Teny iditra mankalaza (laza)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manome voninahitra lehibe, midera: mankalaza ireo mahery fo namoy ny ainy ho azy ny firenena
Manao amim-pomba be voninahitra: hankalaza ny fetin' ny krismasy isika atsy ho atsy
Mitovy hevitra: mampakatra ~ manaja ~ manajohary ~ manakora ~ manambony ~ mananampempa ~ manandratra ~ manandratsandratra ~ manandriana ~ manangana ~ manangitrangy ~ mananoano ~ manantoana ~ mandaza ~ mandritika ~ mankasitraka ~ manome laza ~ manome voninahitra ~ manondrotra ~ midera ~ mihoby ~ mitehaka ~ mitsoaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To glorify, to exalt
To report a person as having been guilty of some bad deed [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Publier, glorifier [1.3, 1.5]
 Solenniser, fêter, remercier: Mankalaza anao aho noho ny soa nataonao tamiko (Je vous remercie à cause du bien que vous m'avez fait) [1.3]
Ohatra Novorian-dRalambo tao Ambohibato ny vahoaka, ka nasainy hiara-mankalaza aminy ny nandreseny an' Andrianafovaratra. [2.508]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mankalaza
Ny lasa : nankalaza
Ny hoavy : hankalaza
Filaza mandidy : mankala

Teny iditra mankala (laza)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mankalaza [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31