Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 13 Takila 15 ->

Toko II : Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy

1- Ny isany sy ny karazany

Maro ny isan’ireo fanahy ratsy ireo hoy izy, ka manenika ny tany ; koa na aiza na aiza no andehanana ka mitondra hani-masaka kely ho vatsin-dàlan’ny zaza dia manarakaraka io hanina io ilay fanahy fa maniry te-hihinana azy izy. Raha mampihinana io hanina io ny zaza nefa tsy manimpy amin'ny vazan-tany efatra ho an’ireo fanahy ratsy ireo, dia ampaharariny hono ny zaza. Manarakaraka no anaran’ireo fanahy ratsy ireo noho izy manarakaraka olona mitondra hanina. y fanahy ratsy sasany dia atao hoe : « lolo, lolohaja, vazimba, helo » Tsy noms propres ireo fa noms communs ka milaza karazana ihany.

2- Ny fitoerana misy ireo fanahy ratsy ireo

Tsy mba any an-danitra hono ireo [fanahy ratsy ireo]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany