Fizahan-teny

Ohabolana : hadalana

Ohabolana 1Lava hadalana hoatry ny trambo : tongotra hahelika, ka enti-mandady. [2.415]
Lava hadalana, ohatra ny trambo: tongotra hahelika, ka enti-mandady. [2.653, 1.1]
Lava hadalana tahaka ny trambo : tongotra hahelika ka enti-mandady. [2.558 #119]
Fanazavana malagasyAzon' ny hadalana ka tsy mahay mitandro izay tokony hotandrovina, toy ny haja, voninahitra. [1.1]
Dikanteny frantsayD' une éternelle sottise comme le mille-pieds : des pattes, il en a jusque sous les aisselles et il s' en sert pour ramper. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des gens peu débrouillards pour leurs intérêts. [2.415 #2081]

Ohabolana 2Lava hadalana hoatry ny valalan' amboa : kely mitsipika, lehibe mandady. [2.415 #2082]
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa: kely mitsipaka, lehibe mandady. [1.1]
Lava hadalana, ohatra ny valalan’ amboa: kely mitsipika, lehibe mandady. [2.653]
Lava hadalana tahaka ny valalan' amboa : kely mitsipika, lehibe mandady. [2.558 #120]
Fanazavana malagasyNy adala iray trano na ny samy adala tsy misy mpananatra. [1.1]
Dikanteny frantsayD' une éternelle sottise comme les sauterelles qu' on appelle sauterelles de chiens : petites elles sautillent, devenues grandes elles rampent. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des gens lourdauds et peu débrouillards. [2.415 #2082]

Ohabolana 3Lava hadalana tahaka ny tana : kely midraiko ; lehibe midraiko. [2.558]
Toy ny tana : tanora midraiko, antitra midraiko. [2.558]

Ohabolana 4Ny kely tsy lany hadalana, ny lehibe tsy lany hatezerana. [2.558 #3040]

Fizahan-teny