Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 10 Takila 12 ->

Rehefa vita io teny io dia mampimpoaka basy indraim-bava izy atondrony ery amin'ny fahavalo. Tora-kovitra ilay hanafika mahita io tatalefona io ka mazàna mody maina ny sasany.

Izany fahalalana an’Andriamanitra izany ho mpitsara marina izany dia zavatra velona tsara tao am-pony ka toy ny fefy lehibe nataon’Andriamanitra hiarovana ny baribarianina tsy hifamono sy hifandringana tsy misy antony. 

3- Ny isan’ny Andriamanitra izay inoany

« Tsy iray Andriamanitra » hoy izy « fa maro ary ny olona rehetra dia samy manana Andriamanitra iray avy izay samy andriamaniny. » Ny andro iainan’ny olona dia miankina amin'ny toetr’io andriamaniny io avy. Ny manan-Tompo Ilay Andriamanitra be fiantra tsy mahafoy mason-javatra ho vonoina, fa onena azy dia matam-belo (tratr’antitra) vao maty. Fa ny manana ilay Andriamanitra ratsy fanahy izay tsy mba manan-kevitra hafa afa-tsy ny [zavatra ho vonoina ihany,]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany