<-
->

1Tt / 1Tan 24:1 Now these are the divisions of the sons of Aaron. The sons of Aaron; Nadab, and Abihu, Eleazar, and Ithamar. Ary ny amin' ny taranak' i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin' i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara; Ny amin' ny taranak' i Aarona, dia izao no antokony; zanakalahin' i Aarona: Nadaba, Abiò, Eleazara, ary Itamara. Classes des fils d' Aaron : fils d' Aaron : Nadab, Abihu, Éléazar et Itamar.
1Tt / 1Tan 24:2 But Nadab and Abihu died before their father, and had no children: therefore Eleazar and Ithamar executed the priest' s office. fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana. Nadaba sy Abiò, maty talohan-drainy, tsy nitera-dahy, ary Eleazara sy Itamara nanao ny raharahan' ny fisoronana. Nadab et Abihu moururent en présence de leur père sans laisser de fils et c' est Éléazar et Itamar qui devinrent prêtres.
1Tt / 1Tan 24:3 And David distributed them, both Zadok of the sons of Eleazar, and Ahimelech of the sons of Ithamar, according to their offices in their service. Ary Davida sy Zadoka, isan' ny taranak' i Eleazara, sy Ahimeleka, isan' ny taranak' Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy. Davida, Sadaoka, taranak' i Eleazara, sy Akimeleka, taranak' Itamara, dia nizarazara ny taranak' i Aarona ho antokotokony arakaraka ny fanompoany. David les répartit en classes, ainsi que Sadoq, l' un des fils d'Éléazar, et Ahimélek, l' un des fils d' Itamar, et les recensa selon leurs services.
1Tt / 1Tan 24:4 And there were more chief men found of the sons of Eleazar than of the sons of Ithamar, and thus were they divided. Among the sons of Eleazar there were sixteen chief men of the house of their fathers, and eight among the sons of Ithamar according to the house of their fathers. Ary ny lohany tamin' ireo, dia tamin' ny taranak' i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin' ny taranak' Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin' ny taranak' i Eleazara dia enina ambin' ny folo no lohan' ny fianakaviana; ary tamin' ny taranak' Itamara dia valo kosa no lohan' ny fianakaviana. Nisy lohany maromaro kokoa noho ny taranak' Itamara, ny taranak' i Eleazara, ka dia toy izao no nizarana azy: loham-pianakaviana enina ambin' ny folo ny tamin' ny taranak' i Eleazara, ary loham-pianakaviana valo ny tamin' ny taranak' Itamara. Les fils d'Éléazar se trouvèrent avoir plus de chefs de preux que les fils d' Itamar; on forma seize classes avec les chefs de famille des fils d'Éléazar et huit avec les chefs de famille des fils d' Itamar.
1Tt / 1Tan 24:5 Thus were they divided by lot, one sort with another; for the governors of the sanctuary, and governors of the house of God, were of the sons of Eleazar, and of the sons of Ithamar. Ary samy nozarazaraina tamin' ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho an' Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin' ny taranak' i Eleazara, na ny avy tamin' ny taranak' Itamara. Samy natao tamin' ny filokàna ny fizarazarana azy ireo avy, satria na ny tamin' ny taranak' i Eleazara na ny tamin' ny taranak' Itamara, dia samy nisy filohany momba ny fitoerana masina, sy filohany amin' ny momba an' Andriamanitra. On les répartit au sort, les uns comme les autres; il y eut des officiers consacrés, des officiers de Dieu, parmi les fils d'Éléazar, comme parmi les fils d' Itamar.
1Tt / 1Tan 24:6 And Shemaiah the son of Nethaneel the scribe, one of the Levites, wrote them before the king, and the princes, and Zadok the priest, and Ahimelech the son of Abiathar, and before the chief of the fathers of the priests and Levites: one principal household being taken for Eleazar, and one taken for Ithamar. Ary Semaia, zanak' i Netanela, mpanoratra anankiray tamin' ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan' ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak' i Abiatara, sy teo anatrehan' ny lohan' ny fianakaviana tamin' ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an' i Eleazara, ary iray kosa ho an' Itamara. Semeiasa zanak' i Natanaela mpanoratra, anankiray tamin' ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan' ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan' i Sadaoka mpisorona, sy Akimeleka zanak' i Abiatara, ary teo anatrehan' ny loham-pianakavian' ny mpisorona sy ny Levita; amin' ny filokana, maka fianakaviana iray avy amin' i Eleazara, dia iray avy amin' Itamara. L' un des lévites, le scribe Shemaya, fils de Netanéel, les inscrivit en présence du roi, des officiers, du prêtre Sadoq, d' Ahimélek fils d'Ébyatar, des chefs de familles sacerdotales et lévitiques; on tirait une fois au sort pour chaque famille des fils d'Éléazar, toutes les deux fois pour les fils d' Itamar.
1Tt / 1Tan 24:7 Now the first lot came forth to Jehoiarib, the second to Jedaiah, Ny loka voalohany dia azon' i Joariba, ny faharoa an' i Jedaia, Azon' i Joiariba ny loka voalohany, an' i Jedeia ny faharoa, Yehoyarib fut le premier sur qui tomba le sort, Yedaya le second,
1Tt / 1Tan 24:8 The third to Harim, the fourth to Seorim, ny fahatelo an' i Harima, ny fahefatra an' i Seorima, an' i Harima ny fahatelo, an' i Seorima ny fahefatra, Harim le troisième, Séorim le quatrième,
1Tt / 1Tan 24:9 The fifth to Malchijah, the sixth to Mijamin, ny fahadimy an' i Malkia, ny fahenina an' i Miamina, an' i Melkià ny fahadimy, an' i Maimàna ny fahenina, Malkiyya le cinquième, Miyyamîn le sixième,
1Tt / 1Tan 24:10 The seventh to Hakkoz, the eighth to Abijah, ny fahafito an' i Hakoza, ny fahavalo an' i Abia, an' i Akosa ny fahafito, an' i Abià ny fahavalo, Haqqoç le septième, Abiyya le huitième,
1Tt / 1Tan 24:11 The ninth to Jeshuah, the tenth to Shecaniah, ny fahasivy an' i Jesoa, ny fahafolo an' i Sekania. an' i Jesoà ny fahasivy, an' i Sekenià ny fahafolo, Yéshua le neuvième, Shekanyahu le dixième,
1Tt / 1Tan 24:12 The eleventh to Eliashib, the twelfth to Jakim, ny fahiraika ambin' ny folo an' i Eliasiba, ny faharoa ambin' ny folo an' i Jakima, an' i Elasiba ny faharaika ambin' ny folo, an' i Jakima ny faharoa ambin' ny folo, Élyashib le onzième, Yaqim le douzième,
1Tt / 1Tan 24:13 The thirteenth to Huppah, the fourteenth to Jeshebeab, ny fahatelo ambin' ny folo an' i Hopa, ny fahefatra ambin' ny folo an' i Jesebaba, an' i Hopfà ny fahatelo ambin' ny folo, an' Isbaaba ny fahefatra ambin' ny folo, Huppa le treizième, Ishbaal le quatorzième,
1Tt / 1Tan 24:14 The fifteenth to Bilgah, the sixteenth to Immer, ny fahadimy ambin' ny folo an' i Bilga, ny fahenina ambin' ny folo an' Imera, an' i Belgà ny fahadimy ambin' ny folo, an' i Emmera ny fahenina ambin' ny folo, Bilga le quinzième, Immér le seizième,
1Tt / 1Tan 24:15 The seventeenth to Hezir, the eighteenth to Aphses, ny fahafito ambin' ny folo an' i Hezira, ny fahavalo ambin' ny folo an' i Hafizeza, an' i Hezira ny fahafito ambin' ny folo, an' i Afresa ny fahavalo ambin' ny folo, Hézir le dix-septième, Happiçèç le dix-huitième,
1Tt / 1Tan 24:16 The nineteenth to Pethahiah, the twentieth to Jehezekel, ny fahasivy ambin' ny folo an' i Petahia, ny faharoa-polo an' i Jehezekela, an' i Feteià ny fahasivy ambin' ny folo, an' i Hezekiela ny faharoapolo, Petahya le dix-neuvième, Yehèzqel le vingtième,
1Tt / 1Tan 24:17 The one and twentieth to Jachin, the two and twentieth to Gamul, ny fahiraika amby roa-polo an' i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an' i Gamola, an' i Jakina ny faharaika amby roapolo, an' i Gamola ny faharoa amby roapolo, Yakîn le vingt et unième, Gamul le vingt-deuxième,
1Tt / 1Tan 24:18 The three and twentieth to Delaiah, the four and twentieth to Maaziah. ny fahatelo amby roa-polo an' i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an' i Mazia. an' i Dalajao ny fahatelo amby roapolo, an' i Maziao ny fahefatra amby roapolo. Delayahu le vingt-troisième, Maazyahu le vingt-quatrième.
1Tt / 1Tan 24:19 These were the orderings of them in their service to come into the house of the Lord, according to their manner, under Aaron their father, as the Lord God of Israel had commanded him. Ireo avy no antokony amin' ny fanompoany izay idirany ao an-tranon' i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin' i Arona rainy, araka ny nandidian' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy. Toy izany no antokony nizarazarana azy ireo, araka ny fanompoany, mba ho tonga ao an-tranon' ny Tompo, araka ny fandaharana nomena azy, tamin' ny alàlan' i Aarona, rainy, araka ny didy nomen' ny Tompo Andriamanitr' Israely azy. Tels sont ceux qui furent recensés selon leur service, pour entrer dans le Temple de Yahvé, conformément à leur règle, règle transmise par Aaron, leur père, comme le lui avait prescrit Yahvé, Dieu d' Israël.
1Tt / 1Tan 24:20 And the rest of the sons of Levi were these: Of the sons of Amram; Shubael: of the sons of Shubael; Jehdeiah. Ary tamin' ny taranak' i Levy sisa dia izao; Tamin' ny taranak' i Amrama dia Sobaela; tamin' ny zanak' i Sobaela dia Jedala. Izao kosa ny amin' ny filohan' ny Levita sisa: tamin' ny taranak' i Amrama, Sobaela; tamin' ny taranak' i Sobaela, Jehedeià; Quant aux autres fils de Lévi : Pour les fils de Amram : Shubaèl. Pour les fils de Shubaèl, Yéhdeyahu.
1Tt / 1Tan 24:21 Concerning Rehabiah: of the sons of Rehabiah, the first was Isshiah. Ny amin' i Rehabia: tamin' ny taranak' i Rehabia dia Jisia no voalohany. tamin' ny taranak' i Rohobià, Jesiasa filohany; Pour Rehabyahu, pour les fils de Rehabyahu, l' aîné Yishshiyya.
1Tt / 1Tan 24:22 Of the Izharites; Shelomoth: of the sons of Shelomoth; Jahath. Tamin' ny Jizarita dia Selomota; tamin' ny taranak' i Selomota dia Jahata. tamin' ny Isaarita, Salemota, tamin' ny taranak' i Salemota, Jahata. Pour les Yiçharites, Shelomot; pour les fils de Shelomot, Yahat.
1Tt / 1Tan 24:23 And the sons of Hebron; Jeriah the first, Amariah the second, Jahaziel the third, Jekameam the fourth. Ary ny amin' ny taranak' i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra. Zanakalahin' i Hebrona: Jeriao no voalohany, Amariasa faharoa, Jahaziela fahatelo, Jekmaàna fahefatra. Fils de Hébrôn : Yeriyya le premier, Amaryahu le second, Yahaziel le troisième, Yeqaméam le quatrième.
1Tt / 1Tan 24:24 Of the sons of Uzziel; Michah: of the sons of Michah; Shamir. Ny zanakalahin' i Oziela dia Mika; tamin' ny taranak' i Mika dia Samira; Zanakalahin' i Oziela: Mikà; tamin' ny taranak' i Mika, Samira. Fils de Uzziel : Mika; pour les fils de Mika, Shamir;
1Tt / 1Tan 24:25 The brother of Michah was Isshiah: of the sons of Isshiah; Zechariah. ny rahalahin' i Mika dia Jisia; tamin' ny taranak' i Jisia dia Zakaria. Rahalahin' i Mikà: Jesià; zanak' i Jesià: Zakariasa. frère de Mika, Yishshiyya; pour les fils de Yishshiyya, Zekaryahu.
1Tt / 1Tan 24:26 The sons of Merari were Mahli and Mushi: the sons of Jaaziah; Beno. Ny zanakalahin' i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin' i Jazia dia Beno. Zanakalahin' i Merarì: Moholì sy Mosì; zanakalahin' i Merarì tamin' i Oziao zanany: Saama, Zakora ary Hebrì. Fils de Merari : Mahli et Mushi. Fils de Yaaziyyahu, son fils;
1Tt / 1Tan 24:27 The sons of Merari by Jaaziah; Beno, and Shoham, and Zaccur, and Ibri. Ny zanakalahin' i Merary tamin' i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry. Avy amin' i Moholì, Eleazara izay tsy nitera-dahy; fils de Merari : pour Yaaziyyahu son fils : Shoham, Zakkur et Ibri;
1Tt / 1Tan 24:28 Of Mahli came Eleazar, who had no sons. Avy tamin' i Maly no nihavian' i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy. avy amin' i Kisa, ny zanakalahin' i Kisa: Jerameela. pour Mahli, Éléazar qui n' eut pas de fils;
1Tt / 1Tan 24:29 Concerning Kish: the son of Kish was Jerahmeel. Ny amin' i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela. Zanakalahin' i Mosì: Moholì, Edera ary Jerimota. pour Qish : fils de Qish, Yerahméel.
1Tt / 1Tan 24:30 The sons also of Mushi; Mahli, and Eder, and Jerimoth. These were the sons of the Levites after the house of their fathers. Ary ny zanakalahin' i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy. Ireo taranak' i Levì, araka ny fianakaviany avy. Izy ireo koa toraka ireo taranak' i Aarona rahalahiny, dia nanao ny filokana teo anatrehan' i Davida mpanjaka sy Sadaoka, sy Akimeleka, mbamin' ireo loham-pianakavian' ny mpisorona sy ny Levita, dia natao mitovy amin' ny zokiny ela indrindra, ny zandriny vao haingana indrindra. Fils de Mushi : Mahli, Éder, Yerimot. Tels furent les fils de Lévi, répartis par familles.
1Tt / 1Tan 24:31 These likewise cast lots over against their brethren the sons of Aaron in the presence of David the king, and Zadok, and Ahimelech, and the chief of the fathers of the priests and Levites, even the principal fathers over against their younger brethren. Ary ireo dia mba niara-niloka tamin' ny rahalahiny, taranak' i Arona, teo anatrehan' i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan' ny fianakavian' ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny. Comme les fils d' Aaron, leurs frères, ils tirèrent au sort en présence du roi David, de Sadoq, d' Ahimélek, et des chefs de familles sacerdotales et lévitiques, les premières familles comme les plus petites.

<-
->