Teny iditra kinany > hinana (hana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fototeny faharoa avy amin' ny fototeny voalohany hana nasiana sisika in (h-in-ana) ; mbola ny fototeny voalohany hana ihany koa no niavian' ny matoantenin' ny iharana hanina sy ny teny misy sisika na tsofoka om (h-om-ana): homana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.12]
  [1.3]
Ohatra ka amy ny sivy mehery vao nitsahatrin'ny hinana dia vao nijery ny miaramila France indray izay nandihy, ka namelom-bovoka be hiany, sy mitabataba amy ny dihy. [2.59]
Sampanteny 
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Teny iditra kinany > hinaka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fikapohana mafy tsy misy fangorahana na amin' ny hazo na amin' ny karavasy [1.1]
Sampanteny 
Tovy hevitra hinakinaka

Teny iditra kinany > hinaka
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Sady lehibe no matavy, botrefona [1.1]
Sampanteny 
Tovy hevitra hinakinaka

Teny iditra kinany > hinaka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Grand marais, marais couvert de joncs. § heniheny. [1.19]

Fivaditsoratra 

Teny iditra kinany > kinana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] tanantanamanga [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Huile de ricin. (tsìroka) § tanantanamanga. [1.19]
  [Bara, Betsileo, Mahafaly, Sakalava] (parfois improprement orthographié kinany, Mensier, Dictionnaire des huiles végétales, etc.) (de nana : sécrétion blanchâtre des plantes, assimilée au pus qui se forme dans les organes humains infectés). Nom de diverses plantes sécrétant du latex. Surtout : Jatropha curcas L. et Ricinus communis L. (Euphorbiaceae). [1.196]
Anarana siantifika Jatropha curcas, Ricinus communis
Voambolana 
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Teny iditra kinany > kinaka (kaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Kakana, asiana kaka (sombin-javatra asisika mba hampihizina zavatra mihetsiketsika): Tsy nihontsona intsony ny kodiaran' ilay fiara nony nokinaka [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Calé [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : kinaka, kinako, kinakao, kinany, kinatsika, kinakay, kinakareo, kinak', kina-, kinaky
Ny lasa : nokinaka, nokinako, nokinakao, nokinany, nokinatsika, nokinakay, nokinakareo, nokinak', nokina-, nokinaky
Ny hoavy : hokinaka, hokinako, hokinakao, hokinany, hokinatsika, hokinakay, hokinakareo, hokinak', hokina-, hokinaky
Tovy hevitra voakaka

Teny iditra kinany > kinaka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Jereo hinaka [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Comme hinaka

Fivaditsoratra 

Teny iditra kinany > kina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay Silencieux. Corruption de gina [1.3]

Teny iditra kinany > kina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Sakalava] Manavy kely, dondozy [1.1]
Voambolana 

Teny iditra kinany > kina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] Ramanavy makadiry [1.78]

Fivaditsoratra