Teny iditra fihinana (hinana (hana))
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Fomba entina mihinana: Raisiny amin' ny hazo kely no fihinan' ny Sinoa ny vary
Azo hanina: Misy holatra betsaka tsy fihinana fa misy poizina [1.1]
Ohatra 
1Fihinana ihany koa ny henany, indrindra fa ny rambony. [2.117]
2Tsy fihinana, Kamarady, fa fady aminay, hoy ny filohan-tsokajy. [2.643]
3Ny fihinana sy fisotroana dite ataon'ny olona izay idirana an-trano. [2.59]
Haiendriteny 
Tsotra : fihinana, fihinako, fihinanao, fihinany, fihinantsika, fihinanay, fihinanareo, fihinan', fihinan-, fihinam-, fihina-
Tovonana : -pihinana, -pihinako, -pihinanao, -pihinany, -pihinantsika, -pihinanay, -pihinanareo, -pihinan', -pihinan-, -pihinam-, -pihina-
Kamban-teny 
Anaram-biby 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/14