Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 77 Takila 79 ->

 no miandany hiady amin’ilay olona avokoa.

Ireo andro efatra ireo hono dia « fixe » amin'izany lalàna arahiny izany, fa ny andro telo sisa (alarobia - alakamisy - asabotsy) dia tsy mba azo tondroina hoe : avy atsy na ary, fa indraindray avaratra, atsimo, atsinanana, andrefana izy ireo araky ny vintana. 

2- Ny vintana fameloman-jaza

Tsy sendrasendra foana hoy izy ny ahaterahan’y zaza fa tsy maintsy mandeha araky ny vintana izy. Ny ho toeny koa dia arak’izay kirakteran’io vintana ahaterahana azy io. Ny sasany olona falifaly mandrakariva, ny sasany faly mora tezitra na mora malahelo. Ny sasany indray tsy mihotsin-javatra na inona na inona, na fahoriana na fifaliana. Ny olona sasany indray dia ateraka ho mpanjaka hatrany an-kibon-dreniny. Ny sasany ho andevo. Ny ho toetra ny olona tsirairay dia


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany