Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 75 Takila 77 ->

 amin'ny filazana ny zavatra ho avy dia mpaminany izy, amin'ny fanaovan-teny ampy hilazan-kevitra dia olon-kendry, amin'ny fandinihina ny kintana (vintana) eo amin'ny lanitra dia Astronoma, amin'ny fanaovana fañala (ody tsara) dia fihavian’ny soa sy mpiaro amin'ny ratsy izy. Nefa amin'ny famosaviana (ody ratsy) dia izy no fototra mahatonga ny aretina sy ny fahoriana amam-panaintainana miteraka fahafatesana ka mahatahotra. Koa dia izy no tsy maintsy hanontaniana ny zavatra rehetra hatao. 

1- Ny amin'ny andro

Ny andro dia zarazarainy ho samy manana ny tany nihaviany avy :

- Ny alahady dia avy any avaratra ka mianatsimo. Koa raha misy mampaka-bady amin'io andro io ka entina mianatsimo, dia ho rava faingana hono izany fanambadiana izany, 


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany