Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 52 Takila 54 ->

ny tany noho ny tsy fisian’ny ranonorana ) koa raha tsy manao sorona ren-janahary ny mpanjaka dia tsy ho latsaka na oviana na oviana ny ranonorana, ka ho lao ny tany ary ho rava ny fanjakana koa ataovy izany mba ho soa ity tany ity ».

Taitra mafy ny mpanjaka raha nandre io teny io ka mamory ny loholona isan-tanàna sady mitondra vositra mankadiry hatao fanatitra eo an-tampon’ny tendrombohitra heverina ho malaza . Vonoina ny vositra rehefa tonga ao, ny ila-hena sy ny taviny rehetra dia dorana ka mitakosina miakatra ny setroka sady mangerona dia mangerona ao an-tampon’ny tendrombohitra.

Ao anatin’io andro io manontolo dia miagavy sy mitalaho mafy eo anatrehan’Andriamanitra ny mpanjaka mba hanomezany azy ranonorana.


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany