<-
->

Gen / Jen 7:1 And the Lord said unto Noah, Come thou and all thy house into the ark; for thee have I seen righteous before me in this generation. Ary hoy Jehovah tamin' i Noa: Midira ao anatin' ny sambo-fiara ianao mbamin' ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin' izao olona miara-belona aminao izao. Hoy Iaveh tamin' i Noe: Midira ao an-tsambo fiara hianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin' izao olona miara-belona aminao izao, dia hianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako. Yahvé dit à Noé : Entre dans l' arche, toi et toute ta famille, car je t' ai vu seul juste à mes yeux parmi cette génération.
Gen / Jen 7:2 Of every clean beast thou shalt take to thee by sevens, the male and his female: and of beasts that are not clean by two, the male and his female. Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy; Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy, no halainao ho ao aminao; ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao; De tous les animaux purs, tu prendras sept paires, le mâle et sa femelle; des animaux qui ne sont pas purs, tu prendras un couple, le mâle et sa femelle
Gen / Jen 7:3 Of fowls also of the air by sevens, the male and the female; to keep seed alive upon the face of all the earth. ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin' ny tany rehetra ireny. ny voro-manidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany tsy ho faty eto ambonin' ny tany, lahy sy vavy. et aussi des oiseaux du ciel, sept paires, le mâle et sa femelle, pour perpétuer la race sur toute la terre.
Gen / Jen 7:4 For yet seven days, and I will cause it to rain upon the earth forty days and forty nights; and every living substance that I have made will I destroy from off the face of the earth. Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin' ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin' ny tany. Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin' ny tany aho, mandritra ny efa-polo andro sy efa-polo alina; ka hofongorako eo ambonin' ny tany ny zavatra rehetra nataoko. Car encore sept jours et je ferai pleuvoir sur la terre pendant quarante jours et quarante nuits et j' effacerai de la surface du sol tous les êtres que j' ai faits.
Gen / Jen 7:5 And Noah did according unto all that the Lord commanded him. Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian' i Jehovah azy. Notanterahin' i Noe avokoa izay rehetra nasain' ny Tompo hataony. Noé fit tout ce que Yahvé lui avait commandé.
Gen / Jen 7:6 And Noah was six hundred years old when the flood of waters was upon the earth. Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin' ny tany ny safo-drano. Efa enin-jato taona izy tamin' ny nahatongavan' ny safo-drano nanafotra ny tany. Noé avait six cents ans quand arriva le déluge, les eaux sur la terre.
Gen / Jen 7:7 And Noah went in, and his sons, and his wife, and his sons' wives with him, into the ark, because of the waters of the flood. Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin' ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin' ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano. Niditra tao an-tsambo fiara Noe mbamin' ny zanany sy ny vadiny ary ny vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safo-drano. Noé - avec ses fils, sa femme et les femmes de ses fils - entra dans l' arche pour échapper aux eaux du déluge.
Gen / Jen 7:8 Of clean beasts, and of beasts that are not clean, and of fowls, and of every thing that creepeth upon the earth, Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin' izay rehetra mandady na mikisaka amin' ny tany, Ny biby madio sy ny tsy madio, ny vorona sy izay rehetra mikisaka amin' ny tany; Des animaux purs et des animaux qui ne sont pas purs, des oiseaux et de tout ce qui rampe sur le sol,
Gen / Jen 7:9 There went in two and two unto Noah into the ark, the male and the female, as God had commanded Noah. dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin' i Noa tao anatin' ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian' Andriamanitra an' i Noa. dia samy nanatona tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin' i Noe, ao an-tsambo fiara, araka ny nandidian' Andriamanitra an' i Noe. un couple entra dans l' arche de Noé, un mâle et une femelle, comme Dieu avait ordonné à Noé.
Gen / Jen 7:10 And it came to pass after seven days, that the waters of the flood were upon the earth. Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin' ny tany ny safo-drano. Ary nony afaka fito andro dia nibosasaka teto ambonin' ny tany ny safo-drano. Au bout de sept jours, les eaux du déluge vinrent sur la terre.
Gen / Jen 7:11 In the six hundredth year of Noah' s life, in the second month, the seventeenth day of the month, the same day were all the fountains of the great deep broken up, and the windows of heaven were opened. Tamin' ny andro fahafito ambin' ny folo tamin' ny volana faharoa tamin' ny fahenin-jato taona niainan' i Noa, tamin' izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin' ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran' ny lanitra. Tamin' ny taona fahenin-jato niainan' i Noe, tamin' ny volana faharoa, andro fahafito ambin' ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin' ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon' ny lanitra, En l' an six cent de la vie de Noé, le second mois, le dix-septième jour du mois, ce jour-là jaillirent toutes les sources du grand abîme et les écluses du ciel s' ouvrirent.
Gen / Jen 7:12 And the rain was upon the earth forty days and forty nights. Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin' ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina. ary nilatsaka tamin' ny tany ny ranonorana nandritra ny efa-polo andro sy efa-polo alina. La pluie tomba sur la terre pendant quarante jours et quarante nuits.
Gen / Jen 7:13 In the selfsame day entered Noah, and Shem, and Ham, and Japheth, the sons of Noah, and Noah' s wife, and the three wives of his sons with them, into the ark; Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin' ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin' i Noa, mbamin' ny vadin' i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy; Tamin' izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara Noe, nomban' i Sema sy Kama ary Jafeta, zanakalahin' i Noe, ary ny vadin' i Noe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy; Ce jour même, Noé et ses fils, Sem, Cham et Japhet, avec la femme de Noé et les trois femmes de ses fils, entrèrent dans l' arche,
Gen / Jen 7:14 They, and every beast after his kind, and all the cattle after their kind, and every creeping thing that creepeth upon the earth after his kind, and every fowl after his kind, every bird of every sort. dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra. dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin' ny tany isan-karazany, ary ny voro-manidina rehetra isan-karazany, ny voronkely, ny manan' elatra rehetra. et avec eux les bêtes sauvages de toute espèce, les bestiaux de toute espèce, les bestioles de toute espèce qui rampent sur la terre, les volatiles de toute espèce, tous les oiseaux, tout ce qui a des ailes.
Gen / Jen 7:15 And they went in unto Noah into the ark, two and two of all flesh, wherein is the breath of life. Dia niditra tao amin' i Noa tao anatin' ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin' ny nofo rehetra izay manam-pofonaina. Nanatona tsiroaroa izy ireo avy amin' ny nofo rehetra manam-pofon' aina nankeo amin' i Noe tao an-tsambo fiara. Auprès de Noé, entra dans l' arche un couple de tout ce qui est chair, ayant souffle de vie,
Gen / Jen 7:16 And they that went in, went in male and female of all flesh, as God had commanded him: and the Lord shut him in. Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin' ny nofo rehetra, araka izay nandidian' Andriamanitra an' i Noa; ary narindrin' i Jehovah tao izy. Lahy sy vavy avy amin' ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian' Andriamanitra an' i Noe. Dia narindrin' ny Tompo teo ivohony ny varavarana. et ceux qui entrèrent étaient un mâle et une femelle de tout ce qui est chair, comme Dieu le lui avait commandé. Et Yahvé ferma la porte sur Noé.
Gen / Jen 7:17 And the flood was forty days upon the earth; and the waters increased, and bare up the ark, and it was lift up above the earth. Ary naharitra efa-polo andro tambonin' ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin' ny tany izy. Naharitra efa-polo andro teo amin' ny tany ny safo-drano. Nitombo be ny rano dia naingainy ny sambo fiara, ary nisavoana tambonin' ny tany. Il y eut le déluge pendant quarante jours sur la terre; les eaux grossirent et soulevèrent l' arche, qui fut élevée au-dessus de la terre.
Gen / Jen 7:18 And the waters prevailed, and were increased greatly upon the earth; and the ark went upon the face of the waters. Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin' ny tany; dia nandeha teny ambonin' ny rano ny sambo-fiara. Mbola nitombo ny rano, ka nisondrotra dia nisondrotra tao amin' ny tany, ary ny sambo fiara nitsinkafona teny ambonin' ny rano. Les eaux montèrent et grossirent beaucoup sur la terre et l' arche s' en alla à la surface des eaux.
Gen / Jen 7:19 And the waters prevailed exceedingly upon the earth; and all the high hills, that were under the whole heaven, were covered. Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin' ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin' ny lanitra rehetra. Nony efa nisondrotra teo ihany ny rano dia voasarony avokoa ny tendrombohitra avo rehetra, tambanin' ny lanitra manontolo. Les eaux montèrent de plus en plus sur la terre et toutes les plus hautes montagnes qui sont sous tout le ciel furent couvertes.
Gen / Jen 7:20 Fifteen cubits upward did the waters prevail; and the mountains were covered. Dimy ambin' ny folo hakiho no nihoaran' ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra. Ka tafasondrotra dimy ambin' ny folo hakiho nihoatra ny tendrombohitra voasarony izy. Les eaux montèrent quinze coudées plus haut, recouvrant les montagnes.
Gen / Jen 7:21 And all flesh died that moved upon the earth, both of fowl, and of cattle, and of beast, and of every creeping thing that creepeth upon the earth, and every man: Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin' ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany ary ny olona rehetra. Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin' ny tany ary ny olombelona rehetra. Alors périt toute chair qui se meut sur la terre : oiseaux, bestiaux, bêtes sauvages, tout ce qui grouille sur la terre, et tous les hommes.
Gen / Jen 7:22 All in whose nostrils was the breath of life, of all that was in the dry land, died. Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin' izay rehetra teo amin' ny tany maina, dia maty avokoa. Maty daholo rahefa mety ho zavatra mitoetra amin' ny tany maina, rahefa mety ho zava-manam-pofon' aina teo am-bavorony. Tout ce qui avait une haleine de vie dans les narines, c' est-à-dire tout ce qui était sur la terre ferme, mourut.
Gen / Jen 7:23 And every living substance was destroyed which was upon the face of the ground, both man, and cattle, and the creeping things, and the fowl of the heaven; and they were destroyed from the earth: and Noah only remained alive, and they that were with him in the ark. Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin' ny tany, hatramin' ny olona ka hatramin' ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin' ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin' ny sambo-fiara ihany no sisa velona. Ringana avokoa rahefa mety ho zavatra tambonin' ny tany, hatramin' ny olombelona ka hatramin' ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin' ny vorona eny amin' ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa Noe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa. Ainsi disparurent tous les êtres qui étaient à la surface du sol, depuis l' homme jusqu' aux bêtes, aux bestioles et aux oiseaux du ciel; ils furent effacés de la terre et il ne resta que Noé et ce qui était avec lui dans l' arche.
Gen / Jen 7:24 And the waters prevailed upon the earth an hundred and fifty days. Ary nahery tambonin' ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano. Dimam-polo amby zato andro no nahatondraka ny rano tambonin' ny tany. La crue des eaux sur la terre dura cent cinquante jours.

<-
->