Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 57 Takila 59 ->

[indray ma] ndeha fa tsy maintsy miakatra ihany mandra-pahatratra ny farany ambony (karakatoka na karafito) araky ny filaharany.

Misy olona vitsivitsy na maro mifanaiky fa hianatra ho ombiasa ka dia mifidy olona (ombiasa) anankiray izay tiany hianarany izy, ka hanome azy omby na zavatra hafa arak’izay ifanekena. Manaiky hampianatra azy ilay ombiasa nefa manimpy teny kely aminy hoe : « Raha dia maniry hianatra tokoa ianareo dia hatao izany nefa tsarovy fa zava-tsarotra ny fianarana ho ombiasa, ka tsy maintsy hiaretana tsara ny fianarana rehetra sy ny lalàna (fady) momba izany fa raha miala foana tsy vita fianarana dia tsy ho tonga asy, izany hoe : « Tsy tonga ho ombiasa ka tsy vanon-kolona fa raha tsy adala dia manjejena ». Samy manome toky ireo fa hiari [tra]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany