Fizahan-teny

Ohabolana : mikiakiaka

Ohabolana 1Hoy ny akoho mikotrika: Nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany. [2.165 #2304]

Ohabolana 2Mainka izany raha foy, lamokany aza mikiakiaka. [1.1]
Mainka izany raha foy, mbola akorany aza mikiaka! [2.558]
Mainka izany rehefa toy mbola atodiny aza mikiakiaka. [2.165 #1245]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo olona be avonavona, nefa tsy lasa ambony manao ahoana. [1.1]
Dikanteny frantsayQue sera-ce quand il sera éclos! alors qu' il est encore dans l' œuf il crie déjà. [2.165]

Ohabolana 3Mikiakiaka sy mijafajafa hoatry ny voalavo terin-tonta. [2.415 #5010]
Dikanteny frantsayCrier et se débattre comme un rat pris au piège. [2.415 #5010]

Ohabolana 4Moana no tezitra ka sady mikapakapa ny tanana no midiridiry ny maso ary ny vava mikiakiaka dia manginy ihany. [2.558]

Fizahan-teny