Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 28 Takila 30 ->

[fa maso fiandry loha ihany ] no ananany, ary tsy manan-tsofina handre ny teninareo, fa sofina mpihaino gado (varatra) ihany no ananany ka tsy mandre ny teninareo ».

Dia vita amin’izay ny avotra ny marary ka ny hena sisa teroa anaty afo dia hanin’ny mpanatitra. Dia mody tsy manan’ahiahy intsony fa efa nahavita avotra. Ny nahavoadona na nahazo nanitsaka ny tranon’ireo fanahy ratsy ireo dia atao tahak’io voalaza io koa ny fanambatambazana azy mba hamelany ny marary ho sitrana na tsy hamparariany izay mbola tsy narary. 

2- Ny fanavotana noho ny ota mahafaty

Maro dia maro hono ny zavatra ataon’ny olona no tena mahadiso be vava eo anatrehan’Andriamanitra mahatezitra Azy ka hampararin’ny olona sy hahafaty azy aza. Koa dia hitan’ny ombiasa fa tonga amin'ny toetra rabe mandriaka sy hena feno trano ny tanàna, itsivalanan’ny (sakanan’ny) lanjam-paty [tsy azo dikana]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany