Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 55 Takila 57 ->

tsy hasiana in-droa, tsy hasiana in-telo anie, fa indray maka ity ihany dia ho sitrany. » Izany hono ny niandohan’ny fanaovana ody voalohany, koa mandraka ankehitriny dia mbola fanaon’ny ombiasa Bara ny manonona io teny io isaky ny manao ody izy.

Kanefa tamin’izany hono dia mbola taty aoriana vao nahazo azy mazava tamin’ny Taimoro ny Bara. Ary nisy olona 6 (ombiasa) izay nampiely izany tany amin'ny Bara dia ireto : Rarandra - Ratokanono - Ralaimainty - Rafotsimbarinify - Radabe - Ratsikolahy.

Hatramin’ny andron’ireo no makaty dia nandroso fatratra ny fanaovana ody. Ny anton’ny anaovana azy koa dia niova hono fa tsy arak’izay nanomezan’ny zanak’Andriamanitra azy, fa tsy ny hanasitrana ny marary ihany no kendren’ireo, fa ny hahazoany harena koa. Ny sasany koa


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany