Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 29 Takila 31 ->

[lanjam-paty ] tsy azo dikana ny vavahady. Ny tenan’ny marary koa ilatsahan’ny trobo (very) eo imaso. Koa dia ho faty ny marary raha tsy hanaovana fanavotana mahafaka azy izany ota mahafaty efa miraikitra amin'ny tenany izany. Tsy mba vitan’akoho intsony ity fa dia omby mihintsy.

Rohizina ao atsinanan-trano ny omby ho avotra, ka atao lava ny mahazaka androizana azy mahatratra hatrany an-trano tànanan’ny marary ny tapany any. Dia antsoina amin'izay Andriamanitra mba hamela ny marary ho sitrana fa hitondra ny ain’ity omby ity ho solon’ny ainy tahaky ny natao teo amin'ny ota tsy nahy teo aloha.

Alaina koa ny volon-dohan’ilay marary sy ny hohony (na hohon-tànana na hoho-tongotra) sokirina koa ny hanina miraikitra eo anelanelan’ny nifiny ary anampahana kely ny lamba nitafiany ka amboarina ho sari-paty ireo dia alevina an-kidim-bitsika [(lavam-bitsika)]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany