Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 56 Takila 58 ->

ny hanaovana ody ratsy, toy ny mosavy no ilainy azy. Izany no tantaran ’ ny nahazoan’ny Bara ny ody sy ny nandrosoany araky ny filazan’ireo ombiasa lahy eo aminy ireo. 

2- Ny fianarana ny ho ombiasa

Misy ambony ary ambany ny ombiasa ka raha alahatra atramin’ny ambany mandra-pahatongany amin'izay ambony indrindra :
(1) Ombiasa-kibo
(2) Ombiasa-trandraka
(3) Ombiasa-ihany
(4) Ombiasa-be
(5) Ombiasa-karakatoka
(6) Ombiasa-karafito
(7) Ombiasan-janahary.

Ity farany ity dia tsy mba nampianarin’olona fa nahay fotsiny izao ka Andriamanitra hono no nampianatra azy. Izany no anaovana azy hoe « ombiasan-janahary » satria tsy nianatra tamin’olona.

Ny fianarana mba ho ombiasa dia tsy zavatra vita indray ma [ndeha]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany