Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 12 Takila 14 ->

[dia ] tsy hita loatra ny tantarany ny amin'izay tany misy ireo. Fa ireto 6 ireto kosa no fantatra fa tsy ety an-tany, hono, fa any an-danitra. Mahazaka volamena no tohatra fiakarany ho any. Tany mahafinaritra, hono, ny tany misy Azy any an-danitra any izao. Tranovy no tranony any. Fitoeram-bolafotsy no seza fipetrahany. Ny zavatra rehetra izay mahafinaritra ety an-tany, hono, dia misy any an-danitra avokoa. Tsy hita ho lazaina ny enta-maika (fanaka madinika ao an-trano) izay fananan’Andriamanitra. Maro ny andevony, hono, ka tsy tambo isaina. Ireo dia manompo Azy.

 Na dia toa lavitra any an-danitra izay aza Izy dia mahazo midina tany ihany hihaino ny fitarainan’izay mangata-javatra aminy na andro na alina fa tsy voafefy izy.

 Raha misy zavatra tiany ho lazaina amin'ny ombiasa sy ny mpanonofy koa dia midina tany Izy hono, raha alina hanambara izany. []


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany