Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 73 Takila 75 ->

Ary mety hasiana ity ody ity koa ny tsy mahatonga anaka (miteraka nefa maty ) mba hahavelona ny zanany, izay hateraka amin'ny sisa.

(6) Mahavaly : Ody fanao amin'ny omby hiaro azy tsy hangalarin’olona nefa raha misy ihany mangalatra azy dia hisy boka hono ny tenany (ny mpangalatra ).

(7) Odibasy : Ody fiarovana amin'ny bala sy lefona raha miady, rohizana eo amin'ny sandry sy ny tratra, ny lamosina, ny handrina, etc. mba hisakana ireo bala tsy hahavoa, na tsy hahalaitra hono na mahavoa aza.

(8) Odiahitsy : Fiarovana amin'ireo fanahy ratsy ireo mba tsy hamparary sy hampahory olona.

(9) Safaimbola : Ody mpanambara ny soa sy ny ratsy dia izay ho avy any am-parany : Ny soa havelany ho tonga, ny ratsy kosa sakanany tsy ho tanteraka.

(10) Toetsimindry : Ody mampisondrotra voninahitra, mahatian’andriana sy


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany