Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 51 Takila 53 ->

[ity sorona ren-ja] nahary ity, sady hafa mihitsy noho ireo voalaza teo. Ny mpanjaka no ho mpisorona amin'ny ity ary tsy mba ao an-tanàna no anaovana ny sorona fa ao an-tampo-tendrombohitra malaza. Toy izao no mahatonga izany : raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana hahasoa ny vahoakany.

Koa dia mampaka ombiasa izy hanontaniana ny zavatra nahatezitra an’Andriamanitra ka tsy amelany ny ranonorana ho latsaka. Ny ombiasa kosa milaza ny sitra-pon’Andriamanitra ny mpanjaka hoe : « Misy zavatra fadin ’ity tany ity, nefa tsy narahin’ny olona ka mahatezitra an’Andriamanitra. Noho izany dia tanany ny ranonorana ary ny tany dia ilatsahan’ny tokana an-kaky, fotsy moto, mangarom-bato ary iaboroho (ny hevitra io teny io dia ny loza mafy manjo


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany