<-
->

1Tt / 1Tan 27:1 Now the children of Israel after their number, to wit, the chief fathers and captains of thousands and hundreds, and their officers that served the king in any matter of the courses, which came in and went out month by month throughout all the months of the year, of every course were twenty and four thousand. Ary ny amin' ny Zanak' Isiraely araka ny isany, dia ny lohan' ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin' izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan' ny isan-tokony. Ny zanak' Israely, araka ny isany avy, loham-pianakaviana, tompon' arivo, tompon-jato, manamboninahitra amin' ny fanompoana ny mpanjaka, amin' ny zavatra rehetra momba ny isan-tokony, na ny tonga na ny miainga, isam-bolana, mandritra ny volana rehetra amin' ny taona, efatra arivo amby roa alina no isan' ny antokony iray, - dia ireto: Les Israélites d' après leur nombre : Chefs de familles, officiers de milliers et de centaines et leurs scribes au service du roi, pour tout ce qui concernait les classes en activité pour un mois, tous les mois de l' année. Chaque classe était de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:2 Over the first course for the first month was Jashobeam the son of Zabdiel: and in his course were twenty and four thousand. Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin' ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak' i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina; Jeroboama zanak' i Zabdiela, no lohan' ny antokony voalohany, ho amin' ny volana voalohany; efatra arivo amby roa alina no isan' ny antokony. Le responsable de la première classe, affecté au premier mois, était Yashobéam, fils de Zabdiel. Il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:3 Of the children of Perez was the chief of all the captains of the host for the first month. isan' ny taranak' i Fareza izy sady lohan' ny mpifehy rehetra tamin' ny miaramila amin' ny volana voalohany. Isan-taranak' i Faresa izy, ary nifehy ny lehibe rehetra isan-tokony, amin' ny volana voalohany. C'était l' un des fils de Pérèç, chef de tous les officiers du corps affecté au premier mois.
1Tt / 1Tan 27:4 And over the course of the second month was Dodai an Ahohite, and of his course was Mikloth also the ruler: in his course likewise were twenty and four thousand. Ary ny nifehy ny antokony ho amin' ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan' ny antokony; ary ny antokon' ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina. Dodià Ahohita no lohan' ny antokony amin' ny volana faharoa; Makelota andriandahy no isan' ny lehibe tamin' ny antokony; ary efatra arivo amby roa alina no isan' ny antokony. Le responsable de la classe du second mois était Dodaï l' Ahohite; il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:5 The third captain of the host for the third month was Benaiah the son of Jehoiada, a chief priest: and in his course were twenty and four thousand. Ny komandin' ny antokony fahatelo tamin' ny miaramila, ho amin' ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak' i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Banaiasa zanak' i Joiadà filohany no lohan' ny antokony fahatelo, ho amin' ny volana fahatelo; ary efatra arivo amby roa alina no isan' ny antokony. L' officier du troisième corps affecté au troisième mois était Benayahu, fils de Yehoyada, le prêtre en chef. Il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:6 This is that Benaiah, who was mighty among the thirty, and above the thirty: and in his course was Ammizabad his son. Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin' izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan' ny antokony. Io no ilay Banaiasa lehilahy mahery amin' ny Telo-polo lahy, sady mpitarika ny Telo-polo lahy. Amizabada zanany dia mpifehy tamin' ny antokony. C' est ce Benayahu qui fut le héros des Trente, et eut la responsabilité des Trente et de sa classe. Il eut pour fils Ammizabad.
1Tt / 1Tan 27:7 The fourth captain for the fourth month was Asahel the brother of Joab, and Zebadiah his son after him: and in his course were twenty and four thousand. Ny fahefatra, ho amin' ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin' i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Asaela rahalahin' i Joaba no fahefatra ho amin' ny volana fahefatra, ary Zabadiasa zanany no manarakaraka azy, efatra arivo sy roa alina no isan' ny antokony. Le quatrième, affecté au quatrième mois, était Asahel, frère de Joab; son fils Zebadya lui succéda. Il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:8 The fifth captain for the fifth month was Shamhuth the Izrahite: and in his course were twenty and four thousand. Ny fahadimy, ho amin' ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Samaota filohany, Izrahita no fahadimy, ho amin' ny volana fahadimy, ary efatra arivo sy roa alina no isan' ny antokony. Le cinquième, affecté au cinquième mois, était l' officier Shamehut, le Zarhite. Il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:9 The sixth captain for the sixth month was Ira the son of Ikkesh the Tekoite: and in his course were twenty and four thousand. Ny fahenina, ho amin' ny volana fahenina, dia Ira, zanak' Ikesy Tekoita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Hirà, zanak' i Aksesa avy any Tekoe no fahenina ho amin' ny volana fahenina; ary efatra arivo sy roa alina no isan' ny antokony. Le sixième, affecté au sixième mois, était Ira, fils d' Iqqesh, de Teqoa; il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:10 The seventh captain for the seventh month was Helez the Pelonite, of the children of Ephraim: and in his course were twenty and four thousand. Ny fahafito, ho amin' ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan' ny taranak' i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Helesa, Falonita, isan-taranak' i Efraima no fahafito, ho amin' ny volana fahafito, ary efatra arivo sy roa alina no isan' ny antokony. Le septième, affecté au septième mois, était Héleç, le Pelonite, l' un des fils d'Éphraïm; il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:11 The eighth captain for the eighth month was Sibbecai the Hushathite, of the Zarhites: and in his course were twenty and four thousand. Ny fahavalo, ho amin' ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan' ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Sobokaì Hosatita, amin' ny fianakavian' ny Zarahita no fahavalo, ho amin' ny volana fahavalo, ary efatra arivo sy roa alina no isan' ny antokony. Le huitième, affecté au huitième mois, était Sibbekaï, de Husha, un Zarhite; il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:12 The ninth captain for the ninth month was Abiezer the Anetothite, of the Benjamites: and in his course were twenty and four thousand. Ny fahasivy, ho amin' ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan' ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Abiezera avy any Anatota, isan-taranak' i Benjamina no fahasivy, ho amin' ny volana fahasivy, ary efatra arivo sy roa alina no isan' ny antokony. Le neuvième, affecté au neuvième mois, était Abiézer d' Anatot, un Benjaminite; il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:13 The tenth captain for the tenth month was Maharai the Netophathite, of the Zarhites: and in his course were twenty and four thousand. Ny fahafolo, ho amin' ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan' ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Maraì avy any Nefotà amin' ny fianakavian' ny Zarahita no fahafolo, ho amin' ny volana fahafolo; ary efatra arivo sy roa alina no isan' ny antokony. Le dixième, affecté au dixième mois, était Mahraï de Netopha, un Zarhite; il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:14 The eleventh captain for the eleventh month was Benaiah the Pirathonite, of the children of Ephraim: and in his course were twenty and four thousand. Ny fahiraika ambin' ny folo, ho amin' ny volana fahiraika ambin' ny folo, dia Benaia Piratonita, isan' ny taranak' i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Banaiasa avy any Faratona, isan-taranak' i Efraima no faharaika ambin' ny folo, ho amin' ny volana faharaika ambin' ny folo; ary efatra arivo sy roa alina no isan' ny antokony. Le onzième, affecté au onzième mois, était Benaya, de Piréatôn, un fils d'Éphraïm; il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:15 The twelfth captain for the twelfth month was Heldai the Netophathite, of Othniel: and in his course were twenty and four thousand. Ny faharoa ambin' ny folo, ho amin' ny volana faharoa ambin' ny folo, dia Helday Netofatita, isan' ny taranak' i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. Holdaì avy any Netofà, amin' ny fianakavian' i Otoniela, no faharoa ambin' ny folo, ho amin' ny volana faharoa ambin' ny folo, ary efatra arivo sy roa alina no isan' ny antokony. Le douzième, affecté au douzième mois, était Heldaï, de Netopha, d' Otniel; il était responsable d' une classe de vingt-quatre mille hommes.
1Tt / 1Tan 27:16 Furthermore over the tribes of Israel: the ruler of the Reubenites was Eliezer the son of Zichri: of the Simeonites, Shephatiah the son of Maachah: Ary izao no lohan ny firenen' Isiraely: Tamin' ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin' i Zikry; tamin' ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin' i Maka; Izao kosa no lohan' ny fokon' Israely: amin' ny Robenita, Eliazera, zanak' i Zekrì; amin' ny Semeonita, Safatiasa zanak' i Maakà; Responsables des tribus d' Israël : Eliézer, fils de Zikri, commandait les Rubénites, Shephatyahu fils de Maaka les Siméonites,
1Tt / 1Tan 27:17 Of the Levites, Hashabiah the son of Kemuel: of the Aaronites, Zadok: tamin' ny Levita dia Hasabia, zanakalahin' i Kemoela; tamin' ny Aronita dia Zadoka; amin' ny Levita: Hasabiasa zanak' i Kamoela; amin' ny fianakavian' i Aarona, Sadaoka; Hashabya fils de Qemuel les Lévites, Sadoq les Aaronides,
1Tt / 1Tan 27:18 Of Judah, Elihu, one of the brethren of David: of Issachar, Omri the son of Michael: tamin' ny Joda dia Eliho, izay isan' ny rahalahin' i Davida; tamin' ny Isakara dia Omry, zanakalahin' i Mikaela; amin' i Jodà, Eliò rahalahin' i Davida; amin' Isakara, Amrì zanak' i Mikaela; Élihu, l' un des frères de David, les Judéens, Omri fils de Mikaèl les Issacharites,
1Tt / 1Tan 27:19 Of Zebulun, Ishmaiah the son of Obadiah: of Naphtali, Jerimoth the son of Azriel: tamin' ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin' i Obadia; tamin' ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin' i Azriela; amin' ny Zabolona, Jesmaiasa zanak' i Abdiasa; amin' ny Neftalì, Jerimota zanak' i Osriela; Yishmayahu fils d' Obadyahu les Zabulonites, Yerimot fils d' Azriel les Nephtalites,
1Tt / 1Tan 27:20 Of the children of Ephraim, Hoshea the son of Azaziah: of the half tribe of Manasseh, Joel the son of Pedaiah: tamin' ny taranak' i Efraima dia Hosea, zanakalahin' i Azazia; tamin' ny antsasaky ny firenen' i Manase dia Joela, zanakalahin' i Pedaia; amin' ny taranak' i Efraima: Osea zanak' i Ozaziò; amin' ny antsasa-pokon' i Manase, Joela zanak' i Fadaiasa; Hoshéa fils d' Azazyahu les Éphraïmites, Yoèl fils de Pedayahu la demi-tribu de Manassé,
1Tt / 1Tan 27:21 Of the half tribe of Manasseh in Gilead, Iddo the son of Zechariah: of Benjamin, Jaasiel the son of Abner: tamin' ny antsasaky ny firenen' i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin' i Zakaria; tamin' ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin' i Abnera; amin' ny antsasa-pokon' i Manase any Galaada, Jadao zanak' i Zakariasa; amin' i Benjamina, Jasiela zanak' i Abnera; Yiddo fils de Zekaryahu la demi-tribu de Manassé en Galaad, Yaasiel fils d' Abner les Benjaminites,
1Tt / 1Tan 27:22 Of Dan, Azareel the son of Jeroham. These were the princes of the tribes of Israel. tamin' ny Dana dia Azarela, zanakalahin' i Jerohama. Ireo no lohan' ny firenen' Isiraely. amin' ny Dana, Ezriela zanak' i Jerohama. Ireo no lohan' ny fokon' Israely. Azaréel fils de Yeroham les Danites. Tels furent les officiers des tribus d' Israël.
1Tt / 1Tan 27:23 But David took not the number of them from twenty years old and under: because the Lord had said he would increase Israel like to the stars of the heavens. Nefa tsy nanisa ny hatramin' ny roa-polo taona no ho midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin' ny lanitra Izy. Tsy nisain' i Davida ny hatramin' ny roapolo taona no midina, satria efa nolazain' ny Tompo fa hampitombo an' Israely ho tahaka ny kintana amin' ny lanitra izy. David ne fit pas le dénombrement de ceux qui avaient vingt ans et au-dessous, parce que Dieu avait dit qu' il multiplierait les Israélites comme les étoiles des cieux.
1Tt / 1Tan 27:24 Joab the son of Zeruiah began to number, but he finished not, because there fell wrath for it against Israel; neither was the number put in the account of the chronicles of king David. Joaba, zanak' i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin' ny Isiraely tamin' izany, ka dia tsy voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' i Davida mpanjaka ny isany. Efa nanomboka ny fanisana Joaba zanak' i Sarvià, fa tsy nahatapitra izany, satria azon' ny hatezeran' ny Tompo noho izany Israely ka ny isa efa hita dia tsy voasoratra ao amin' ny rejistrin' ny tantaran' i Davida mpanjaka. Joab, fils de Çeruya, commença à faire le compte, mais ne l' acheva pas. C' est pourquoi la Colère éclata contre Israël, et le chiffre n' atteignit pas celui qu' on trouve dans les Annales du roi David.
1Tt / 1Tan 27:25 And over the king' s treasures was Azmaveth the son of Adiel: and over the storehouses in the fields, in the cities, and in the villages, and in the castles, was Jehonathan the son of Uzziah: Ary ny tonian' ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak' i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin' ny tanàna, na tamin' ny vohitra, na tamin' ny tilikambo, dia Jonatana, zanak' i Ozia; Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin' ny tanàna, na tamin' ny vohitra, na tamin' ny tilikambo, dia Jonatana, zanak' i Ozia; Asmota, zanak' i Adiela, no tonian' ny rakitry ny mpanjaka; Jonatàna, zanak' i Oziasa, no amin' ny rakitra, na an-tsaha na an-tanàna, na amin' ny zanabohitra na amin' ny tilikambo; Responsable des provisions du roi : Azmavèt, fils d' Adiel. Responsable des provisions dans les villes, bourgs et forteresses de la province : Yehonatân, fils de Uzziyyahu.
1Tt / 1Tan 27:26 And over them that did the work of the field for tillage of the ground was Ezri the son of Chelub: ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak' i Keloba; Ezrì, zanak' i Keloba, no amin' ny mpiasa any an-tsaha, miasa ny tany; Responsable des ouvriers agricoles employés à la culture du sol : Ezri, fils de Kelub.
1Tt / 1Tan 27:27 And over the vineyards was Shimei the Ramathite: over the increase of the vineyards for the wine cellars was Zabdi the Shiphmite: ary ny tonian' ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian' ny divay tehirizina any amin' ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita; Semeia avy any Ramà no amin' ny tanim-boaloboka; Zabdiasa avy any Safama no amin' ny divay voavory any amin' ny tanim-boaloboka; Responsable des vignobles : Shiméï, de Rama. Responsable de ceux qui, dans les vignobles, étaient affectés aux réserves de vin : Zabdi, de Shepham.
1Tt / 1Tan 27:28 And over the olive trees and the sycomore trees that were in the low plains was Baalhanan the Gederite: and over the cellars of oil was Joash: ary ny tonian' ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin' ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian' ny diloilo tehirizina dia Joasy; Balanana avy any Gedera no amin' ny oliva sy ny aviavy any amin' ny Sefelà; Joasa no amin' ny filoilo voavory; Responsable des oliviers et des sycomores dans le Bas-Pays : Baal-Hanân, de Géder. Responsable des réserves d' huile : Yoash.
1Tt / 1Tan 27:29 And over the herds that fed in Sharon was Shitrai the Sharonite: and over the herds that were in the valleys was Shaphat the son of Adlai: ary ny tonian' ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian' ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak' i Adlay; Setraì avy any Sarona no amin' ny omby andrasana any Sarona; Safatà zanak' i Adlì no amin' ny omby eny an-dohasaha; Responsable du gros bétail pâturant en Sarôn : Shitraï, de Sarôn. Responsable du gros bétail dans les vallées : Shaphat, fils de Adlaï.
1Tt / 1Tan 27:30 Over the camels also was Obil the Ishmaelite: and over the asses was Jehdeiah the Meronothite: ary ny tonian' ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian' ny borikivavy dia Jedda Meronotita; Obila, Ismaelita, no amin' ny rameva; Jadiasa avy any Meronata no amin' ny ampondravavy; Responsable des chameaux : Obil, l' Ismaélite. Responsable des ânesses : Yehdeyahu, de Méranot.
1Tt / 1Tan 27:31 And over the flocks was Jaziz the Hagerite. All these were the rulers of the substance which was king David' s. ary ny tonian' ny ondry aman' osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian' ny fananan' i Davida mpanjaka. Jaziza Agareniana no amin' ny ondry. Ireo rehetra ireo no tonian' ny fananan' i Davida mpanjaka. Responsable du petit bétail : Yaziz, le Hagrite. Tous ceux-là furent les responsables des biens appartenant au roi David.
1Tt / 1Tan 27:32 Also Jonathan David' s uncle was a counsellor, a wise man, and a scribe: and Jehiel the son of Hachmoni was with the king' s sons: Ary Jonatana, rahalahin-drain' i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak' i Hakmony, dia teo amin' ny zanaky ny mpanjaka; Jonatàna, rahalahin-drain' i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sy be fahalalana izy; Jahiela, zanak' i Hakamonì, no teo amin' ny zanaky ny mpanjaka. Yehonatân, oncle de David, conseiller, homme avisé, et scribe, s' occupait des enfants du roi avec Yehiel, fils d' Hakmoni.
1Tt / 1Tan 27:33 And Ahithophel was the king' s counsellor: and Hushai the Archite was the king' s companion: ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan' ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an' i Ahitofela dia Joiada, zanak' i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin' ny miaramilan' ny mpanjaka dia Joaba. Akitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka, ary Kosaì, Arkeana, dia sakaizan' ny mpanjaka; Ahitophel était conseiller du roi. Hushaï l' Arkite était ami du roi.
1Tt / 1Tan 27:34 And after Ahithophel was Jehoiada the son of Benaiah, and Abiathar: and the general of the king' s army was Joab. manarakaraka an' i Akitofela dia Joiadà, zanak' i Banaiasa, sy Abiatara. Joaba no komandin' ny tafiky ny mpanjaka. Yehoyada, fils de Benayahu, et Ébyatar succédèrent à Ahitophel. Joab était le général des armées du roi.

<-
->