<-
->

2Tt / 2Tan 29:1 Hezekiah began to reign when he was five and twenty years old, and he reigned nine and twenty years in Jerusalem. And his mother' s name was Abijah, the daughter of Zechariah. Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin' i Zakaria. Dimy amby roapolo taona Ezekiasa fony vao nanjaka, ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Abià zanak' i Zakariasa. Ézéchias devint roi à l'âge de vingt-cinq ans et il régna vingt-neuf ans à Jérusalem; sa mère s' appelait Abiyya, fille de Zekaryahu.
2Tt / 2Tan 29:2 And he did that which was right in the sight of the Lord, according to all that David his father had done. Ary nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon' i Davida rainy. Nanao izay mahitsy eo imason' ny Tompo toy izay rehetra nataon' i Davida rainy izy. Il fit ce qui est agréable à Yahvé, imitant tout ce qu' avait fait David son ancêtre.
2Tt / 2Tan 29:3 He in the first year of his reign, in the first month, opened the doors of the house of the Lord, and repaired them. Tamin' ny volana voalohany tamin' ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran' ny tranon' i Jehovah izy ka namboatra azy. Tamin' ny volana voalohany, amin' ny taona voalohany nanjakany, novohany ny varavaran' ny tranon' ny Tompo, dia namboatra azy izy. C' est lui qui ouvrit les portes du Temple de Yahvé, le premier mois de la première année de son règne, et qui les restaura.
2Tt / 2Tan 29:4 And he brought in the priests and the Levites, and gathered them together into the east street, Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo ankalalahana atsinanana. Nampiantsoiny ny mpisorona sy ny Levita, dia novoriny teo amin' ny kianja atsinanana, Puis il fit venir les prêtres et les lévites, les réunit sur la place orientale
2Tt / 2Tan 29:5 And said unto them, Hear me, ye Levites, sanctify now yourselves, and sanctify the house of the Lord God of your fathers, and carry forth the filthiness out of the holy place. Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon' i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin' ny fitoerana masina ny loto. dia nilazany hoe: Mihainoa ahy, hianareo Levita: hamasino ny tenanareo, hamasino ny tranon' ny Tompo Andriamanitry ny razanareo, ka esory amin' ny fitoerana masina ny loto rehetra. et leur dit : " Écoutez-moi, lévites! Sanctifiez-vous maintenant, consacrez le Temple de Yahvé, Dieu de nos pères, et éliminez du sanctuaire la souillure.
2Tt / 2Tan 29:6 For our fathers have trespassed, and done that which was evil in the eyes of the Lord our God, and have forsaken him, and have turned away their faces from the habitation of the Lord, and turned their backs. Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan' i Jehovah. Fa nanota ny razantsika, nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo Andriamanitsika izy, nahafoy azy izy, nihodina tsy hanatrika ny fonenan' ny Tompo izy, ary niamboho azy izy. Nos pères ont prévariqué et fait ce qui déplaît à Yahvé notre Dieu. Ils l' ont abandonné; ils ont détourné leurs faces de la Demeure de Yahvé, et lui ont tourné le dos.
2Tt / 2Tan 29:7 Also they have shut up the doors of the porch, and put out the lamps, and have not burned incense nor offered burnt offerings in the holy place unto the God of Israel. Ary narindriny ny varavarana amin' ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin' ny fitoerana masina ho an' Andriamanitry ny Isiraely. Narindriny aza ny varavaran' ny lavarangana fidirana, novonoiny koa ny jiro, ary tsy nandoro zava-manitra na nanatitra ny sorona dorana ho an' Andriamanitr' Israely teo amin' ny fitoerana masina. Ils ont même fermé les portes du Vestibule, ils ont éteint les lampes et n' ont plus fait fumer d' encens, ils n' ont plus offert d' holocaustes au Dieu d' Israël dans le sanctuaire.
2Tt / 2Tan 29:8 Wherefore the wrath of the Lord was upon Judah and Jerusalem, and he hath delivered them to trouble, to astonishment, and to hissing, as ye see with your eyes. Ka dia nihatra tamin' ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran' i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan' ny masonareo izao. Ka dia nianjera tamin' i Jodà sy Jerosalema ny fahatezeran' ny Tompo, navelany izy hianjadian' ny horohoro amam-pahoriana sy faniratsirana, araka izao hitan' ny masonareo izao. La colère de Yahvé s' est appesantie sur Juda et sur Jérusalem; il en a fait un objet d'épouvante, de stupeur et de dérision, comme vous le voyez de vos propres yeux.
2Tt / 2Tan 29:9 For, lo, our fathers have fallen by the sword, and our sons and our daughters and our wives are in captivity for this. Fa he! lavon' ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany. Ary noho izany, dia indro fa lavon' ny sabatra ny razantsika, lasan-ko babo ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika mbamin' ny vadintsika. Aussi nos pères sont-ils tombés sous l'épée, nos fils, nos filles et nos femmes sont-ils partis prisonniers.
2Tt / 2Tan 29:10 Now it is in mine heart to make a covenant with the Lord God of Israel, that his fierce wrath may turn away from us. Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra. Ka tapa-kevitra ankehitriny aho ny hanao fanekena amin' ny Tompo Andriamanitr' Israely mba hialan' ny fahatezerany mirehitra amintsika. Je veux maintenant conclure une alliance avec Yahvé, Dieu d' Israël, pour qu' il détourne de nous l' ardeur de sa colère.
2Tt / 2Tan 29:11 My sons, be not now negligent: for the Lord hath chosen you to stand before him, to serve him, and that ye should minister unto him, and burn incense. Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin' i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy. Koa ankehitriny, anaka, aza manao tsirambina intsony hianareo, fa hianareo no efa voafidin' ny Tompo hanoloana azy, hanompo azy, mba ho mpanompony sy hanatitra zava-manitra ho azy. O mes fils, ne soyez plus négligents, car c' est vous que Yahvé a choisis pour vous tenir en sa présence, pour le servir, pour vaquer à son culte et à ses encensements. "
2Tt / 2Tan 29:12 Then the Levites arose, Mahath the son of Amasai, and Joel the son of Azariah, of the sons of the Kohathites: and of the sons of Merari, Kish the son of Abdi, and Azariah the son of Jehalelel: and of the Gershonites; Joah the son of Zimmah, and Eden the son of Joah: Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak' i Amasay, sy Joela, zanak' i Azaria, tamin' ny taranaky ny Kehatita; ary tamin' ny taranak' i Merary dia Kisy, zanak' i Abdia, sy Azaria, zanak' i Jehalalila; ary tamin' ny Gersonita dia Joa, zanak' i Zima, sy Edena, zanak' i Joa; Dia nitsangana ny Levita: Mahata zanak' i Amasaia, Joela zanak' i Azariasa, tamin' ny taranaky ny Kaatita; tamin' ny taranaky ny Merarita, Kisa zanak' i Abdì, Azariasa zanak' i Jalaleela; tamin' ny Gersonata, Joah, zanak' i Zemà, Eedena zanak' i Joah; Les lévites se levèrent : Mahat fils de Amasaï; Yoèl fils de Azaryahu, des fils de Qehat; des Merarites : Qish fils d' Abdi et Azaryahu fils de Yehalléléel; des Gershonites : Yoah fils de Zimma et Éden fils de Yoah;
2Tt / 2Tan 29:13 And of the sons of Elizaphan; Shimri, and Jeiel: and of the sons of Asaph; Zechariah, and Mattaniah: ary tamin' ny taranak' i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin' ny taranak' i Asafa dia Zakaria sy Matania; tamin' ny taranak' i Elisafàna, Samarì sy Jahiela; tamin' ny taranak' i Asafa, Zakariasa sy Mataniasa; des fils d'Éliçaphân : Shimri et Yeïel; des fils d' Asaph : Zekaryahu et Mattanyahu;
2Tt / 2Tan 29:14 And of the sons of Heman; Jehiel, and Shimei: and of the sons of Jeduthun; Shemaiah, and Uzziel. ary tamin' ny taranak' i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin' ny taranak' i Jedotona dia Semaia sy Oziela. tamin' ny taranak' i Hemàna, Jahiela sy Semeia; ary tamin' ny taranak' Iditona, Semeiasa sy Oziela. des fils de Hémân : Yehiel et Shiméï; des fils de Yedutûn : Shemaya et Uzziel.
2Tt / 2Tan 29:15 And they gathered their brethren, and sanctified themselves, and came, according to the commandment of the king, by the words of the Lord, to cleanse the house of the Lord. Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin' ny mpanjaka noho ny tenin' i Jehovah mba hanadio ny tranon' i Jehovah. Novorin' izy ireo ny rahalahiny, ary samy nanamasina ny tenany izy, dia tonga hanadio ny tranon' ny Tompo, araka ny didin' ny mpanjaka, sy noho ny tenin' ny Tompo. Ils réunirent leurs frères, se sanctifièrent et, conformément à l' ordre du roi, selon les paroles de Yahvé, vinrent purifier le Temple de Yahvé.
2Tt / 2Tan 29:16 And the priests went into the inner part of the house of the Lord, to cleanse it, and brought out all the uncleanness that they found in the temple of the Lord into the court of the house of the Lord. And the Levites took it, to carry it out abroad into the brook Kidron. Ary ny mpisorona niditra tao amin' ny efitra anatiny amin' ny tranon' i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin' i Jehovah ho eo an-kianjan' ny tranon' i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin' ny lohasahan-driaka Kidrona. Niditra tao anatin' ny tranon' ny Tompo ny mpisorona hanadio azy, navoakany avokoa ny loto hitany tao an-tempolin' ny Tompo ho amin' ny kianjan' ny tranon' ny Tompo, dia noraisin' ny Levita hoentiny any an-dohasahan' i Sedròna. Les prêtres entrèrent dans le Temple de Yahvé pour le purifier. Ils emportèrent sur le parvis du Temple de Yahvé toutes les choses impures qu' ils trouvèrent dans le sanctuaire de Yahvé, et les lévites en firent des tas qu' ils allèrent déposer à l' extérieur, dans la vallée du Cédron.
2Tt / 2Tan 29:17 Now they began on the first day of the first month to sanctify, and on the eighth day of the month came they to the porch of the Lord: so they sanctified the house of the Lord in eight days; and in the sixteenth day of the first month they made an end. Ary tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin' ny andro fahavalo tamin' io volana io dia niditra teo amin' ny lavarangana fidirana an' i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon' i Jehovah tamin' ny havaloana izy; ary tamin' ny andro fahenina ambin' ny folo tamin' ny volana voalohany no nahavitany azy. Tamin' ny andro voalohan' ny volana voalohany, nanomboka ny fanadiovana izy; tamin' ny andro fahavalon' ny volana, niditra teo amin' ny lavarangana fidiran' ny Tompo izy, ka nandany havaloana nanadio ny tranon' ny Tompo; ary tamin' ny andro fahenina ambin' ny folon' ny volana voalohany dia vitany. Ayant commencé cette consécration le premier jour du premier mois, ils purent entrer dans le Vestibule de Yahvé le huit du mois; ils mirent huit jours à consacrer le Temple de Yahvé et terminèrent le seizième jour du premier mois.
2Tt / 2Tan 29:18 Then they went in to Hezekiah the king, and said, We have cleansed all the house of the Lord, and the altar of burnt offering, with all the vessels thereof, and the shewbread table, with all the vessels thereof. Dia niditra tao amin' i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon' i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin' ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin' ny fanaka rehetra momba azy koa. Dia nankao amin' i Ezekiasa mpanjaka izy, nilaza hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon' ny Tompo, ny otely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy. Ils se rendirent alors dans les appartements du rois Ézéchias et lui dirent : " Nous avons entièrement purifié le Temple de Yahvé, l' autel des holocaustes et tous ses accessoires, la table des rangées de pains et tous ses accessoires.
2Tt / 2Tan 29:19 Moreover all the vessels, which king Ahaz in his reign did cast away in his transgression, have we prepared and sanctified, and, behold, they are before the altar of the Lord. Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain' i Ahaza mpanjaka tamin' ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan' ny alitaran' i Jehovah. Ary ny fanaka rehetra novetavetain' i Akaza mpanjaka, tamin' ny andro nanjakany, tamin' ny fotoana nanotany, dia efa samy voamboatranay sy voadionay, ka eo anoloan' ny otelin' ny Tompo izany. Tous les objets qu' avait rejetés le roi Achaz durant son règne impie, nous les avons réinstallés et consacrés; les voici devant l' autel de Yahvé. "
2Tt / 2Tan 29:20 Then Hezekiah the king rose early, and gathered the rulers of the city, and went up to the house of the Lord. Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon' i Jehovah. Koa nifoha maraina koa Ezekiasa mpanjaka, ka namory ny lehiben' ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon' ny Tompo. Le roi Ézéchias se leva aussitôt, il réunit les officiers de la ville et monta au Temple de Yahvé.
2Tt / 2Tan 29:21 And they brought seven bullocks, and seven rams, and seven lambs, and seven he goats, for a sin offering for the kingdom, and for the sanctuary, and for Judah. And he commanded the priests the sons of Aaron to offer them on the altar of the Lord. Ary nitondra vantotr' ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak' ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an' ny fanjakana sy ho an' ny fitoerana masina ary ho an' ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak' i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin' ny alitaran' i Jehovah. Ny nateriny dia ombalahy fito, ondralahy fito, zanak' ondry fito, ary osilahy fito, hatao sorona noho ny ota, ho an' ny fanjakana sy ho an' ny fitoerana masina ary ho an' i Jodà. Nasain' ny mpanjaka natolotry ny mpisorona taranak' i Aarona teo ambonin' ny otelin' ny Tompo, ireo. On fit venir sept taureaux, sept béliers et sept agneaux, plus sept boucs en vue du sacrifice pour le péché, à l' intention de la monarchie, du sanctuaire et de Juda. Le roi dit alors aux prêtres, fils d' Aaron, d' offrir les holocaustes sur l' autel de Yahvé.
2Tt / 2Tan 29:22 So they killed the bullocks, and the priests received the blood, and sprinkled it on the altar: likewise, when they had killed the rams, they sprinkled the blood upon the altar: they killed also the lambs, and they sprinkled the blood upon the altar. Dia novonoiny ny vantotr' ombilahy, ary noraisin' ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin' ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin' ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak' ondry, dia natopiny tamin' ny alitara ny ràny. Dia novonoiny ny ombalahy ka noraisin' ny mpisorona ny ra; nararany teo ambonin' ny otely ny ra; novonoiny ny zanak' ondry dia nararany teo ambonin' ny otely ny ra. Ils immolèrent les taureaux; les prêtres recueillirent le sang qu' ils versèrent sur l' autel. Puis ils immolèrent les béliers, dont ils versèrent le sang sur l' autel, et les agneaux, dont ils versèrent le sang sur l' autel.
2Tt / 2Tan 29:23 And they brought forth the he goats for the sin offering before the king and the congregation; and they laid their hands upon them: Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan' ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana; Izay vao naroso ho eo anatrehan' ny mpanjaka sy ny fiangonana ireo osilahy noho ny ota, ka nametrahan' izy rehetra tànana; Ils firent alors approcher les boucs, destinés au sacrifice pour le péché, devant le roi et l' Assemblée qui leur imposèrent les mains.
2Tt / 2Tan 29:24 And the priests killed them, and they made reconciliation with their blood upon the altar, to make an atonement for all Israel: for the king commanded that the burnt offering and the sin offering should be made for all Israel. dia novonoin' ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin' ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an' ny Isiraely; fa ho an' ny Isiraely rehetra no nasain' ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota. dia novonoin' ny mpisorona, nanaovany ny fanonerana teo amin' ny otely ny rany, nanaovany fanonerana ho an' Israely rehetra, fa ho an' Israely rehetra no nampanaovan' ny mpanjaka ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota. Les prêtres les immolèrent et de leur sang versé sur l' autel firent un sacrifice pour le péché afin d' accomplir le rite d' expiation sur tout Israël; c'était en effet pour tout Israël que le roi avait ordonné les holocaustes et le sacrifice pour le péché.
2Tt / 2Tan 29:25 And he set the Levites in the house of the Lord with cymbals, with psalteries, and with harps, according to the commandment of David, and of Gad the king' s seer, and Nathan the prophet: for so was the commandment of the Lord by his prophets. Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon' i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin' i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan' ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin' i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny. Nasainy nalahatra teo an-tranon' ny Tompo ny Levita, samy mitondra kipantsona sy valiha ary harpa, araka ny didin' i Davida sy Gada, mpahitan' ny mpanjaka, ary Natàna mpaminany, fa didy avy amin' ny Tompo tamin' ny alàlan' ny mpaminany, izany. Il plaça ensuite les lévites dans le Temple de Yahvé avec des cymbales, des lyres et des cithares selon les prescriptions de David, de Gad le voyant du roi, et de Natân le prophète; l' ordre venait en effet de Dieu par l' intermédiaire de ses prophètes.
2Tt / 2Tan 29:26 And the Levites stood with the instruments of David, and the priests with the trumpets. Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon' i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra. Dia nilahatra ny Levita nitondra ny zava-manenon' i Davida, mbamin' ny mpisorona nitondra trompetra koa. Quand on eut placé les lévites avec les instruments de David et les prêtres avec les trompettes,
2Tt / 2Tan 29:27 And Hezekiah commanded to offer the burnt offering upon the altar. And when the burnt offering began, the song of the Lord began also with the trumpets, and with the instruments ordained by David king of Israel. Ary nasain' i Hezekia naterina teo ambonin' ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an' i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin' ny zava-manenon' i Davida, mpanjakan' ny Isiraely. Ary nasain' i Ezekiasa natolotra teo ambony otely ny sorona dorana; ka vao natomboka ny sorona dorana, dia natomboka koa ny hira ho an' ny Tompo, mbamin' ny feon-trompetra, narahin' ny zava-manenon' i Davida mpanjakan' Israely. Ézéchias ordonna d' offrir les holocaustes sur l' autel; l' holocauste commençait quand on entonna les chants de Yahvé et quand les trompettes sonnèrent, accompagnées des instruments de David, roi d' Israël.
2Tt / 2Tan 29:28 And all the congregation worshipped, and the singers sang, and the trumpeters sounded: and all this continued until the burnt offering was finished. Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan' ny fanatitra dorana. Niankohoka ny fiangonana rehetra, nohiraina ny hira, ary notsofina ny trompetra, ary izany rehetra izany naharitra mandra-pahavitan' ny sorona dorana. Toute l' Assemblée se prosterna, chacun chantant les hymnes ou faisant retentir les trompettes jusqu'à l' achèvement de l' holocauste.
2Tt / 2Tan 29:29 And when they had made an end of offering, the king and all that were present with him bowed themselves, and worshipped. Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin' izay rehetra teo aminy. Nony vita ny sorona dorana dia nandohalika nitsaoka ny mpanjaka mbamin' izay rehetra teo aminy. Quand l' holocauste fut terminé, le roi et tous ceux qui l' accompagnaient à ce moment fléchirent le genou et se prosternèrent.
2Tt / 2Tan 29:30 Moreover Hezekiah the king and the princes commanded the Levites to sing praise unto the Lord with the words of David, and of Asaph the seer. And they sang praises with gladness, and they bowed their heads and worshipped. Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an' i Jehovah tamin' ny teny namboarin' i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin' ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka. Ny tenin' i Davida sy Asafa mpahita, no nasain' ny mpanjaka sy ny lehibe nideran' ny Levita an' ny Tompo, ary nidera tamin-kafaliana izy ireo sady niondrika nitsaoka. Puis le roi Ézéchias et les officiers dirent aux lévites de louer Yahvé avec les paroles de David et d' Asaph le voyant; ils le firent jusqu'à exaltation, puis tombèrent et se prosternèrent.
2Tt / 2Tan 29:31 Then Hezekiah answered and said, Now ye have consecrated yourselves unto the Lord, come near and bring sacrifices and thank offerings into the house of the Lord. And the congregation brought in sacrifices and thank offerings; and as many as were of a free heart burnt offerings. Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an' i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon' i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana. Rahefa izany, niteny Ezekiasa ka nanao hoe: Vita fanokanan-tena ho an' ny Tompo indray izao hianareo, ka manatòna, manatera sorona amam-pisaorana ao an-tranon' ny Tompo. Dia nanatitra sorona amam-pisaorana ny fiangonana, ary nanolotra sorona dorana koa izay rehetra mazava fo. Ézéchias prit alors la parole et dit : " Vous voici maintenant consacrés à Yahvé. Approchez-vous, apportez dans le Temple de Yahvé les victimes et les sacrifices de louange. " L' Assemblée apporta les victimes et les sacrifices de louange et toutes sortes d' holocaustes en dons votifs.
2Tt / 2Tan 29:32 And the number of the burnt offerings, which the congregation brought, was threescore and ten bullocks, an hundred rams, and two hundred lambs: all these were for a burnt offering to the Lord. Ary ny isan' ny fanatitra dorana izay nentin' ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak' ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an' i Jehovah ireo rehetra ireo. Koa ny isan' ny sorona dorana naterin' ny fiangonana dia omby fitopolo, ondralahy zato, ary zanak' ondry roan-jato, sorona dorana iray ihany, ho an' ny Tompo, avokoa ireo rehetra ireo. Le nombre des victimes de ces holocaustes fut de soixante-dix boeufs, cent béliers, deux cents agneaux, tous en holocaustes pour Yahvé;
2Tt / 2Tan 29:33 And the consecrated things were six hundred oxen and three thousand sheep. Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman' osy telo arivo. Afa-tsy ireo, nisy omby enin-jato, sy ondry telo arivo natokana koa. six cents boeufs et trois mille moutons furent consacrés.
2Tt / 2Tan 29:34 But the priests were too few, so that they could not flay all the burnt offerings: wherefore their brethren the Levites did help them, till the work was ended, and until the other priests had sanctified themselves: for the Levites were more upright in heart to sanctify themselves than the priests. Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan' ny raharaha sy ny nanamasinan' ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona. Tsy nahendaka ny sorona dorana rehetra ny mpisorona, fa vitsy, ka dia nampian' ny Levita rahalahiny izy, mandra-pahavitan' ny raharaha sy mandra-panamasin' ny mpisorona sasany ny tenany, fa narisika kokoa ny Levita noho ny mpisorona tamin' ny fanamasinana ny tenany. Les prêtres furent toutefois trop peu nombreux pour pouvoir dépecer tous ces holocaustes, et leurs frères les lévites leur prêtèrent main-forte jusqu'à ce que cette opération fût terminée et les prêtres sanctifiés; les lévites avaient été en effet mieux disposés que les prêtres à se sanctifier.
2Tt / 2Tan 29:35 And also the burnt offerings were in abundance, with the fat of the peace offerings, and the drink offerings for every burnt offering. So the service of the house of the Lord was set in order. Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran' ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon' i Jehovah. Sady ny sorona dorana moa efa betsaka; ny saboran' ny sorom-pihavanana sy ny fanatitra araraka momba ny sorona dorana koa etsy an-daniny. Toy izany no nanaovana indray ny fanompoana tao an-tranon' ny Tompo. Il y eut de plus un abondant holocauste des graisses des sacrifices de communion, et des libations conjointes à l' holocauste. Ainsi fut rétabli le culte dans le Temple de Yahvé.
2Tt / 2Tan 29:36 And Hezekiah rejoiced, and all the people, that God had prepared the people: for the thing was done suddenly. Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin' Andriamanitra ho an' ny olona, satria tampoka izany raharaha izany. Faly Ezekiasa sy ny vahoaka tamin' izay namboarin' Andriamanitra ho an' ny vahoaka; fa vita tampoka izany zavatra izany. Ézéchias et tout le peuple se réjouirent de ce que Dieu eût disposé le peuple à agir sur-le-champ.

<-
->