Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 22 Takila 24 ->

[izy mivady ] tamin’izay sady nanan-karena indrindra ary tsy misy Bara manana omby azo ampitahaina amin'ny azy mandraka ankehitriny. Ireny omby haolo (omby manga) ireny, dia mbola isan’ny ombiny avokoa, fa tsy zakan’ny zanany taty aoriana ka nimparitaka. Nifanerasera tsara tamin’i Ndriananahary koa izy mivady. Indraindray nidina Izy hamangy an’Idama mivady, fa indraindray kosa dia izy mivady no niakatra an-danitra ka variana ny nifampiresaka tamin’ireo andevon’i Ndriananahary ireo. Tena finaritra ery hono izy fahaizay. Noho izany dia matetika no alina dia alina vao midina tany, fa variana ny fahafinaretana ao an-danitra.

Tsy naharitra anefa izany toetrany izany taty aoriana fa nangataka tamin’Andriamanitra izy mba ho marobe toy ny any an-danitra, fa mangina laotra ny aty an-tany mila tsy hahatamana. Tsy nanome azy niaraka tamin’izay Andriamanitra fa nampifidy azy hoe : 


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany