Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 11 Takila 13 ->

[afa-tsy ny ] zavatra ho vonoina ihany, dia maty mbola tanora.

Ny anaran’ireo Andriamanitra ireo dia tsy misy fantatra hono. Nefa misy enina lehibe izay ambonin’izy ireo ka fantatra tsara ny anarany dia ireto :

  1. Ndriananahary na ny Zanahary
  2. Ndrianaboabo
  3. Ndrianatomoa
  4. Ndrianakatsakatse
  5. Ndrianafotrea
  6. Ndrianabolisy

Amin'izy ireo anefa dia ny voalohany ihany (Ndriananahary) no lehibe sy mpanjakan’ny rehetra sady Izy no mahery ka namorona ny lanitra sy ny tany, fa lefiny sy mpanampy azy ihany ireo namany. Na dia lefiny aza, hono, ireo dia mahazo manome fitahina ho an’izay mangataka aminy.

4- Ny fitoerana misy ireo Andriamanitra ireo

Ny misy ireo Andriamanitra sasany ireo dia [tsy hita loatra]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany