<-
->

Gen / Jen 35:1 And God said unto Jacob, Arise, go up to Bethel, and dwell there: and make there an altar unto God, that appeared unto thee when thou fleddest from the face of Esau thy brother. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Jakoba : Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an' Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan' i Esao rahalahinao. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Jakoba: Andeha hianao miakatra an' i Betela ka monèna any, manangàna otely any, ho an' ilay Andriamanitra niseho taminao, fony hianao nandositra teo anoloan' i Esao, rahalahinao. Dieu dit à Jacob : Debout ! Monte à Béthel et fixe-toi là-bas. Tu y feras un autel au Dieu qui t' est apparu lorsque tu fuyais la présence de ton frère Ésaü.
Gen / Jen 35:2 Then Jacob said unto his household, and to all that were with him, Put away the strange gods that are among you, and be clean, and change your garments: Dia hoy Jakoba tamin' izay tao an-tranony mbamin' izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo; Dia hoy Jakoba tamin' ny fianakaviany, sy tamin' izay rehetra nomba azy: Ario ny andriamani-kafa izay eo aminareo; mandiova tena hianareo, ary soloy ny fitafianareo. Jacob dit à sa famille et à tous ceux qui étaient avec lui : Otez les dieux étrangers qui sont au milieu de vous, purifiez-vous et changez vos vêtements.
Gen / Jen 35:3 And let us arise, and go up to Bethel; and I will make there an altar unto God, who answered me in the day of my distress, and was with me in the way which I went. ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an' Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin' ny andron' ny fahoriako ary nomba ahy tamin' ny lalana izay nalehako. Fa hiainga isika hiakatra ho any Betela. Hanangana otely any aho, ho an' ilay Andriamanitra izay nihaino ahy tamin' ny andron' ny fahoriako, sy nomba ahy tamin' ny làlana nalehako. Partons et montons à Béthel ! J' y ferai un autel au Dieu qui m' a exaucé lorsque j'étais dans l' angoisse et m' a assisté dans le voyage que j' ai fait.
Gen / Jen 35:4 And they gave unto Jacob all the strange gods which were in their hand, and all their earrings which were in their ears; and Jacob hid them under the oak which was by Shechem. Dia natolony teo amin' i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin' i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin' i Sekema ireo. Dia natolotr' izy ireo an' i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra teo an-tànany, sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin' i Jakoba teo am-pototry ny terebinta izay ao Sikema. Ils donnèrent à Jacob tous les dieux étrangers qu' ils possédaient et les anneaux qu' ils portaient aux oreilles, et Jacob les enfouit sous le chêne qui est près de Sichem.
Gen / Jen 35:5 And they journeyed: and the terror of God was upon the cities that were round about them, and they did not pursue after the sons of Jacob. Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin' Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak' i Jakoba izy. Dia lasa izy ireo; ary azon' ny tahotra mafy avy amin' Andriamanitra ny tanàna, eny amin' ny manodidina eny, ka tsy nisy nanenjika ny zanak' i Jakoba. Ils levèrent le camp et une terreur divine tomba sur les villes d' alentour : on ne poursuivit pas les fils de Jacob.
Gen / Jen 35:6 So Jacob came to Luz, which is in the land of Canaan, that is, Bethel, he and all the people that were with him. Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin' ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. Ary Jakoba sy ny olona rehetra nomba azy tonga tany Loza any amin' ny tany Kanaana, dia Betela izany. Jacob arriva à Luz, au pays de Canaan, - c' est Béthel, - lui et tous les gens qu' il avait.
Gen / Jen 35:7 And he built there an altar, and called the place Elbethel: because there God appeared unto him, when he fled from the face of his brother. Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran' izany tany izany; fa teo no nisehoan' Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan' ny rahalahiny. Dia nanorina otely teo izy, ka nataony hoe El-Betela ny anaran' io tany io, satria teo no nisehoan' Andriamanitra taminy, fony izy nandositra teo anoloan' ny rahalahiny. Là, il construisit un autel et appela le lieu El Béthel, car Dieu s' y était révélé à lui lorsqu' il fuyait la présence de son frère.
Gen / Jen 35:8 But Deborah Rebekah' s nurse died, and she was buried beneath Bethel under an oak: and the name of it was called Allonbachuth. Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr' i Betela, teo ambanin' ny hazo ôka; ary ny anaran' io dia nataony hoe Alona-bakota. Ary maty Deborà, mpitaiza an-dRebekà, ka naleviny teo ambanin' i Betela am-pototry ny oaka anankiray izay nomena anarana hoe Oakan-dranomaso. Alors mourut Débora, la nourrice de Rébecca, et elle fut ensevelie au-dessous de Béthel, sous le chêne; aussi l' appela-t-on le Chêne-des-Pleurs.
Gen / Jen 35:9 And God appeared unto Jacob again, when he came out of Padanaram, and blessed him. Ary Andriamanitra niseho indray tamin' i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy. Niseho tamin' i Jakoba indray koa Andriamanitra nony tafaverina avy any Padan-Arama izy, sady nitso-drano azy. Dieu apparut encore à Jacob, à son retour de Paddân-Aram, et il le bénit.
Gen / Jen 35:10 And God said unto him, Thy name is Jacob: thy name shall not be called any more Jacob, but Israel shall be thy name: and he called his name Israel. Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany. Hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao, nefa tsy hatao Jakoba intsony hianao, fa Israely no ho anaranao. Dia nataony hoe Israely no anarany. Dieu lui dit : Ton nom est Jacob, mais on ne t' appellera plus Jacob, ton nom sera Israël. Aussi l' appela-t-on Israël.
Gen / Jen 35:11 And God said unto him, I am God Almighty: be fruitful and multiply; a nation and a company of nations shall be of thee, and kings shall come out of thy loins; Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin' ny haterakao; Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra. Maroa fara sy mitomboa; firenena sy fikambanam-pirenena no ho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin' izay haloaky ny kibonao. Dieu lui dit : Je suis El Shaddaï. Sois fécond et multiplie. Une nation, une assemblée de nations naîtra de toi et des rois sortiront de tes reins.
Gen / Jen 35:12 And the land which I gave Abraham and Isaac, to thee I will give it, and to thy seed after thee will I give the land. ary ny tany izay nomeko an' i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany. Ny tany nomeko an' i Abrahama sy Isaaka, dia homeko anao, ary homeko ny taranakao mandimby anao izany tany izany. Le pays que j' ai donné à Abraham et à Isaac, je te le donne, et à ta postérité après toi je donnerai ce pays.
Gen / Jen 35:13 And God went up from him in the place where he talked with him. Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin' ilay niresahany taminy. Dia niakatra Andriamanitra niala taminy teo amin' ilay fitoerana niresahany taminy. Et Dieu remonta d' auprès de lui.
Gen / Jen 35:14 And Jacob set up a pillar in the place where he talked with him, even a pillar of stone: and he poured a drink offering thereon, and he poured oil thereon. Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin' ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa. Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo amin' ilay fitoerana niresahany taminy, ka nandraraka fanatitra araraka teo amboniny, sy nandrotsaka diloilo teo. Jacob dressa une stèle à l' endroit où il lui avait parlé, une stèle de pierre, sur laquelle il fit une libation et versa de l' huile.
Gen / Jen 35:15 And Jacob called the name of the place where God spake with him, Bethel. Ary ny anaran' ny tany izay niresahan' Andriamanitra taminy dia nataon' i Jakoba hoe Betela. Nataony hoe Betela ny anaran' ny tany niresahan' Andriamanitra taminy. Et Jacob donna le nom de Béthel au lieu où Dieu lui avait parlé.
Gen / Jen 35:16 And they journeyed from Bethel; and there was but a little way to come to Ephrath: and Rachel travailed, and she had hard labour. Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny. Dia niala teo Betela izy; ary nony mbola lavidavitra ihany vao ho tonga tao Efratà, dia teraka Rasela sady sarotiny erý. Ils partirent de Béthel. Il restait un bout de chemin pour arriver à Éphrata quand Rachel accoucha. Ses couches furent pénibles
Gen / Jen 35:17 And it came to pass, when she was in hard labour, that the midwife said unto her, Fear not; thou shalt have this son also. Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao. Ka hoy ny mpampivelona taminy, nandritra ny fanaintainana nahazo azy teo am-piterahana: Aza matahotra fa indro hahazo zazalahy indray koa hianao. et, comme elle accouchait difficilement, la sage-femme lui dit : Rassure-toi, c' est encore un fils que tu as !
Gen / Jen 35:18 And it came to pass, as her soul was in departing, (for she died) that she called his name Benoni: but his father called him Benjamin. Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina. Nony efa hiala ny ainy, fa efa ho faty izy, dia nataony hoe Benonì ny anarany, fa rainy kosa nanao azy hoe Benjamina. Au moment de rendre l'âme, car elle se mourait, elle le nomma Ben-Oni, mais son père l' appela Benjamin.
Gen / Jen 35:19 And Rachel died, and was buried in the way to Ephrath, which is Bethlehem. Dia maty Rahely ka nalevina teo amin' ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). Dia maty Rasela, ka nalevina teo amin' ny làlana mankany Efratà dia Betleema izany. Rachel mourut et fut enterrée sur le chemin d'Éphrata - C' est Bethléem.
Gen / Jen 35:20 And Jacob set a pillar upon her grave: that is the pillar of Rachel' s grave unto this day. Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin' ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin' ny fasan-dRahely mandraka androany. Nanorina tsangam-bato teo ambony fasany Jakoba, dia ilay tsangam-baton' i Fasan-dRasela, izay mbola eo mandrak' androany. Jacob dressa une stèle sur son tombeau; c' est la stèle du tombeau de Rachel, qui existe encore aujourd' hui.
Gen / Jen 35:21 And Israel journeyed, and spread his tent beyond the tower of Edar. Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr' i Migdaledera. Niainga indray Israely, dia niorin-day tao ambadik' i Magdala-Edera. Israël partit et planta sa tente au-delà de Migdal-Édèr.
Gen / Jen 35:22 And it came to pass, when Israel dwelt in that land, that Reuben went and lay with Bilhah his father' s concubine: and Israel heard it. Now the sons of Jacob were twelve: Ary raha nonina teo amin' izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin' i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely. Raha mbola nipetraka teo amin' izany tany izany Israely dia avy Robena ka nandry tamin' i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany Israely. Roa ambin' ny folo no isan' ny zanakalahin' i Jakoba. Pendant qu' Israël habitait dans cette région, Ruben alla coucher avec Bilha, la concubine de son père, et Israël l' apprit. Les fils de Jacob furent au nombre de douze.
Gen / Jen 35:23 The sons of Leah; Reuben, Jacob' s firstborn, and Simeon, and Levi, and Judah, and Issachar, and Zebulun: Ary ny zanakalahin' i Jakoba dia roa ambin' ny folo mirahalahy: ny zanak' i Lea dia Robena, lahimatoan' i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona; Zanak' i Lià: Robena, lahimatoan' i Jakoba, Simeona, Levì, Jodà, Isakara ary Zabolona. Les fils de Léa : le premier-né de Jacob, Ruben, puis Siméon, Lévi, Juda, Issachar et Zabulon.
Gen / Jen 35:24 The sons of Rachel; Joseph, and Benjamin: ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina; Zana-dRasela: Josefa sy Benjamina. Les fils de Rachel : Joseph et Benjamin.
Gen / Jen 35:25 And the sons of Bilhah, Rachel' s handmaid; Dan, and Naphtali: ary ny zanak' i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly; Zanak' i Balà, ankizivavin-dRasela: Dana sy Neftalia. Les fils de Bilha, la servante de Rachel : Dan et Nephtali.
Gen / Jen 35:26 And the sons of Zilpah, Leah' s handmaid: Gad, and Asher: these are the sons of Jacob, which were born to him in Padanaram. ary ny zanak' i Zilpa, ankizivavin' i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin' i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia. Zanak' i Zelfah, ankizivavin' i Lià: Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin' i Jakoba, naterany tany Padan-Arama. Les fils de Zilpa, la servante de Léa : Gad et Asher. Tels sont les fils qui furent enfantés à Jacob en Paddân-Aram.
Gen / Jen 35:27 And Jacob came unto Isaac his father unto Mamre, unto the city of Arbah, which is Hebron, where Abraham and Isaac sojourned. Ary Jakoba nankany amin' Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian' i Abrahama sy Isaka. Ary Jakoba tonga tany amin' Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat-Arabe; dia Hebròna izany, izay nitoeran' i Abrahama sy Isaaka. Jacob arriva chez son père Isaac, à Mambré, à Qiryat-Arba, - c' est Hébron, - où séjournèrent Abraham et Isaac.
Gen / Jen 35:28 And the days of Isaac were an hundred and fourscore years. Ary ny andro niainan' Isaka dia valo-polo amby zato taona. Valo-polo amby zato taona no andro niainan' Isaaka. La durée de la vie d' Isaac fut de cent quatre-vingts ans,
Gen / Jen 35:29 And Isaac gave up the ghost, and died, and was gathered unto his people, being old and full of days: and his sons Esau and Jacob buried him. Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin' ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy. Dia niala aina Isaaka, ka maty, ary nakambana tamin' ny razany; tratrantitra sy lava andro niainana izy. Niara-nandevina azy Esao sy Jakoba, zanany. et Isaac expira. Il mourut et il fut réuni à sa parenté, âgé et rassasié de jours; ses fils Ésaü et Jacob l' ensevelirent.

<-
->