|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  asorotany
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 anaran' ny volana fahefatra, reni-vintana eo amin' ny zorony atsimo-atsinanana. Ataon' ny mpanandro hoe farafara-akora koa ny anarany, nefa tsy fantatra mazava izay heviny amin' izany. [1.10]
4  [3.1]
5 Anaran' ny volana fahefatra amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Adizaoza ary alohan' ny Alahasaty, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin' ny zoron-trano atsimo atsinanana
6 Fanandroana: Vavany: raha tsy maty kely dia tratra antitra, omena olon-kafa havana fa andro mahery, tsy tezain-dray aman-dreny; vontony: tratra antitra; vodiny: tsara, manan-karena, raha tsy maty kely dia tratra antitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 the name of the fourth month of the Malagasy year. [Ar. As-saratanu - Cancer.] [1.2]
Ohatra  8  koa dia nody Antananarivo tamy ny andro Alakamisy 14 asorotany 1864. [2.59]
Voambolana  9  Fotoana 10  Finoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Kamban-teny rehetra  86 asorotanitsisatry
Ohabolana  87  Ohabolana misy io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  88  Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)89  asorotany
Sokajin-teny  90  anarana
Fanazavàna teny malagasy  91 zana-pehintany avaratry ny fehibe [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  92 tropique du Cancer [1.13]
Voambolana  93  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Mpanahaka  94  adijady, 95  zanapehintany
Sary 

Fivaditsoratra  asorotany, 96 isotroana

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08