Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 23 Takila 25 ->

« Raha tianareo ny ho maro dia hanao fatin’akondro hianareo : maty ny ray aman-dreny dimbiasan’ny zaza, nefa raha tsy tohanareo izany, dia hanao fatim-bolana : maty isaky ny efatra herin’andro nefa tsy ho maro, fa ianareo ihany maty mbola ho velona. Aoka hifidy ianareo ny amin'izany ! ». Nangatak’andro hono izy mivady mba hahitana izay ho raisina sy hieritreretany tsara fandrao diso fifidy ka manenina, nefa tsy ho azo averina ny efa vita.

3- Ny nahatonga ny fahafatesana tamin’ny olombelona rehetra

Niady mafy ny safidiny izy mivady tamin’izany fampifidianana azy izany : Handray ny hanao fatim-bolana moa, toa halemy ka tsy hahavita na inona na inona, raha ho faty isam-bolana sady tsy ho maro na oviana na oviana koa anefa izany no nangatahina. Handray ny hanao fatin’akondro indray, ka maty mamela taranaka [maro :]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany