<-
->

2Tt / 2Tan 30:1 And Hezekiah sent to all Israel and Judah, and wrote letters also to Ephraim and Manasseh, that they should come to the house of the Lord at Jerusalem, to keep the passover unto the Lord God of Israel. Ary Hezekia naniraka tany amin' ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin' ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon' i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Nandefa iraka ho any amin' Israely rehetra sy Jodà Ezekiasa ary nanoratra taratasy ho any amin' i Efraima sy Manase koa, hankanesan' izy ireo ao an-tranon' ny Tompo ao Jerosalema, hanao ny Paka ho fankalazana an' ny Tompo Andriamanitr' Israely. Ézéchias envoya des messagers à tout Israël et Juda, et écrivit même des lettres à Éphraïm et à Manassé, pour que l' on vienne au Temple de Yahvé à Jérusalem célébrer une Pâque pour Yahvé, le Dieu d' Israël.
2Tt / 2Tan 30:2 For the king had taken counsel, and his princes, and all the congregation in Jerusalem, to keep the passover in the second month. Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin' ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin' ny hitandremana ny Paska amin' ny volana faharoa. Nanao fivoriana fakan-kevitra ny amin' ny hankalazana ny Paka amin' ny volana faharoa ny mpanjaka sy ny lehibe mbamin' ny fiangonana rehetra tao Jerosalema; Le roi, ses officiers et toute l' Assemblée de Jérusalem furent d' avis de la célébrer le second mois
2Tt / 2Tan 30:3 For they could not keep it at that time, because the priests had not sanctified themselves sufficiently, neither had the people gathered themselves together to Jerusalem. Nefa tsy nahatandrina azy tamin' izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema. noho izy tsy azo natao tamin' ny fotoanany, satria ny mpisorona efa nanamasina ny tenany mbola tsy ampy isa loatra, ary ny vahoaka koa mbola tsy vory tao Jerosalema. puisqu' on ne pouvait plus la faire au moment même, les prêtres ne s'étant pas sanctifiés en nombre suffisant et le peuple ne s'étant pas rassemblé à Jérusalem.
2Tt / 2Tan 30:4 And the thing pleased the king and all the congregation. Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany. Noheverin' ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra ho mety tokoa izany. La chose parut juste au roi et à toute l' Assemblée.
2Tt / 2Tan 30:5 So they established a decree to make proclamation throughout all Israel, from Beersheba even to Dan, that they should come to keep the passover unto the Lord God of Israel at Jerusalem: for they had not done it of a long time in such sort as it was written. Dia nandidy handefa teny eran' ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan' ny olona hitandrina ny Paska ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra. Dia nanapa-kevitra ny handefa teny amin' Israely rehetra, hatrany Bersabea ka hatrany Dana izy ireo, mba samy ho tonga ao Jerosalema ny olona, hanao ny Paka ho fankalazana an' ny Tompo Andriamanitr' Israely, fa efa tsy nankalazain' izy ireo mitamba-be intsony, araka ny voasoratra. On décida de faire passer à travers tout Israël, de Bersabée à Dan, un appel à venir célébrer à Jérusalem une Pâque pour Yahvé, Dieu d' Israël; peu, en effet, s'étaient conformés à l'Écriture.
2Tt / 2Tan 30:6 So the posts went with the letters from the king and his princes throughout all Israel and Judah, and according to the commandment of the king, saying, Ye children of Israel, turn again unto the Lord God of Abraham, Isaac, and Israel, and he will return to the remnant of you, that are escaped out of the hand of the kings of Assyria. Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin' ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin' ny mpanjaka hoe: Ry zanak' isiraely ô, miverena amin' i Jehovah, Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin' izay sisa aminareo izay tsy azon' ny tànan' ireo mpanjakan' i Asyria. Dia nandeha ny mpihazakazaka nitondra ny taratasin' ny mpanjaka sy ny lehibe any amin' Israely sy Jodà rehetra, ka nilaza, araka ny didin' ny mpanjaka nanao hoe: Ry Zanak' Israely ô, miverena amin' ny Tompo Andriamanitr' i Abrahama sy Isaaka ary Israely, dia hiverina amin' izay sisa izy, dia aminareo izay afaka tsy latsaka eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asiria. Des courriers partirent, avec des lettres de la main du roi et des officiers, dans tout Israël et Juda. Ils devaient dire, selon l' ordre du roi : " Israélites, revenez à Yahvé, le Dieu d' Abraham, d' Isaac et d' Israël, et il reviendra à ceux d' entre vous qui restent après avoir échappé à la poigne des rois d' Assyrie.
2Tt / 2Tan 30:7 And be not ye like your fathers, and like your brethren, which trespassed against the Lord God of their fathers, who therefore gave them up to desolation, as ye see. Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin' i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy. Aza manahaka ny rainareo aman-drahalahinareo, izay nanota tamin' ny Tompo, ka nataony hianjadian' ny fahoriana, araka izao hitanareo izao. Ne soyez pas comme vos pères et vos frères qui ont prévariqué envers Yahvé, le Dieu de leurs pères, et ont été livrés par lui à la ruine comme vous le voyez.
2Tt / 2Tan 30:8 Now be ye not stiffnecked, as your fathers were, but yield yourselves unto the Lord, and enter into his sanctuary, which he hath sanctified for ever: and serve the Lord your God, that the fierceness of his wrath may turn away from you. Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon' ny razanareo, fa atolory an' i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin' ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an' i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. Koa aza manamafy ny hatokareo, toy ny nataon' ny razanareo fa atolory an' ny Tompo ny tànanareo, tongava ao amin' ny fitoerany masina,izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an' ny Tompo Andriamanitrareo, mba hialan' ny afon' ny fahatezerany aminareo. Ne raidissez plus vos nuques comme l' ont fait vos pères. Soumettez-vous à Yahvé, venez à son sanctuaire qu' il a consacré pour toujours, servez Yahvé votre Dieu et il détournera de vous son ardente colère.
2Tt / 2Tan 30:9 For if ye turn again unto the Lord, your brethren and your children shall find compassion before them that lead them captive, so that they shall come again into this land: for the Lord your God is gracious and merciful, and will not turn away his face from you, if ye return unto him. Fa raha miverina amin' i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan' izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin' ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo. Fa raha miverina amin' ny Tompo hianareo, dia hahita famindram-po amin' ireo nitondra azy ho babo ny rahalahinareo aman-janakareo, ka tsy haviliny tsy hijery anareo ny tavany, raha miverina aminy hianareo. Si vous revenez vraiment à Yahvé, vos frères et vos fils trouveront grâce devant leurs conquérants, ils reviendront en ce pays, car Yahvé votre Dieu est plein de pitié et de tendresse. Si vous revenez à lui, il ne détournera pas de vous sa face. "
2Tt / 2Tan 30:10 So the posts passed from city to city through the country of Ephraim and Manasseh even unto Zebulun: but they laughed them to scorn, and mocked them. Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin' ny tanin' ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin' ny Zebolona; fa nihomehezan' ny olona sy novazivaziny foana izy. Notetezin' ny mpihazakazaka toy izany avokoa ny tanàna any amin' ny tanin' i Efraima sy Manase, ka hatrany amin' i Zabolona; nefa nihomehezan' ny olona sy novazivaziny foana izy. Les courriers parcoururent, de ville en ville, le pays d'Éphraïm et de Manassé, et même de Zabulon, mais on se moqua d' eux et on les tourna en dérision.
2Tt / 2Tan 30:11 Nevertheless divers of Asher and Manasseh and of Zebulun humbled themselves, and came to Jerusalem. Kanefa kosa ny tamin' ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema. Ny olona sasany tamin' i Asera sy Manase ary Zabolona no hany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema. Toutefois, quelques hommes d' Asher, de Manassé et de Zabulon s' humilièrent et vinrent à Jérusalem.
2Tt / 2Tan 30:12 Also in Judah the hand of God was to give them one heart to do the commandment of the king and of the princes, by the word of the Lord. Ary ny tànan' Andriamanitra dia napetrany tamin' ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin' ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin' i Jehovah. Any amin' i Jodà koa no namelaran' Andriamanitra ny tànany, ka nomeny fo iray hankatò ny didin' ny mpanjaka sy ny lehibe araka ny tenin' ny Tompo. C' est plutôt en Juda que la main de Dieu agit pour donner à tous un seul coeur, afin d' exécuter les prescriptions du roi et des officiers contenues dans la Parole de Yahvé.
2Tt / 2Tan 30:13 And there assembled at Jerusalem much people to keep the feast of unleavened bread in the second month, a very great congregation. Ary tamin' ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa. Vahoaka be no nivory tao Jerosalema hanao ny fetin' ny Azima tamin' ny volana faharoa: fivoriana lehibe dia lehibe izay. Un peuple nombreux se rassembla à Jérusalem pour célébrer au deuxième mois la fête des Azymes. Une assemblée extrêmement nombreuse
2Tt / 2Tan 30:14 And they arose and took away the altars that were in Jerusalem, and all the altars for incense took they away, and cast them into the brook Kidron. Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin' ny lohasahan-driaka Kidrona. Nitsangana izy ireo, dia noravany avokoa ny otely tao Jerosalema, noravany koa ny otely fanaterana zava-manitra, ka nariany tany an-dohasahan' i Sedròna. se mit à enlever les autels qui étaient dans Jérusalem et tous les brûle-parfums, pour les jeter dans la vallée du Cédron.
2Tt / 2Tan 30:15 Then they killed the passover on the fourteenth day of the second month: and the priests and the Levites were ashamed, and sanctified themselves, and brought in the burnt offerings into the house of the Lord. Dia namono ny Paska izy tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folo tamin' ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon' i Jehovah. Izay vao namono ny Paka izy ireo, tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana faharoa. Menatra ny mpisorona sy ny Levita, ka nanamasina ny tenany, dia nanolotra sorona dorana, tao an-tranon' ny Tompo. On immola la Pâque le quatorze du second mois. Pleins de confusion, les prêtres et les lévites se sanctifièrent et purent porter les holocaustes au Temple de Yahvé.
2Tt / 2Tan 30:16 And they stood in their place after their manner, according to the law of Moses the man of God: the priests sprinkled the blood, which they received of the hand of the Levites. Ary nitsangana teo amin' ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn' i Mosesy, lehilahin' Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan' ny Levita. Nipetraka teo amin' ny fitoerana fipetrahany araka ny fandaharana, araka ny lalàn' i Moizy, ilay olon' Andriamanitra, izy ireo; ary ny mpisorona nandraraka ny ra, noraisiny avy any an-tanan' ny Levita. Puis ils se tinrent à leur poste, conformément à leurs statuts selon la loi de Moïse, homme de Dieu. Les prêtres versaient le sang qu' ils prenaient de la main des lévites,
2Tt / 2Tan 30:17 For there were many in the congregation that were not sanctified: therefore the Levites had the charge of the killing of the passovers for every one that was not clean, to sanctify them unto the Lord. Fa nisy maro tao amin' ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an' i Jehovah. Ny Levita dia notendrena hamono ny soron' ny Paka, ho an' izay rehetra tsy madio mba hanokana azy ireo ho an' ny Tompo; fa betsaka ny olona teo amin' ny fiangonana no tsy mbola nanamasina ny tenany. car il y avait beaucoup de gens dans l' Assemblée qui ne s'étaient pas sanctifiés et les lévites étaient chargés d' immoler les victimes pascales au profit de ceux qui n' avaient pas la pureté requise pour les consacrer à Yahvé.
2Tt / 2Tan 30:18 For a multitude of the people, even many of Ephraim, and Manasseh, Issachar, and Zebulun, had not cleansed themselves, yet did they eat the passover otherwise than it was written. But Hezekiah prayed for them, saying, The good Lord pardon every one Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin' ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an' ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà Fa betsaka tamin' ny vahoaka, maro tamin' i Efraima, Manase, Isakara, Zabolona, no dia tsy nandio tena, ka nihinana ny Paka ihany, nefa tsy nanaraka izay voasoratra. Fa dia nivavaka ho azy ireo Ezekiasa, nanao hoe: En effet, la majorité du peuple, beaucoup d'Éphraïmites, de Manassites, de fils d' Issachar et de Zabulon, ne s'étaient pas purifiés; ils avaient mangé la Pâque sans se conformer à l'Écriture. Mais Ézéchias pria pour eux; il dit : " Que Yahvé dans sa bonté couvre la faute de
2Tt / 2Tan 30:19 That prepareth his heart to seek God, the Lord God of his fathers, though he be not cleansed according to the purification of the sanctuary. izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an' Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan' ny fitoerana masina aza izy. Iaveh mpamindra fo anie hamela heloka an' ireo nandraikitra ny fony hitady an' Andriamanitra, Iaveh, Andriamanitry ny razany, na dia tsy ananany aza ny fahadiovana ilaina ao amin' ny fitoerana masina. quiconque s' est disposé de coeur à chercher Dieu, Yahvé, le Dieu de leurs pères, même s' il n' a pas la pureté requise pour les choses saintes! "
2Tt / 2Tan 30:20 And the Lord hearkened to Hezekiah, and healed the people. Ary Jehovah nihaino an' i Hezekia ka nahasitrana ny olona. Nihaino an' i Ezekiasa Iaveh, ka namela ny heloky ny vahoaka. Yahvé exauça Ézéchias et laissa le peuple sain et sauf.
2Tt / 2Tan 30:21 And the children of Israel that were present at Jerusalem kept the feast of unleavened bread seven days with great gladness: and the Levites and the priests praised the Lord day by day, singing with loud instruments unto the Lord. Ary ny Zanak' isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin' ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an' i Jehovah isan' andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an' i Jehovah. Ny zanak' Israely izay tao Jerosalema nankalaza ny fetin' ny Azima tamin-kafaliana lehibe, nandritra ny hafitoana; ary isan' andro ny Levita sy ny mpisorona nidera an' ny Tompo tamin' ny zava-maneno mikarantsana, ho fankalazana an' ny Tompo. Les Israélites qui se trouvaient à Jérusalem célébrèrent pendant sept jours, et en grande joie, la fête des Azymes, tandis que les lévites et les prêtres louaient chaque jour Yahvé de toutes leurs forces.
2Tt / 2Tan 30:22 And Hezekiah spake comfortably unto all the Levites that taught the good knowledge of the Lord: and they did eat throughout the feast seven days, offering peace offerings, and making confession to the Lord God of their fathers. Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an' i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an' i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Niteny tamin' ny Levita rehetra, teny manetsika ny fo, Ezekiasa, fa naneho fahaizana fatratra tamin' ny fanompoana an' ny Tompo izy ireo. Nandritra ny hafitoana izy ireo nihinana ny zavatra natao sorona tamin' ny fety, nanolotra ny sorom-pihavanana, ary nidera an' ny Tompo Andriamanitry ny razany. Ézéchias encouragea les lévites qui avaient tous l' intelligence des choses de Yahvé, et pendant sept jours ils prirent part au festin de la solennité, célébrant les sacrifices de communion et louant Yahvé, le Dieu de leurs pères.
2Tt / 2Tan 30:23 And the whole assembly took counsel to keep other seven days: and they kept other seven days with gladness. Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin' ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin' ny hafaliana izy. Niray hevitra ny fiangonana rehetra, fa hankalaza hafitoana indray, ka nankalazainy an-kafaliana ny hafitoana; Puis toute l' Assemblée fut d' avis de célébrer sept autres jours de fête et ils en firent sept jours de joie.
2Tt / 2Tan 30:24 For Hezekiah king of Judah did give to the congregation a thousand bullocks and seven thousand sheep; and the princes gave to the congregation a thousand bullocks and ten thousand sheep: and a great number of priests sanctified themselves. Fa Hezekia, mpanjakan' ny Joda, nanome vantotr' ombilahy arivo sy ondry aman' osy fito arivo ho an' ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr' ombilahy arivo sy ondry aman' osy iray alina ho an' ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany. fa ny fiangonana dia nomen' i Ezekiasa mpanjakan' i Jodà, ombalahy arivo sy ondry fito arivo, ary ny lehibe koa efa nanome azy ombalahy arivo sy ondry iray alina, ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany. Car Ézéchias, roi de Juda, avait fait un prélèvement de mille taureaux et de sept mille moutons pour l' Assemblée, et les officiers un autre de mille taureaux et de dix mille moutons. Les prêtres se sanctifièrent en masse,
2Tt / 2Tan 30:25 And all the congregation of Judah, with the priests and the Levites, and all the congregation that came out of Israel, and the strangers that came out of the land of Israel, and that dwelt in Judah, rejoiced. Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin' ny Isiraely mbamin' ny vahiny izay avy tany amin' ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda. Niara-nirobiroby ny fiangonan' i Jodà rehetra, ny mpisorona sy ny Levita, ny fiangonana rehetra avy any amin' Israely ary ny vahiny rehetra avy any amin' Israely, na niorim-ponenana teo amin' i Jodà. et toute l' Assemblée des Judéens se réjouit, ainsi que les prêtres, les lévites, toute l' Assemblée venue d' Israël; les réfugiés venus du pays d' Israël aussi bien que ceux qui habitaient en Juda.
2Tt / 2Tan 30:26 So there was great joy in Jerusalem: for since the time of Solomon the son of David king of Israel there was not the like in Jerusalem. Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin' ny andron' i Solomona, zanak' i Davida, mpanjakan' ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema. Ka nisy fifaliana lehibe tao Jerosalema, ary tsy mbola nisy toy izany tao Jerosalema hatramin' ny andron' i Salomona zanak' i Davida, mpanjakan' Israely. Il y eut grande joie à Jérusalem, car depuis les jours de Salomon, fils de David, roi d' Israël, rien de semblable ne s'était produit à Jérusalem.
2Tt / 2Tan 30:27 Then the priests the Levites arose and blessed the people: and their voice was heard, and their prayer came up to his holy dwelling place, even unto heaven. Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin' Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masina, ny fivavany. Nitsangana ireo mpisorona levitika, dia nitso-drano ny vahoaka, ary voahaino ny feon' izy ireo ka tafapaka hatrany amin' ny fonenana masin' ny Tompo, hatrany an-danitra, ny vavaka nataony. Les prêtres lévites se mirent à bénir le peuple. Leur voix fut entendue et leur prière reçue en Sa demeure sainte des cieux.

<-
->