Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 71 Takila 73 ->

(8) Gagamañoaka : Ny olona voan’io mosavy io hono dia manao enom-borona, toy ny fanaon’ny gaga (goaika) ka izany no anaovana azy hoe : « gagamanoaka » fa gaga no ataon’ny Bara anaran’ny goaika.

Izany no karazan’ireo ody ireo.

Ny fanaovana azy koa dia samihafa. Ny sasany hono dia jerena izao ihany dia ampy hampidi-doza amin'ilay olona. Ny sasany koa, ny zavatra avy tamin’ny tenan’ilay olona hasiany no analany, toy ny hohony, volony, lambany, etc. fa ny sasany kosa dia izay zavatra ho hanina no asiany ny ody. Ny hafa indray ny taniny, trano misy azy, ny tanim-bariny ary ny làlana hombany no asiany ireo ody ireo. Ny sasany indray koa ny tany efa nodiavin’ilay olona no analany hataony ao amin'ny ody, io no atao hoe : « tsongodia ». 


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany