Entrée | lazaina (laza) | ||||||||||||||||||||
Partie du discours | verbe passif | ||||||||||||||||||||
Explications en malgache | [Rajemisa 1985] ambara, aseho amin'ny teny: Izao no lazaiko aminareo | ||||||||||||||||||||
Explications en anglais | [Richardson 1885, Hallanger 1973] to be said | ||||||||||||||||||||
[Richardson 1885] to be told | |||||||||||||||||||||
[Hallanger 1973] to be reported | |||||||||||||||||||||
Explications en français | [Abinal 1888 page 394, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995, Beaujard 1998] qu'on dit | ||||||||||||||||||||
[Abinal 1888] qu'on publie | |||||||||||||||||||||
[Hallanger 1974] dont on rend compte | |||||||||||||||||||||
Morphologie |
| ||||||||||||||||||||
Exemples |
| ||||||||||||||||||||
Citations | Proverbes contenant le mot lazaina | ||||||||||||||||||||
Toponymie | |||||||||||||||||||||
Entrée | lazaina (laza) | ||||||||||||||||||||
Partie du discours | nom | ||||||||||||||||||||
Explications en français | [Rajaonarimanana 1995] sujet (grammaire) | ||||||||||||||||||||
Vocabulaire | Linguistique | ||||||||||||||||||||
Entrée | Lazaina | ||||||||||||||||||||
Partie du discours | nom propre (toponyme) | ||||||||||||||||||||
Explications en malgache | [Ravelojaona 1937]
vohitra iray isan-ny lehibe amin-Avaradrano, miorina tsy lavitra an-Antananarivo.
Raha avy ao an-drenivohitra no miala ka manaraka ny lalana mianavaratra mankany
Ambohimanga, rahefa tonga amin-ny kilaometatra faha-14 dia misy sampanan-dalana
mivily miankandrefana, ary 1 km avy eo i Lazaina.
Tamboho avo, voarafitra mafy no mamefy ny tanàna, ary maro ny trano vaventy ao.
Nanan-daza io tanàna io noho izy niaviana komandy maro tamin-ny tany malagasy.
Tany am-boalohany (1400?) dia ny vohitra nantsoina hoe Amboniloha no nonenan-ny raza-ny mponin' Ilazaina. Taty aoriana ela, tamin-ny fotoana nanjakan' Andrianjaka (1610-1630) dia nifindra ho eo amin-ny toerana natao hoe Antanifisaka izy ireo ary dia io no novàna anarana hoe Lazaina. Ary toy izao no voambara ho nahatonga izany: Nasain' Andrianjaka naka fonenana teo Andriampanarivomanga izay anisan' ireo zanany lahy. Indray andro raha nandeha ho any Ambohidrabiby ny mpanjaka dia nahatazana fa efa nifindra teo Antanifisaka Andriampanarivomanga zanany ka nanontaniany hoe: "Moa efa nolazaina izao fifindrana izao ?" -- "Eny, efa nolazaina", hoy ny mpamaly. Ka dia ataovy hoe: "Lazaina ary ny anaran' ny tanàna vaovao, satria efa nolazaina". Eo amin' ny tantaran' ny Fiangonana Kristiana Malagasy dia manana ny toeram-boninahiny i Lazaina noho izy vohitra niavian-dRanivo maritiora, ilay zazavavy kely tsara tarehy nentina niaraka tamin' ireo maritiora navarina tao Ampamarinana, satria noheverina hivadika raha mahita ny namany nakodia, nefa tsy nety nivadika mihitsy. Notsarovana tamin' ny fomba manetriketrika tao Lazaina ny fahatsiarovana ny faha-100 taonan-dRanivo maritiora, tamin' ny 9 sy 10 oktobra 1954. Ny Fiangonana protestantra ao Lazaina dia tafaorina tamin' ny taona 1863, ary nitokanana tamin' ny 1 novambra 1865. Nankalaza tamin' ny fivorian-dehibe tokoa ny faha-100 taonany ny fiangonana tamin' ny taona 1963 teo. | ||||||||||||||||||||
Vocabulaire | Géographie: agglomérations | ||||||||||||||||||||
Autres orthographes | Ilazaina | ||||||||||||||||||||
Coordonnées | -21.95, 47.4166667
-18.8166667, 47.5666667 | ||||||||||||||||||||
Toponymie | lazaina | ||||||||||||||||||||
Illustrations |
| ||||||||||||||||||||
Mis à jour le 2021/06/04 |
![]() |