Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 14 Takila 16 ->

[ireo ] fanahy ratsy ireo fa mihetsiketsika eran’izao tontolo izao. Ny helo sy ny lolo dia ao an-tampon’ny tendrombohitra sy ao anaty rano no mitoetra. Ny lolohaja sy ny angatra, vazimba ary ny raharaha kosa dia ao anaty lohasaha lalina no mitoetra sy eo amin'ny tokonan’ala. Ny tanàna aolo koa no isan’izay mahafinaritra azy. Koa raha vantany vao nialan’olona hono ireo tanàna ireo dia ifindrany miaraka amin'izay. Ao anatin’ireo toerana ireo izy mianakavy no ankohonana iray mahaleo tena ao. Raha misy olona mahazo manitsakitsaka ireo tany misy azy ireo hono, dia marary fa zavatra masiaka lozan-tany ireo. Araky ny filazan’ireo olona mahita azy amin'ny nofy ireo dia tena mahatahotra hono fa manana tarehy vini-dava izy mianakavy ka mampivora-doha.

Indraindray dia fantatra tsara ny tany heverin’ny Bara ho misy ireo fanahy [ratsy ireo]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany