Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 76 Takila 78 ->

satria tsy avelan’ny andro alahady hitoetra ela any rahavehivavy fa entiny mianavaratra raha miverina izy

- Ny talata andro avy any atsimo, ka raha entina mianatsimo ny vady hakarina amin'io andro io, ka asiana vato kely ao anatin’ny entany dia mila hanadino ny ray aman-dreniny hono izy raha tsy tenenina vao mety hamangy azy

- Ny andro alakamisy dia avy any andrefana. Koa raha misy marary ka entina miakandrefana dia maharitra ela hono izy vao sitrana satria tanan’io andro io ka tsy afaka hiverina vetivety

- Ny andro zoma avy any atsinanana, koa raha misy olona miady amin'io andro io, ny iray avy any atsinanana, ny iray kosa avy any andrefana dia tsy maintsy hahery hono ilay avy any atsinanana fa azy ny andro, ka izy sy ny andro


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany