Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 72 Takila 74 ->

b- Ny karazan’ody tsara na fanàla sy ny anton’ny anaovana azy avy

(1) Famoto sy laimalinika : Ireo dia fanafody anaovana vakisiny ny olona mba tsy ho hanim-biby toy ny hala, halamenavody, trambo, ets… ary hanasitranana izay efa nohaniny na olona na biby fiompy. Arovana amin'io koa tsy hisotro biby mahafaty ny biby fiompy. Ny mpiandry omby no tena asiana azy hiambenany ny omby tsy ho hanin’ireo biby ireo.

(2) Fañidy : Ody fanaovana vakisiny ny olona koa io mba hiarovana azy amin'ny voay, raha mitarano na mandro izy.

(3) Firoratra : Ody mampanan-karena, ka eo ambonin’ny varavarana no hametrahana azy hijery sy hiantso ny vola aman-karena ho an’ny tompony.

(4) Odivona : Fanafody atao amin'ny tsy niteraka mba hampiteraka azy. 


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany