Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 26 Takila 28 ->

[dia heveriny ] fa nisy zavatra nahadiso azy tamin’Andriamanitra no nahatonga izao aretina izao taminy. Nefa misy toetra 2 ny mahatonga ny fahadisoana dia izay diso tsy nahay sy ny tsy fahafantarana, ary zavatra dia hita sy fantatra fa halan’Andriamanitra nefa inianana atao. Koa raha sendra nandeha ka nifandona tamin’Andriamanitra tao an-dàlana dia tsy maintsy hamparary ilay olona hono izany na dia fahadisoana tsy nahy aza. Mba hanafaka azy amin'izany dia tsy maintsy hanao fanavotana izy ho an’ny tenany ka hialan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fanao amin'izany dia ny mitondra akoho ho any amin'ilay toerany heverina ho nifandonana tamin’Andriamanitra. Vonoina ny akoho raha tonga ao : ny lohany, ny elany, ny tongony ary ny tsinainy tohizina tsara amin'ny hazo ireo ka atao somary miantsinanana ny lohany. Raha tàhiny marary mafy ilay olona dia ny havany no misolo azy manatitra ireo akoho ireo. Atono ho masaka tsara ny hena sisa eroa anaty afo, ka nony masaka dia [analana isan-karazany]
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany