Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 24 Takila 26 ->

[ka maty mamela taranaka ] maro : mafy koa izany mamela taranaka (zaza kamboty) maro aty afara tsy misy mpihay izany, eny, mangidy ny hisarahana amin'ny zanaka malala maro. Nefa tsy maintsy ho raisina ny anankiray amin'ireo ka ny ho fatin’akondro no ho raisina mba hisy taranaka dimby sy fara aty afara.

Izany no nahatonga ny fahafatesana taty an-tany ka tsy mitsahatra mandraka ankehitriny. Idama mivady hono ilay pentipentina eo amin’ny volana iny rehefa feno volana, ka mijery antsika zanany eto ambonin’ny tany.

Noho io fanekena vita io dia malahelo mafy ny Bara raha ho faty nefa tsy mba namela zanaka aty afara ho dimby. Fa izay niteraka kosa dia mahazo toky sy fiononana ary ny havany kosa mionona amin'ireto zanany. Ireo zanany ireo koa no entin’ny olona hitsampa alahelo ny havany hoe : « Aza be ranomaso ianareo fa ireto zanany no solony sady mahazo ny miakandrefam- [baravarana]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany