Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 27 Takila 29 ->

[ka nony masaka dia ] analana isan-karazany ka apetrapetraka eo ambonin’ny kitrely kely (altara) izay efa namboarina tao anatin’ny nitonoana ny hena. Rehefa vita izany dia misiaka in-telo izy ka miteny hoe : « Ianareo Zanahary atsinanana, avaratra, andrefana, atsimo avia fa mikaike (miantso) anareo ahay noho ny aretin-dR… (tononona ny anaran’ilay marary) fa nahavoadona anareo, hono, izy ka hitan’ny mpisikidy ambaran’ny ombiasa fa nahatezitra anareo izay ; koa dia midodododo mitondra ity akoho ity izahay hifonana aminareo sy hamidy ny ainy, ka votsoro (avelao) soa votsoro maeva (tsara) izy. Ity akoho ity no avotry ny ainy. Ny ainy dia avotry ny ainy rahateo ny lohany avotry ny lohan’ny marary koa ary ny tongony avotry ny tongony, ka ity no ento ho anareo, fa ny marary avalao ho sitrana, fa hitanareo koa moa fa tsy mana-maso hahita anareo izy, fa maso fiandry loha ihany [no ananany,]
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany