, qui a une grande renommée). Les Sakalava donnent ce nom à un arbre. L'arbre est Commiphora guillauminii H.Perrier (Burseraceae). Il est effectivement célèbre parce que c'est sa gomme-résine qu'utilisent les ombiasy (spécialistes du traitement par les plantes) pour préparer des bains de vapeurs afin de mettre en condition le malade et son entourage avant de commencer les soins proprement dits. Cette gomme-résine a des vertus désinfectantes et pectorales.
Voambolana  78  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (10/12)80  laza
Sokajin-teny  81  anarana
Fanazavàna teny frantsay  82  [1.196#II.299] [Sakalava] (de laza dans le sens de fameux, qui a une grande renommée). Les Sakalava donnent ce nom à une curieuse liane présentant à la base un énorme tubercule épigé, Adenia firingalavensis (Drake ex Jum.) Harms (Passifloraceae), elle est célèbre pour d'autres raisons. Renfermant à la fois des alcaloïdes et des substances cyanogènes, elle est extrêmement toxique. Seuls les ombiasy les plus réputés se hasardent à son emploi et encore, le plus souvent par voie externe.
Voambolana  83  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (11/12)85  Laza
Sokajin-teny  86  anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  87  [3.1] fanampin' anarana malagasy
Ohatra  88  [4.45] Voalohany, anisan'ireo nasaina mantsy i Laza Razanajatovo, mpanatontosa horonantsary ary fantatra amin'ny fikarakarana ny "Rencontres du Film Court"
89  [4.44] Ao amin' i Fermilab no anomanan' i Laza Rakondravohitra ny doctorat en physique mandritra ny telo taona ho avy
Singan-teny  90  laza

Teny iditra (12/12)91  laza    
Sokajin-teny  92  anarana
Voambolana  93  Haizavamaniry: espèce ara-tsiansa
Anaram-javamaniry ara-paritra 
94  Cissus laza  laza
95  Cyphostemma laza  laza, mangeboky

Fivaditsoratra  96  laza, Laza, zala

Nohavaozina tamin' ny 2025/05/07