|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  adijady
Sokajin-teny  2  anarana
Voambolana  3  Fotoana
4  Fivavahana, finoana
Fanazavàna teny malagasy  5  laharana fahafolo amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-djadi (Chevreau).
Ny Adijady dia reni-vintana mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy. Eo anjorom-baravarankely (avaratra-andrefana) no filaharany.
Ny zaza teraka amin' ny vava-Adijady, hono, dia jadijadina, izany hoe, sady vitsy teny no jinijinina; nefa kosa izay teraka amin' ny vontony sy ny vodiny dia heverina ho tsara vintana ihany.
Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadona tokoa; ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' izany. Io no tonon' andro tsara ho fampidiram-pananana, na andevo hovidiana, na biby hopiana, na vary hatao an-davaka, na vola hotehirizina an-kitapo. Io koa no tonom-bintana fangalana vohitra sy fanorenan-trano. Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara hampakaram-bady, fa savihin' ny andro mafy ka tsy ho afaka hisara-belona: "Lamban' akoho" ny fanambadiana atao Adijady, "ka faty no isarahana."
Ny Asorotany no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adijady, fa samy henjana ireo, ka tsy mahay miaraka; koa dia ny mitanila eo amin' ny Alahatsy sy ny Adizaoza no iarenany sy iandrianany.
Ny ranon' erika dia atao ho Adijady, fa mahamerika andro ny Adijady, ka be vaky siny ny mpantsaka, misy mirodona ny tokotany. Miantomboka mitomany ny tompon' ireo, ary mitohy amin' ny Adalo be ranomaso izany. [1.10]
6  [3.1]
7  Anaran' ny volana fahafolo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Alakaosy ary alohan' ny Adalo, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy ao antrano dia eo amin' ny zorony avaratra andrefana (zorom-baravarankely). Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadina mafy, ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' io
8  Fanandroana: vavany: alam-bintana fandrao dia mijadina loatra ka tsy miteny; vontony: tsara ihany; vodiny: tsara ihany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9  The name of the tenth month in the Malagasy year. [Ar. Al-dschadiu - Capricorns.] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  10  Nom de la dixième lune et du dixième mois de l'année malgache [1.3]
Ohatra  11  ny adijady amin' ny andrefana-avaratra, an-jorom-barava-ran-kely. [2.296#]
12  fa nony Asabotsy 28 Janoary, 11 adijady dia namely mafy ny rivotra; [2.59]
Renianarana 
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny adijady io
Tsanganana sy sary iray takila  14  Fizaran' andro

Teny iditra (2/3)15  adijady
Sokajin-teny  16  anarana
Voambolana  17  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Fanazavàna teny malagasy  18  zana-pehintany 23°27'30" atsimon'ny fehibe [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  19  tropique du Capricorne [1.13]
Sary 
20 

Teny iditra (3/3)21  adijady
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny malagasy  23  latsa, fanalikalikana, ompa [Taimoro] [1.78]

Nohavaozina tamin' ny 2024/08/17