<-
->

2Tt / 2Tan 36:1 Then the people of the land took Jehoahaz the son of Josiah, and made him king in his father' s stead in Jerusalem. Ary ny vahoaka naka an' i Joahaza, zanak' i Josia, ka nampanjaka azy tany Jerosalema handimby an-drainy. Joakaza, zanak' i Josiasa, no nalain' ny vahoaka tamin' ny tany nampanjakainy handimby an-drainy, tao Jerosalema. Le peuple du pays prit Joachaz, fils de Josias, et on le fit roi à la place de son père à Jérusalem.
2Tt / 2Tan 36:2 Jehoahaz was twenty and three years old when he began to reign, and he reigned three months in Jerusalem. Telo amby roa-polo taona loahaza, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Telo amby roapolo taona Joakaza fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Joachaz avait vingt-trois ans à son avènement et il régna trois mois à Jérusalem.
2Tt / 2Tan 36:3 And the king of Egypt put him down at Jerusalem, and condemned the land in an hundred talents of silver and a talent of gold. Ary nesorin' ny mpanjakan' i Egypta tany Jerosalema izy, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana. Naongan' ny mpanjakan' i Ejipta tao Jerosalema izy, sady nampandoaviny vola talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny tany. Le roi d'Égypte l' enleva de Jérusalem et imposa au pays une contribution de cent talents d' argent et d' un talent d' or.
2Tt / 2Tan 36:4 And the king of Egypt made Eliakim his brother king over Judah and Jerusalem, and turned his name to Jehoiakim. And Necho took Jehoahaz his brother, and carried him to Egypt. Ary ny mpanjakan' i Egypta nampanjaka an' i Eliakima, rahalahin' i Joahaza, tamin' ny Joda sy Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka nentiny ho any Egypta. Fa Eliasima, rahalahin' i Joakaza no nampanjakany tamin' i Jodà sy Jerosalema sy novany anarana hoe: Joakima. Ary Joakaza rahalahiny, nalainy dia nentiny nankany Ejipta. Puis le roi d'Égypte établit son frère Élyaqim comme roi sur Juda et Jérusalem, et il changea son nom en celui de Joiaqim. Quant à Joachaz, son frère, Neko le prit et l' emmena en Égypte.
2Tt / 2Tan 36:5 Jehoiakim was twenty and five years old when he began to reign, and he reigned eleven years in Jerusalem: and he did that which was evil in the sight of the Lord his God. Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin' ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah Andriamaniny izy. Dimy amby roapolo taona Joakima fony vao nanjaka, ary iraika ambin' ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo Andriamaniny izy. Joiaqim avait vingt-cinq ans à son avènement et il régna onze ans à Jérusalem; il fit ce qui déplaît à Yahvé, son Dieu.
2Tt / 2Tan 36:6 Against him came up Nebuchadnezzar king of Babylon, and bound him in fetters, to carry him to Babylon. Ary Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin' ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babylona. Niakatra hamely azy Nabokodonozora mpanjakan' i Babilona, ka nafatony tamin' ny gadra varahina roa izy, hoentiny any Babilona. Nabuchodonosor, roi de Babylone, fit campagne contre lui et le mit aux fers pour l' emmener à Babylone.
2Tt / 2Tan 36:7 Nebuchadnezzar also carried of the vessels of the house of the Lord to Babylon, and put them in his temple at Babylon. Ary ny fanaka sasany tao an-tranon' i Jehovah dia nentin' i Nebokadnezara ho any Babylona koa ka nataony tao amin' ny tempoliny tany Babylona. Nentin' i Nabokodonozora ho any Babilona ny fanaka sasany tao an-tranon' ny Tompo, ka nataony tao amin' ny tempoliny any Babilona. Nabuchodonosor emporta aussi à Babylone une partie du mobilier du Temple de Yahvé et le déposa dans son palais de Babylone.
2Tt / 2Tan 36:8 Now the rest of the acts of Jehoiakim, and his abominations which he did, and that which was found in him, behold, they are written in the book of the kings of Israel and Judah: and Jehoiachin his son reigned in his stead. Ary ny tantaran' i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin' izay toetoeny rehetra, dia, indro, efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny mpanjakan' ny Isiraely sy ny Joda izany; ary Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy. Ny asan' i Joakima sisa, ny fahavetavetana nataony, mbamin' ny toetrany hita, dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny mpanjakan' i Jodà sy Israely. Ary Joasina zanany no nanjaka nandimby azy. Le reste de l' histoire de Joiaqim, les abominations qu' il commit et ce qui a été relevé contre lui, cela est écrit dans le livre des Rois d' Israël et de Juda. Joiakîn son fils régna à sa place.
2Tt / 2Tan 36:9 Jehoiachin was eight years old when he began to reign, and he reigned three months and ten days in Jerusalem: and he did that which was evil in the sight of the Lord. Valo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy. Valo taona Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo izy. Joiakîn avait dix-huit ans à son avènement et il régna trois mois et dix jours à Jérusalem; il fit ce qui déplaît à Yahvé.
2Tt / 2Tan 36:10 And when the year was expired, king Nebuchadnezzar sent, and brought him to Babylon, with the goodly vessels of the house of the Lord, and made Zedekiah his brother king over Judah and Jerusalem. Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin' ny fanaka tsara tao an-tranon' i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an' i Zedekia rahalahin-drainy tamin' ny Joda sy Jerosalema izy. Nony niherina ny taona dia nasain' i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilona izy, mbamin' ny fanaka sarobidy tao an-tranon' ny Tompo. Ary Sedesiasa rahalahin' i Joasina, no notendreny ho mpanjakan' i Jodà sy Jerosalema. Au retour de l' année, le roi Nabuchodonosor l' envoya chercher et le fit conduire à Babylone avec le mobilier précieux du Temple de Yahvé, et il établit Sédécias son frère comme roi sur Juda et Jérusalem.
2Tt / 2Tan 36:11 Zedekiah was one and twenty years old when he began to reign, and reigned eleven years in Jerusalem. Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin' ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Iraik' amby roapolo taona Sedesiasa fony vao nanjaka, ary iraik' ambin' ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema. Sédécias avait vingt et un ans à son avènement et il régna onze ans à Jérusalem.
2Tt / 2Tan 36:12 And he did that which was evil in the sight of the Lord his God, and humbled not himself before Jeremiah the prophet speaking from the mouth of the Lord. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan' i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin' Andriamanitra. Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo Andriamaniny izy, ary tsy nanetry tena teo anatrehan' i Jeremia mpaminany, izay niteny taminy, tamin' ny anaran' ny Tompo. Il fit ce qui déplaît à Yahvé, son Dieu. Il ne s' humilia pas devant le prophète Jérémie venu sur l' ordre de Yahvé.
2Tt / 2Tan 36:13 And he also rebelled against king Nebuchadnezzar, who had made him swear by God: but he stiffened his neck, and hardened his heart from turning unto the Lord God of Israel. Ary nikomy tamin' i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin' Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin' Andriamanitry ny Isiraely. Nikomy tamin' i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin' ny anaran' Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin' ny Tompo Andriamanitr' Israely. Il se révolta en outre contre le roi Nabuchodonosor auquel il avait prêté serment par Dieu. Il raidit sa nuque et endurcit son coeur au lieu de revenir à Yahvé, le Dieu d' Israël.
2Tt / 2Tan 36:14 Moreover all the chief of the priests, and the people, transgressed very much after all the abominations of the heathen; and polluted the house of the Lord which he had hallowed in Jerusalem. Ary ny lehibe rehetra tamin' ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon' ny jentilisa ka nandoto ny tranon' i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy. Ny lehiben' ny mpisorona rehetra mbamin' ny vahoaka koa nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan' ny firenena, sy nandoto ny tranon' ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema. De plus, tous les chefs des prêtres et le peuple multiplièrent les infidélités, imitant toutes les abominations des nations, et souillèrent le Temple que Yahvé s'était consacré à Jérusalem.
2Tt / 2Tan 36:15 And the Lord God of their fathers sent to them by his messengers, rising up betimes, and sending; because he had compassion on his people, and on his dwelling place: Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin' ny olony sy ny fonenany. Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin' izy ireo, Iaveh Andriamanitry ny razany, tamin' ny alalan' ny irany, fa nangoraka ny vahoakany sy ny fonenany izy. Yahvé, le Dieu de leurs pères, leur envoya sans se lasser des messagers, car il voulait épargner son peuple et sa Demeure.
2Tt / 2Tan 36:16 But they mocked the messengers of God, and despised his words, and misused his prophets, until the wrath of the Lord arose against his people, till there was no remedy. Kanjo ny olona nihomehy ireny irak' Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran' i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy. Kanjo niomehezan' izy ireo ny irak' Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran' ny fahatezeran' Andriamanitra tamin' ny vahoakany tsy azo notohaina intsony. Mais ils tournaient en dérision les envoyés de Dieu, ils méprisaient ses paroles, ils se moquaient de ses prophètes, tant qu' enfin la colère de Yahvé contre son peuple fut telle qu' il n' y eut plus de remède.
2Tt / 2Tan 36:17 Therefore he brought upon them the king of the Chaldees, who slew their young men with the sword in the house of their sanctuary, and had no compassion upon young man or maiden, old man, or him that stooped for age: he gave them all into his hand. Koa nentiny namely azy ny mpanjakan' ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin' ny sabatra tao an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa. Tamin' izay dia nentin' ny Tompo hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan' ny Kaldeana, ary novonoin' io tamin' ny sabatra tao an-tranon' ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tànany avokoa. Il fit monter contre eux le roi des Chaldéens qui passa au fil de l'épée leurs jeunes guerriers dans leur sanctuaire et n'épargna ni le jeune homme, ni la jeune fille, ni le vieillard, ni l' homme à la tête chenue. Dieu les livra tous entre ses mains.
2Tt / 2Tan 36:18 And all the vessels of the house of God, great and small, and the treasures of the house of the Lord, and the treasures of the king, and of his princes; all these he brought to Babylon. Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon' Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin' ny rakitry ny tranon' i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa. Nentin' i Nabokodonozora ho any Babilona avokoa ny fanaka teo an-tranon' ny Tompo, na ny lehibe na ny kely, ny rakitry ny tranon' ny Tompo, ny rakitry ny mpanjaka, ary ny an' ireo filohany. Tous les objets du Temple de Dieu, grands et petits, les trésors du Temple de Yahvé, les trésors du roi et de ses officiers, il emporta le tout à Babylone.
2Tt / 2Tan 36:19 And they burnt the house of God, and brake down the wall of Jerusalem, and burnt all the palaces thereof with fire, and destroyed all the goodly vessels thereof. Dia nodorany koa ny tranon' Andriamanitra, ary noravany ny mandan' i Jerosalema; ny lapan' andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin' ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany. Nodorany ny tranon' Andriamanitra, noravany ny mandan' i Jerosalema, notselarany ny afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka saro-bidy rehetra. On brûla le Temple de Dieu, on abattit les murailles de Jérusalem, on incendia tous ses palais et l' on détruisit tous ses objets précieux.
2Tt / 2Tan 36:20 And them that had escaped from the sword carried he away to Babylon; where they were servants to him and his sons until the reign of the kingdom of Persia: Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan' ny mpanjakan' i Persia, Nentin' i Nabokodonozora ho babo tany Babilona ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga andevon' izy sy ny zanany ireny, mandra-panjakan' ny mpanjakan' i Persa. Puis Nabuchodonosor déporta à Babylone le reste échappé à l'épée; ils durent le servir ainsi que ses fils jusqu'à l'établissement du royaume perse,
2Tt / 2Tan 36:21 To fulfil the word of the Lord by the mouth of Jeremiah, until the land had enjoyed her sabbaths: for as long as she lay desolate she kept sabbath, to fulfil threescore and ten years. hanatanterahana ny tenin' i Jehovah nampilaza.na an' i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin' ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona. Izany no nahatanterahan' ny tenin' ny Tompo, tamin' ny vavan' i Jeremia: Mandra-pahazon' ny tany ny onitry ny sabatany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon' ny fitopolo taona. accomplissant ainsi ce que Yahvé avait dit par la bouche de Jérémie : " Jusqu'à ce que le pays ait acquitté ses sabbats, il chômera durant tous les jours de la désolation, jusqu'à ce que soixante-dix ans soient révolus. "
2Tt / 2Tan 36:22 Now in the first year of Cyrus king of Persia, that the word of the Lord spoken by the mouth of Jeremiah might be accomplished, the Lord stirred up the spirit of Cyrus king of Persia, that he made a proclamation throughout all his kingdom, and put it also in writing, saying, Ary tamin' ny taona voalohany nanjakan' i Kyrosy, mpanjakan' i Perisa, dia notairin' i Jehovah ny fanahin' i Kyrosy mpanjakan' i Persia. mba hanatanteraka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy an' i Jeremia, ka dia nandefa teny eran' ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe: Tamin' ny taona voalohany nanjakan' i Sirosa, mpanjakan' i Persa, dia namporisihin' ny Tompo, ny fanahin' i Sirosa mpanjakan' i Persa, mba hahatanteraka ny tenin' ny Tompo tamin' ny vavan' i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran' ny fanjakany izao teny izao: Et la première année de Cyrus, roi de Perse, pour accomplir la parole de Yahvé prononcée par Jérémie, Yahvé éveilla l' esprit de Cyrus, roi de Perse, qui fit proclamer - et même afficher - dans tout son royaume :
2Tt / 2Tan 36:23 Thus saith Cyrus king of Persia, All the kingdoms of the earth hath the Lord God of heaven given me; and he hath charged me to build him an house in Jerusalem, which is in Judah. Who is there among you of all his people? The Lord his God be with him, and let him go up. Izao no lazain' i Kyrosy, mpanjakan' i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin' ny tany dia efa nomen' i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy. Izao no lazain' i Sirosa mpanjakan' i Persa: Efa nomen' ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany: ary efa nandidy ahy izy, hanao trano ho azy any Jerosalema. Koa iza avy moa aminareo no vahoakany? Homba azy anie Iaveh Andriamaniny ary aoka hiakatra izy... " Ainsi parle Cyrus, roi de Perse : Yahvé, le Dieu du ciel, m' a remis tous les royaumes de la terre; c' est lui qui m' a chargé de lui bâtir un Temple à Jérusalem, en Juda. Quiconque, parmi vous, fait partie de tout son peuple, que son Dieu soit avec lui et qu' il monte! "

<-
->