<-
->

Gen / Jen 14:1 And it came to pass in the days of Amraphel king of Shinar, Arioch king of Ellasar, Chedorlaomer king of Elam, and Tidal king of nations; Ary tamin' ny andron' i Amrafela. mpanjakan' i Sinara, sy Arioka, mpanjakan' i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan' i Elama. ary Tidala. mpanjakan' ny Goima, Tamin' ny andron' i Amrafela, mpanjakan' i Senaara, sy Ariòka, mpanjakan' i Elasara, sy Kodorlahomora, mpanjakan' i Elama, ary Tadala, mpanjakan' i Goima, Au temps d' Amraphel roi de Shinéar, d' Aryok roi d' Ellasar, de Kedor-Laomer roi d'Élam et de Tidéal roi des Goyim,
Gen / Jen 14:2 That these made war with Bera king of Sodom, and with Birsha king of Gomorrah, Shinab king of Admah, and Shemeber king of Zeboiim, and the king of Bela, which is Zoar. dia nandeha izy ireo ka nanafika an' i Bera, mpanjakan' i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan' i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan' i Adma, sy Semebera, mpanjakan' i Zeboima, ary ny mpanjakan' i Bela (dia Zoara izany). dia sendra rafitra ady izy ireo tamin' i Barà, mpanjakan' i Sodoma sy Bersà, mpanjakan' i Gomora, sy Senaaba, mpanjakan' i Adamà, sy Seneber, mpanjakan' i Seboima, ary ny mpanjakan' i Balà, dia Segora izany. ceux-ci firent la guerre contre Béra roi de Sodome, Birsha roi de Gomorrhe, Shinéab roi d' Adma, Shémeéber roi de Çeboyim et le roi de Béla c' est Çoar .
Gen / Jen 14:3 All these were joined together in the vale of Siddim, which is the salt sea. Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan' i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany). Nivory tao an-dohasahan' i Sidima, dia ny ranomasin-tSira izany, ireto an-daniny farany ireto; Ces derniers se liguèrent dans la vallée de Siddim c' est la mer du Sel .
Gen / Jen 14:4 Twelve years they served Chedorlaomer, and in the thirteenth year they rebelled. Fa efa nanompo an' i Kedorlaomera roa ambin' ny folo taona ireo, fa tamin' ny taona fahatelo ambin' ny folo kosa dia niodina izy. fa efa nanoa an' i Kodorlahomora roa ambin' ny folo taona izy ireo, no vao niodina taminy nony tamin' ny taona fahatelo ambin' ny folo. Douze ans ils avaient été soumis à Kedor-Laomer, mais, la treizième année, ils se révoltèrent.
Gen / Jen 14:5 And in the fourteenth year came Chedorlaomer, and the kings that were with him, and smote the Rephaims in Ashteroth Karnaim, and the Zuzims in Ham, and the Emins in Shaveh Kiriathaim, Ary tamin' ny taona fahefatra ambin' ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaita tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima Nony tamin' ny taona fahefatra ambin' ny folo anefa, niainga Kodorlahomora sy ireo mpanjaka nomba azy, ka nasiany avokoa ny Refaima tao Astarota-Karmaima, ny Zosima tao Hama, ny Emima teo amin' ny tany lemak' i Kariataima; En la quatorzième année, arrivèrent Kedor-Laomer et les rois qui étaient avec lui. Ils battirent les Rephaïm à Ashterot-Qarnayim, les Zuzim à Ham, les Émim dans la plaine de Qiryatayim,
Gen / Jen 14:6 And the Horites in their mount Seir, unto Elparan, which is by the wilderness. ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany Elparana, izay eo anilan' ny efitra. ary ny Horeana teo an-tendrombohitra Seira fonenany, hatrany El-Faràna, izay ao akaikin' ny efitra. les Horites dans les montagnes de Séïr jusqu'à El-Parân, qui est à la limite du désert.
Gen / Jen 14:7 And they returned, and came to Enmishpat, which is Kadesh, and smote all the country of the Amalekites, and also the Amorites, that dwelt in Hazezontamar. Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an' ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara. Rahefa izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan' i Fitsarana, dia Kadesa izany, ka namely ny tanin' ny Amalesita rehetra mbamin' ny Amoreana izay nonina tany Asason-Tamara. Ils firent un mouvement tournant et vinrent à la Source du Jugement c' est Cadès; ils battirent tout le territoire des Amalécites et aussi les Amorites qui habitaient Haçaçôn-Tamar.
Gen / Jen 14:8 And there went out the king of Sodom, and the king of Gomorrah, and the king of Admah, and the king of Zeboiim, and the king of Bela (the same is Zoar;) and they joined battle with them in the vale of Siddim; Dia nivoaka ny mpanjakan' i Sodoma sy ny mpanjakan' i Gomora sy ny mpanjakan' i Adma sy ny mpanjakan' i Zeboima ary ny mpanjakan' i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin' ireo teo an-dohasahan' i Sidima, Tamin' izay no nivoahan' ny mpanjakan' i Seboima, ary ny mpanjakan' i Balà, dia Segora izany, nilahatra tao an-dohasahan' i Sidima hiady tamin' ireo, Alors le roi de Sodome, le roi de Gomorrhe, le roi d' Adma, le roi de Çeboyim et le roi de Béla c' est Çoar s'ébranlèrent et se rangèrent en bataille contre eux dans la vallée de Siddim,
Gen / Jen 14:9 With Chedorlaomer the king of Elam, and with Tidal king of nations, and Amraphel king of Shinar, and Arioch king of Ellasar; four kings with five. dia tamin' Kedorlaomera, mpanjakan' i Elama, sy Tidala, mpanjakan' ny Goima sy Amrafela, mpanjakan' i Sinara ary Arioka, mpanjakan' i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin' ny mpanjaka dimy. dia tamin' i Kodorlahomora, mpanjakan' i Elama, Tadala, mpanjakan' i Goima, Amrafela, mpanjakan' i Senaara, ary Ariòka, mpajakan' i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo. contre Kedor-Laomer roi d'Élam, Tidéal roi des Goyim, Amraphel roi de Shinéar et Aryok roi d' Ellasar : quatre rois contre cinq !
Gen / Jen 14:10 And the vale of Siddim was full of slimepits; and the kings of Sodom and Gomorrah fled, and fell there; and they that remained fled to the mountain. Ary ny lohasahan' i Sidima, dia be lavak' asfalta, ary nandositra ny mpanjakan' i Sodoma sy ny mpanjakan' i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan' i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan' i Sodoma sy ny mpanjakan' i Gomora ka latsaka tamin' ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. Or la vallée de Siddim était pleine de puits de bitume; dans leur fuite, le roi de Sodome et le roi de Gomorrhe y tombèrent, et le reste se réfugia dans la montagne.
Gen / Jen 14:11 And they took all the goods of Sodom and Gomorrah, and all their victuals, and went their way. Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha. Nofaohin-dry zareo avokoa ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora, mbamin' ny hanina rehetra tao, dia nandeha izy. Les vainqueurs prirent tous les biens de Sodome et de Gomorrhe et tous leurs vivres, et s' en allèrent.
Gen / Jen 14:12 And they took Lot, Abram' s brother' s son, who dwelt in Sodom, and his goods, and departed. Ary namabo ny zana-drahalahin' i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin' ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota. Lota zana-drahalahin' i Abrama dia nobaboin' izy ireo hatramin' ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sodoma Lota. Ils prirent aussi Lot et ses biens le neveu d' Abram, et s' en allèrent; il habitait Sodome.
Gen / Jen 14:13 And there came one that had escaped, and told Abram the Hebrew; for he dwelt in the plain of Mamre the Amorite, brother of Eshcol, and brother of Aner: and these were confederate with Abram. Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin' i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan' i Mamre Amorita, rahalahin' i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin' i Abrama. Dia tonga ny anankiray tamin' ireo mpandositra nilaza izany tamin' i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin' ireo terebintan' i Mambre, dia ilay Amoreana rahalahin' i Eskola sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin' i Abrama ireo. Un rescapé vint informer Abram l' Hébreu, qui demeurait au Chêne de l' Amorite Mambré, frère d' Eshkol et d' Aner; ils étaient les alliés d' Abram.
Gen / Jen 14:14 And when Abram heard that his brother was taken captive, he armed his trained servants, born in his own house, three hundred and eighteen, and pursued them unto Dan. Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin' ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana. Vao ren' i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin' ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin' ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo. Quand Abram apprit que son parent était emmené captif, il leva ses partisans, ses familiers, au nombre de trois cent dix-huit, et mena la poursuite jusqu'à Dan.
Gen / Jen 14:15 And he divided himself against them, he and his servants, by night, and smote them, and pursued them unto Hobah, which is on the left hand of Damascus. Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr' i Damaskosy. Natokotokony ny olona nentiny mba hanao sovok' alina izy sy ireto mpanompony, ka nandresy sy nanenjika an-dry zareo hatrany Hoba, ao an-kavian' i Damasy. Il les attaqua de nuit en ordre dispersé, lui et ses gens, il les battit et les poursuivit jusqu'à Hoba, au nord de Damas.
Gen / Jen 14:16 And he brought back all the goods, and also brought again his brother Lot, and his goods, and the women also, and the people. Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin' ny vehivavy sy ny vahoaka. Nentiny nody daholo ny fananana; azony koa Lota rahalahiny, mbamin' ny fananany, sy ny vehivavy ary ny olona rehetra. Il reprit tous les biens, et aussi son parent Lot et ses biens, ainsi que les femmes et les gens.
Gen / Jen 14:17 And the king of Sodom went out to meet him after his return from the slaughter of Chedorlaomer, and of the kings that were with him, at the valley of Shaveh, which is the king' s dale. Dia nivoaka ny mpanjakan' 1 Sodoma hitsena an' i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan' ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an' i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy. Nony efa nandresy an' i Kodorlahomora sy ireo mpanjaka nomba azy Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan' i Sodoma, hitsena azy tao an-dohasahan' i Save, dia ny lohasahan' ny mpanjaka izany. Quand Abram revint après avoir battu Kedor-Laomer et les rois qui étaient avec lui, le roi de Sodome alla à sa rencontre dans la vallée de Shavé c' est la vallée du Roi .
Gen / Jen 14:18 And Melchizedek king of Salem brought forth bread and wine: and he was the priest of the most high God. Ary Melkizedeka, mpanjakan' i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron' Andriamanitra Avo Indrindra. Melkisedeka mpanjakan' i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron' Andriamanitra avo indrindra izy. Melchisédech, roi de Shalem, apporta du pain et du vin; il était prêtre du Dieu Très Haut.
Gen / Jen 14:19 And he blessed him, and said, Blessed be Abram of the most high God, possessor of heaven and earth: Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin' Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; Dia nitsodrano an' i Abrama izy nanao hoe: Hanisy soa an' i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra izay nahary ny lanitra sy ny tany. Il prononça cette bénédiction : Béni soit Abram par le Dieu Très Haut qui créa ciel et terre,
Gen / Jen 14:20 And blessed be the most high God, which hath delivered thine enemies into thy hand. And he gave him tithes of all. Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen' i Abrama azy ny ampahafolon' ny zavatra rehetra. Ary isaorana anie Andriamanitra avo indrindra izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tànanao. Ary Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon' ny zavatra rehetra. et béni soit le Dieu Très Haut qui a livré tes ennemis entre tes mains. Et Abram lui donna la dîme de tout.
Gen / Jen 14:21 And the king of Sodom said unto Abram, Give me the persons, and take the goods to thyself. Ary hoy ny mpanjakan' i Sodoma tamin' i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao. Dia hoy ny mpanjakan' i Sodoma tamin' i Abrama: Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ho anao. Le roi de Sodome dit à Abram : Donne-moi les personnes et prends les biens pour toi.
Gen / Jen 14:22 And Abram said to the king of Sodom, I have lift up mine hand unto the Lord, the most high God, the possessor of heaven and earth, Fa hoy Abrama tamin' ny mpanjakan' i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin' i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, Fa hoy Abrama tamin' ny mpanjakan' i Sodoma: Izaho efa nanangan-tànana tamin' ny Tompo Andriamanitra avo indrindra, izay nahary ny lanitra sy ny tany, Mais Abram répondit au roi de Sodome : Je lève la main devant le Dieu Très Haut qui créa ciel et terre :
Gen / Jen 14:23 That I will not take from a thread even to a shoelatchet, and that I will not take any thing that is thine, lest thou shouldest say, I have made Abram rich: fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin' izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an' i Abrama), fa tsy haka amin' izay rehetra mety ho anao, hatramin' ny singan-taretra ka hatramin' ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: Izaho no nampanan-karena an' i Abrama. ni un fil ni une courroie de sandale, je ne prendrai rien de ce qui est à toi, et tu ne pourras pas dire : J' ai enrichi Abram.
Gen / Jen 14:24 Save only that which the young men have eaten, and the portion of the men which went with me, Aner, Eshcol, and Mamre; let them take their portion. afa-tsy izay efa nohanin' ny zatovo sy ny anjaran' ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin' ireo ny anjarany. Tsy hitana na inona na inona ho ahy aho, afa-tsy izay nohanin' ny zatovo, sy ny anjaran' ny olona momba ahy dia Anera sy Eskola ary Mambre; ireo dia haka ny anjarany. Rien pour moi. Seulement ce que mes serviteurs ont mangé et la part des hommes qui sont venus avec moi, Aner, Eshkol et Mambré; eux prendront leur part.

<-
->