Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 53 Takila 55 ->

Ilay fanjakana kely (tompo menakely ) ao avaratr’Ivohibe atao hoe ; Manarahaka ity dia ao an-tampon’ny tendrombohitra atao hoe : Irokà, izao no fanaovany. Ny mpanjaka samihafa any amin'ny tany misy azy avy dia samy manao amin'izay tendrombohitra tiany hanaovana avy.

Nony hariva dia midina avy teny izy ireo amim-panantenana hahazo ranonorana. Mahagaga tokoa anefa ny fitondran’Andriamanitra ny baribarianina fa indraindray raha mbola eny an-tampon’ny tendrombohitra ihany izy dia mifofofofo mafy ny rivotra, mifamanivany ny rahona ka mitresatresaka ny varatra dia midina izy ireo ka mbola tsy tonga an-tanàna akory dia latsaka ny ranonorana. Nefa matetika dia herin’andro na iray volana aorian’izany vao latsaka ny ranonorana.


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany