<-
->

Gen / Jen 24:1 And Abraham was old, and well stricken in age: and the Lord had blessed Abraham in all things. Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an' i Abrahama tamin' ny zavatra rehetra. Efa zoky olona sy nandroso fahanterana Abrahama sady nosoavin' ny Tompo tamin' ny zavatra rehetra. Abraham était alors un vieillard avancé en âge, et Yahvé avait béni Abraham en tout.
Gen / Jen 24:2 And Abraham said unto his eldest servant of his house, that ruled over all that he had, Put, I pray thee, thy hand under my thigh: Ary hoy Abrahama tamin' ilay lehiben' ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin' ny feko ny tananao; Ary hoy Abrahama tamin' ny mpanompony, ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nanapaka ny fananany rehetra: Ataovy ato ambanin' ny feko ny tananao, Abraham dit au plus vieux serviteur de sa maison, le régisseur de tous ses biens : Mets ta main sous ma cuisse.
Gen / Jen 24:3 And I will make thee swear by the Lord, the God of heaven, and the God of the earth, that thou shalt not take a wife unto my son of the daughters of the Canaanites, among whom I dwell: fa hampianianiko amin' i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an' ny zanako avy amin' ny zanakavavin' ny Kananita izay iraisako monina ianao; hampianianiko anao amin' ny anaran' ny Tompo Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany fa tsy haka vady ho an' ny zanako ao amin' ny zanakavavin' ny Kananeana, izay iraisako monina, hianao, Je te fais jurer par Yahvé, le Dieu du ciel et le Dieu de la terre, que tu ne prendras pas pour mon fils une femme parmi les filles des Cananéens au milieu desquels j' habite.
Gen / Jen 24:4 But thou shalt go unto my country, and to my kindred, and take a wife unto my son Isaac. fa any amin' ny tanin-drazako sy amin' ny havako no halehanao haka vady ho an' Isaka zanako. fa any amin' ny tanindrazako, any amin' ny tany nihaviako, no halehanao haka vady ho an' Isaaka zanako. Mais tu iras dans mon pays, dans ma parenté, et tu choisiras une femme pour mon fils Isaac.
Gen / Jen 24:5 And the servant said unto him, Peradventure the woman will not be willing to follow me unto this land: must I needs bring thy son again unto the land from whence thou camest? Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin' ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin' ny tany izay nialanao va aho? Ary hoy ny navalin' ilay mpanompony: Angamba tsy hety hiaraka amiko hankaty amin' ity tany ity ny vehivavy; ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin' ny tany nihavianao? Le serviteur lui demanda : Peut-être la femme ne voudra-t-elle pas me suivre dans ce pays-ci : faudra-t-il que je ramène ton fils dans le pays d' où tu es sorti ?
Gen / Jen 24:6 And Abraham said unto him, Beware thou that thou bring not my son thither again. Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako. Hoy Abrahama taminy: Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako. Abraham lui répondit : Garde-toi bien de ramener mon fils là-bas.
Gen / Jen 24:7 The Lord God of heaven, which took me from my father' s house, and from the land of my kindred, and which spake unto me, and that sware unto me, saying, Unto thy seed will I give this land; he shall send his angel before thee, and thou shalt take a wife unto my son from thence. Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin' ny tranon' ny raiko sy tamin' ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an' ny zanako. Iaveh Andriamanitry ny lanitra izay naka ahy tao an-tranon' ny raiko, sy tany amin' ny tany nahaterahako, izay niteny koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao, ka haka vady avy any ho an' ny zanako hianao. Yahvé, le Dieu du ciel et le Dieu de la terre, qui m' a pris de ma maison paternelle et du pays de ma parenté, qui m' a dit et qui m' a juré qu' il donnerait ce pays-ci à ma descendance, Yahvé enverra son Ange devant toi, pour que tu prennes une femme de là-bas.
Gen / Jen 24:8 And if the woman will not be willing to follow thee, then thou shalt be clear from this my oath: only bring not my son thither again. Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin' izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy dia afaka amin' izao fianianana ampanaoviko izao hianao; fa aza entinao mankany ny zanako. Et si la femme ne veut pas te suivre, tu seras quitte du serment que je t' impose. En tout cas, ne ramène pas mon fils là-bas.
Gen / Jen 24:9 And the servant put his hand under the thigh of Abraham his master, and sware to him concerning that matter. Ary nataon' ilay mpanompo tambanin' ny fen' i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin' izany zavatra izany izy. Dia napetrak' ilay mpanompo tao ambany fen' i Abrahama tompony ny tànany, ka nanao fianianana momba izany teo anatrehany. Le serviteur mit sa main sous la cuisse de son maître Abraham et il lui prêta serment pour cette affaire.
Gen / Jen 24:10 And the servant took ten camels of the camels of his master, and departed; for all the goods of his master were in his hand: and he arose, and went to Mesopotamia, unto the city of Nahor. Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin' ny ramevan' ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan' ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan' i Nahora. Naka folo tamin' ny ramevan' ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan' ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesopotamia any an-tanànan' i Nakora no nalehany. Le serviteur prit dix des chameaux de son maître et, emportant de tout ce que son maître avait de bon, il se mit en route pour l' Aram Naharayim, pour la ville de Nahor.
Gen / Jen 24:11 And he made his camels to kneel down without the city by a well of water at the time of the evening, even the time that women go out to draw water. Ary nampandohalehiny teo ivelan' ny tanàna tanilan' ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin' ilay fandehanan' ny vehivavy mpantsaka iny Nampandohalihiny teo ivelan' ny tanàna anilan' ny lavaka fantsakàna ny rameva, nony harivariva tamin' ilay fivoahan' ny vehivavy hantsaka iny; Il fit agenouiller les chameaux en dehors de la ville, près du puits, à l' heure du soir, à l' heure où les femmes sortent pour puiser.
Gen / Jen 24:12 And he said O Lord God of my master Abraham, I pray thee, send me good speed this day, and shew kindness unto my master Abraham. Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko. ka hoy izy: Ry Iaveh, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, mba ataovy tojo ny tadiaviko aho anio, ary ampisehoy hatsaram-po Abrahama tompoko. Et il dit : Yahvé, Dieu de mon maître Abraham, sois-moi propice aujourd' hui et montre ta bienveillance pour mon maître Abraham !
Gen / Jen 24:13 Behold, I stand here by the well of water; and the daughters of the men of the city come out to draw water: Indro, mijanona eto anilan' ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin' ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; Indro aho mijanona eto anilan' ny loharano; ary ny zanakavavin' ny mponina ao an-tanàna hivoaka hantsaka rano, Je me tiens près de la source et les filles des gens de la ville sortent pour puiser de l' eau.
Gen / Jen 24:14 And let it come to pass, that the damsel to whom I shall say, Let down thy pitcher, I pray thee, that I may drink; and she shall say, Drink, and I will give thy camels drink also: let the same be she that thou hast appointed for thy servant Isaac; and thereby shall I know that thou hast shewed kindness unto my master. koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an' Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko. ka aoka izay zazavavy hilazako hoe: Ahilano kely ny sininao mba hisotroako, ka hamaly hoe: Misotroa, fa hampisotroiko koa ny ramevanao, no ho ilay notendrenao ho an' Isaaka mpanomponao. Ary izany no hahafantarako fa nampisehoanao hatsaram-po tokoa ny tompoko. La jeune fille à qui je dirai : Incline donc ta cruche, que je boive et qui répondra : Bois et j' abreuverai aussi tes chameaux, ce sera celle que tu as destinée à ton serviteur Isaac, et je connaîtrai à cela que tu as montré ta bienveillance pour moi.
Gen / Jen 24:15 And it came to pass, before he had done speaking, that, behold, Rebekah came out, who was born to Bethuel, son of Milcah, the wife of Nahor, Abraham' s brother, with her pitcher upon her shoulder. Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak' i Betoela, zanakalahin' i Milka, vadin' i Nahpra, rahalahin' i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony Rebekà, zanakavavin' i Batoela zanak' i Melkà vadin' i Nakora rahalahin' i Abrahama. Il n' avait pas fini de parler que sortait Rébecca, qui était fille de Bétuel, fils de Milka, la femme de Nahor, frère d' Abraham, et elle avait sa cruche sur l'épaule.
Gen / Jen 24:16 And the damsel was very fair to look upon, a virgin, neither had any man known her: and she went down to the well, and filled her pitcher, and came up. Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin' ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. Fatratra ny hatsaran-tarehin-drazazavavy, sady virijiny izy, fa tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy. Nidina nankeo amin' ny loharano izy, nameno rano ny sininy dia niakatra. La jeune fille était très belle, elle était vierge, aucun homme ne l' avait approchée. Elle descendit à la source, emplit sa cruche et remonta.
Gen / Jen 24:17 And the servant ran to meet her, and said, Let me, I pray thee, drink a little water of thy pitcher. Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin' ny sininao aho. Nihazakazaka nitsena azy ity mpanompo ka nanao hoe: Mba avelao aho hisotro rano kely amin' ny sininao. Le serviteur courut au-devant d' elle et dit : S' il te plaît, laisse-moi boire un peu d' eau de ta cruche.
Gen / Jen 24:18 And she said, Drink, my lord: and she hasted, and let down her pitcher upon her hand, and gave him drink. Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy. Dia hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy, sady nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny izy. Elle répondit : Bois, Monseigneur et vite elle abaissa sa cruche sur son bras et le fit boire.
Gen / Jen 24:19 And when she had done giving him drink, she said, I will draw water for thy camels also, until they have done drinking. Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro. Nony avy nampisotro azy izy, dia nanao hoe: Hantsaka ho an' ny rameva koa aho, hosotroiny mandra-pahafa-po azy. Quand elle eut fini de lui donner à boire, elle dit : Je vais puiser aussi pour tes chameaux, jusqu'à ce qu' ils soient désaltérés.
Gen / Jen 24:20 And she hasted, and emptied her pitcher into the trough, and ran again unto the well to draw water, and drew for all his camels. Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin' ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin' ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an' ny ramevany rehetra izy. Dia nampidininy faingana teo amin' ny tavy fampisotroam-biby ny rano tao an-tsininy, ka nihazakazaka nantsaka teo am-pantsakana indray izy, ary nantsaka ho an' ny rameva rehetra. Vite elle vida sa cruche dans l' auge, courut encore au puits pour puiser et puisa pour tous les chameaux.
Gen / Jen 24:21 And the man wondering at her held his peace, to wit whether the Lord had made his journey prosperous or not. Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin' i Jehovah ny nalehany, na tsia. Nandinika azy ralehilahy tsy niteny fa nieritreritra na efa nambinin' ny Tompo tokoa ny diany, na tsia. L' homme la considérait en silence, se demandant si Yahvé l' avait ou non mené au but.
Gen / Jen 24:22 And it came to pass, as the camels had done drinking, that the man took a golden earring of half a shekel weight, and two bracelets for her hands of ten shekels weight of gold; Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin' orona volamena iray, lanjan' ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan' ny sekely folo, hatao amin' ny tànany; Nony tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny masom-bolamena iray, lanjan' antsasa-tsikla, sy ny haba volamena roa, lanjana folo sikla, Lorsque les chameaux eurent fini de boire, l' homme prit un anneau d' or pesant un demi-sicle, qu' il mit à ses narines, et, à ses bras, deux bracelets pesant dix sicles d' or,
Gen / Jen 24:23 And said, Whose daughter art thou? tell me, I pray thee: is there room in thy father' s house for us to lodge in? ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao ? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon' ny rainao? ka hoy izy: Zana-jovy moa hianao? Mba lazao ahy kely izany. Ary mba misy toerana azonay andriana va ao an-tranon-drainao? et il dit : De qui es-tu la fille ? Apprends-le moi, je te prie. Y a-t-il de la place chez ton père pour que nous passions la nuit ?
Gen / Jen 24:24 And she said unto him, I am the daughter of Bethuel the son of Milcah, which she bare unto Nahor. Ary hoy izy taminy: Zanakavavin' i Betoela, zanakalahin' i Milka, izay naterany tamin' i Nahora, aho. Dia hoy ny navaliny: Zanakavavin' i Batoela zanak' i Melkà, izay naterany tamin' i Nakora aho. Elle répondit : Je suis la fille de Bétuel, le fils que Milka a enfanté à Nahor
Gen / Jen 24:25 She said moreover unto him, We have both straw and provender enough, and room to lodge in. Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa. Ary hoy koa izy: Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay; sady ny mololo handriana koa dia misy ao. et elle continua : Il y a, chez nous, de la paille et du fourrage en quantité, et de la place pour gîter.
Gen / Jen 24:26 And the man bowed down his head, and worshipped the Lord. Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan' i Jehovah, Tamin' izay niondrika ralehilahy, dia niankohoka teo anatrehan' ny Tompo Alors l' homme se prosterna et adora Yahvé,
Gen / Jen 24:27 And he said, Blessed be the Lord God of my master Abraham, who hath not left destitute my master of his mercy and his truth: I being in the way, the Lord led me to the house of my master' s brethren. ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin' ny tompoko; fa izaho dia notantanan' i Jehovah teny an-dalana ho atý an-tranon' ny havan' ny tompoko. ka nanao hoe: Isaorana anie Iaveh, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, fa tsy niova famindram-po sy fahamarinana amin' ny tompoko; izaho koa notantànan' ny Tompo amin' ny làlana mankaty amin' ny rahalahin' ny tompoko. et il dit : Béni soit Yahvé, Dieu de mon maître Abraham, qui n' a pas ménagé sa bienveillance et sa bonté à mon maître. Yahvé a guidé mes pas chez le frère de mon maître !
Gen / Jen 24:28 And the damsel ran, and told them of her mother' s house these things. Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin' ny tao an-tranon' ny reniny. Dia lasa nihazakazaka razazavavy, nanambara izany zavatra izany tao amin-drainy. La jeune fille courut annoncer chez sa mère ce qui était arrivé.
Gen / Jen 24:29 And Rebekah had a brother, and his name was Laban: and Laban ran out unto the man, unto the well. Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana. Nanana anadahy anankiray atao hoe Labana Rebekà, ka nivoaka nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo amin' ny loharano. Or Rébecca avait un frère qui s' appelait Laban, et Laban courut au-dehors vers l' homme, à la source.
Gen / Jen 24:30 And it came to pass, when he saw the earring and bracelets upon his sister' s hands, and when he heard the words of Rebekah his sister, saying, Thus spake the man unto me; that he came unto the man; and, behold, he stood by the camels at the well. Ary rehefa hitany ny kavin' orona sy ny haba teny an-tànan ' ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan' ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy. Nahita ny masom-bola sy ny haba tany an-tànan' ny anabaviny izy, ary nandre ny tenin-dRebekà anabaviny hoe: Izao sy izao no nolazain-dralehilahy tamiko, ka nankeo amin-dralehilahy izay nijanona teo anilan' ny rameva tao amin' ny loharano izy, ka nanao hoe: Dès qu' il eut vu l' anneau et les bracelets que portait sa soeur et qu' il eut entendu sa soeur Rébecca dire : Voilà comment cet homme m' a parlé, il alla vers l' homme et le trouva encore debout près des chameaux, à la source.
Gen / Jen 24:31 And he said, Come in, thou blessed of the Lord; wherefore standest thou without? for I have prepared the house, and room for the camels. Ary hoy Labana: Miakara. ry ilay notahin' i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran' ny rameva. Avia hianao izay notahin' ny Tompo. Nahoana no mijanona aty ivelany hianao? Efa namboatra ny trano aho sy fitoerana ho an' ny rameva. Il lui dit : Viens, béni de Yahvé ! Pourquoi restes-tu dehors, quand j' ai débarrassé la maison et fait de la place pour les chameaux ?
Gen / Jen 24:32 And the man came into the house: and he ungirded his camels, and gave straw and provender for the camels, and water to wash his feet, and the men' s feet that were with him. Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin' ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an' ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy. Dia niditra tao an-trano ralehilahy. Ary Labana kosa nanesotra ny laselin' ny rameva, dia nanome mololo sy vilona ho an' ny rameva, sy rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona nomba azy. L' homme vint à la maison et Laban débâta les chameaux, il donna de la paille et du fourrage aux chameaux et, pour lui et les hommes qui l' accompagnaient, de l' eau pour se laver les pieds.
Gen / Jen 24:33 And there was set meat before him to eat: but he said, I will not eat, until I have told mine errand. And he said, Speak on. Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary! Rahefa izany naroson' i Labana ny sakafo; fa hoy ralehilahy: Tsy hihinana aho raha tsy efa voalazako ny teny hambarako. Lazao àry, hoy Labana. On lui présenta à manger, mais il dit : Je ne mangerai pas avant d' avoir dit ce que j' ai à dire, et Laban répondit : Parle.
Gen / Jen 24:34 And he said, I am Abraham' s servant. Dia hoy ralehilahy: Mpanompon' i Abrahama aho. Hoy izy: Mpanompon' i Abrahama aho. Il dit : Je suis le serviteur d' Abraham.
Gen / Jen 24:35 And the Lord hath blessed my master greatly; and he is become great: and he hath given him flocks, and herds, and silver, and gold, and menservants, and maidservants, and camels, and asses. Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman' osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky. Ny tompoko efa nasian' ny Tompo soa be indrindra, ka efa tonga olona be fahefana izy; fa nomeny ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy mpanompovavy, ary rameva aman' ampondra. Yahvé a comblé mon maître de bénédictions et celui-ci est devenu très riche : il lui a donné du petit et du gros bétail, de l' argent et de l' or, des serviteurs et des servantes, des chameaux et des ânes.
Gen / Jen 24:36 And Sarah my master' s wife bare a son to my master when she was old: and unto him hath he given all that he hath. Ary rehefa antitra Saraha, vadin' ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin' ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an' ny zanany izay rehetra ananany. Efa antitra Sarà, vadin' ny tompoko, no niteraka tamin' ny tompoko zazalahy anankiray izay notolorany ny fananany rehetra. Sara, la femme de mon maître, lui a, quand il était déjà vieux, enfanté un fils, auquel il a transmis tous ses biens.
Gen / Jen 24:37 And my master made me swear, saying, Thou shalt not take a wife to my son of the daughters of the Canaanites, in whose land I dwell: Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an' ny zanako avy amin' ny zanakavavin' ny Kananita, izay iraisako monina; Ary ny tompoko nampianiana ahy, nanao hoe: Aza maka vady ho an-janako amin' ny zanakavavin' ny Kananeana eto tompon' ny tany onenako; Mon maître m' a fait prêter ce serment : Tu ne prendras pas pour mon fils une femme parmi les filles des Cananéens dont j' habite le pays.
Gen / Jen 24:38 But thou shalt go unto my father' s house, and to my kindred, and take a wife unto my son. fa any amin' ny tranon' ikaky sy any amin' ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an' ny zanako. fa mankanesa any an-tranon' ikaky, any amin' ny havako, ka any maka vady ho an-janako. Malheur à toi si tu ne vas pas dans ma maison paternelle, dans ma famille, choisir une femme pour mon fils !
Gen / Jen 24:39 And I said unto my master, Peradventure the woman will not follow me. Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy. Nilaza tamin' ny tompoko aho, nanao hoe: Angamba tsy hety hanaraka ahy hankaty ny vehivavy. J' ai dit à mon maître : Peut-être cette femme n' acceptera pas de me suivre,
Gen / Jen 24:40 And he said unto me, The Lord, before whom I walk, will send his angel with thee, and prosper thy way; and thou shalt take a wife for my son of my kindred, and of my father' s house: Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an' ny zanako avy amin' ny havako sy amin' ny tranon' ikaky. Fa novaliany hoe: Iaveh, izay eo anatrehany no handehanako, no haniraka ny Anjeliny hiaraka aminao, sy hanambina ny dianao, ka haka vady ho an-janako, any amin' ny havako sy any an-tranon' ikaky hianao. et il m' a répondu : Yahvé, en présence de qui j' ai marché, enverra son Ange avec toi, il te mènera au but et tu prendras pour mon fils une femme de ma famille, de ma maison paternelle.
Gen / Jen 24:41 Then shalt thou be clear from this my oath, when thou comest to my kindred; and if they give not thee one, thou shalt be clear from my oath. Dia ho afaka amin' ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin' ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin' ny fampianianako anao koa ianao. Afaka amin' ny fianianana nataonao hianao rahefa tonga tany amin' ny havako; ary raha tsy manaiky ny fangatahanao izy ireo dia afaka amin' ny fianianana ampanaoviko hianao. Tu seras alors quitte de ma malédiction : tu seras allé dans ma famille et, s' ils te refusent, tu seras quitte de ma malédiction.
Gen / Jen 24:42 And I came this day unto the well, and said, O Lord God of my master Abraham, if now thou do prosper my way which I go: Ary tonga androany teo amin' ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao, Nony tonga tao am-pantsakana aho androany, dia nanao hoe: Ry Iaveh, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, raha mba sitrakao ihany ny hanambina ny dia nalehako, Je suis arrivé aujourd' hui à la source et j' ai dit : Yahvé, Dieu de mon maître Abraham, montre, je te prie, si tu es disposé à mener au but le chemin par où je vais :
Gen / Jen 24:43 Behold, I stand by the well of water; and it shall come to pass, that when the virgin cometh forth to draw water, and I say to her, Give me, I pray thee, a little water of thy pitcher to drink; indro, mijanona eto anilan' ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe : Mba ampisotroy rano kely avy amin' ny sininao aho, dia indro aho mijanona eto anilan' ny fantsakàna; ka izay zazavavy tamy hantsaka hilazako hoe: Avelao aho mba hisotro rano kely amin' ny sininao, raha sitrakao, ka hamaly ahy hoe: je me tiens près de la source; la jeune fille qui sortira pour puiser, à qui je dirai : S' il te plaît, donne-moi à boire un peu d' eau de ta cruche,
Gen / Jen 24:44 And she say to me, Both drink thou, and I will also draw for thy camels: let the same be the woman whom the Lord hath appointed out for my master' s son. ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin' i Jehovah ho an' ny zanakalahin' ny tompoko. Misotroa, fa hantsakako mbamin' ny ramevanao koa; no aoka ho ilay vady nalahatry ny Tompo ho an' ny zanaky ny tompoko. et qui répondra : Bois toi-même et je puiserai aussi pour tes chameaux, ce sera la femme que Yahvé a destinée au fils de mon maître.
Gen / Jen 24:45 And before I had done speaking in mine heart, behold, Rebekah came forth with her pitcher on her shoulder; and she went down unto the well, and drew water: and I said unto her, Let me drink, I pray thee. Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin' ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho. Mbola tsy tapitra akory ny teny anakampo nataoko, dia inty Rebekà nivoaka nitondra ny sininy teny an-tsorony, nidina nantsaka teo an-pantsakana; ka hoy aho taminy: Mba omeo kely aho hosotroiko, raha sitrakao. Je n' avais pas fini de parler en moi-même que Rébecca sortait, sa cruche sur l'épaule. Elle descendit à la source et puisa. Je lui dis : Donne-moi à boire, s' il te plaît !
Gen / Jen 24:46 And she made haste, and let down her pitcher from her shoulder, and said, Drink, and I will give thy camels drink also: so I drank, and she made the camels drink also. Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy. Nampidininy niaraka tamin' izay ny siny teny an-tsorony, sady hoy izy: Misotroa; fa hampisotroiko mbamin' ny ramevanao koa. Nisotro àry aho, ary nampisotroiny koa ny rameva. Vite, elle se déchargea de sa cruche et dit : Bois, et j' abreuverai aussi tes chameaux. J' ai bu et elle a abreuvé aussi mes chameaux.
Gen / Jen 24:47 And I asked her, and said, Whose daughter art thou? And she said, the daughter of Bethuel, Nahor' s son, whom Milcah bare unto him: and I put the earring upon her face, and the bracelets upon her hands. Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak' i Betoela, zanakalahin' i Nahora, aho, izay naterak' i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin' orona, ary ny haba teny amin' ny tànany. Dia nanontany azy aho, nanao hoe: Zanak' iza moa hianao? Ary novaliny hoe: Zanak' i Batoela, zanakalahin' i Nakora, izay naterak' i Melkà taminy, aho. Izay dia nasiako kavina ny orony, ary nasiako haba ny tànany. Je lui ai demandé : De qui es-tu la fille ? et elle a répondu : Je suis la fille de Bétuel, le fils que Milka a donné à Nahor. Alors j' ai mis cet anneau à ses narines et ces bracelets à ses bras,
Gen / Jen 24:48 And I bowed down my head, and worshipped the Lord, and blessed the Lord God of my master Abraham, which had led me in the right way to take my master' s brother' s daughter unto his son. Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan' i Jehovah, dia nisaotra an' i Jehovah, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin' ny lalana marina haka ny zanakavavin' ny rahalahin' ny tompoko, ho an' ny zanany Ary dia niondrika aho, ka niankohoka teo anatrehan' ny Tompo, ary nisaotra an' ny Tompo Andriamanitr' i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin' ny làlana marina, mba haka ny zana-drahalahin' ny tompoko ho an' ny zanany. et je me suis prosterné et j' ai adoré Yahvé, et j' ai béni Yahvé, Dieu de mon maître Abraham, qui m' avait conduit par un chemin de bonté prendre pour son fils la fille du frère de mon maître.
Gen / Jen 24:49 And now if ye will deal kindly and truly with my master, tell me: and if not, tell me; that I may turn to the right hand, or to the left. Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin' ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin' ny ankavanana, na ho amin' ny ankavia. Koa ankehitriny, raha mba hanao izay soa sy marina amin' ny tompoko hianareo, dia lazao amiko; ary raha tsy izany kosa ambarao ahy ihany, mba hiviliako ho amin' ny an-kavanana na ho amin' ny an-kavia. Maintenant, si vous êtes disposés à montrer à mon maître bienveillance et bonté, déclarez-le moi, si non, déclarez-le moi, pour que je me tourne à droite ou à gauche.
Gen / Jen 24:50 Then Laban and Bethuel answered and said, The thing proceedeth from the Lord: we cannot speak unto thee bad or good. Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin' i Jehovah no nisehoan' izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa. Dia namaly Labana sy Batoela ka nanao hoe: Avy amin' ny Tompo izao zavatra izao ka tsy azonay atao ny milaza aminao hoe tsy mety na mety. Laban et Bétuel prirent la parole et dirent : La chose vient de Yahvé, nous ne pouvons te dire ni oui ni non.
Gen / Jen 24:51 Behold, Rebekah is before thee, take her, and go, and let her be thy master' s son' s wife, as the Lord hath spoken. Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin' ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain' i Jehovah. Indro Rebekà eo anatrehanao, ento izy ka mandehana, ary aoka ho vadin' ny zanaky ny tomponao izy, araka ny voalazan' ny Tompo. Rébecca est là devant toi : prends-la et pars, et qu' elle devienne la femme du fils de ton maître, comme a dit Yahvé.
Gen / Jen 24:52 And it came to pass, that, when Abraham' s servant heard their words, he worshipped the Lord, bowing himself to the earth. Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon' i Abrahama, dia niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' i Jehovah izy. Nony nandre izany ity mpanompon' i Abrahama dia niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' ny Tompo. Lorsque le serviteur d' Abraham entendit ces paroles, il se prosterna à terre devant Yahvé.
Gen / Jen 24:53 And the servant brought forth jewels of silver, and jewels of gold, and raiment, and gave them to Rebekah: he gave also to her brother and to her mother precious things. Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny. Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin' ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana saro-bidy koa ity anadahiny sy ny reniny. Il sortit des bijoux d' argent et d' or et des vêtements, qu' il donna à Rébecca; il fit aussi de riches cadeaux à son frère et à sa mère.
Gen / Jen 24:54 And they did eat and drink, he and the men that were with him, and tarried all night; and they rose up in the morning, and he said, Send me away unto my master. Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin' ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin' ny tompoko. Izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin' ireto olona nomba azy, ary dia nandry. Nony maraina, rahefa nifoha izy ireo, dia hoy ity mpanompo nanao hoe: Alefaso aho hiverina any amin' ny tompoko. Ils mangèrent et ils burent, lui et les hommes qui l' accompagnaient, et ils passèrent la nuit. Le matin, quand ils furent levés, il dit : Laissez-moi aller chez mon maître.
Gen / Jen 24:55 And her brother and her mother said, Let the damsel abide with us a few days, at the least ten; after that she shall go. Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atý aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy. Fa hoy ny anadahin-dRebekà sy ny reniny: Aoka re mba hipetrapetraka eto aminay andro vitsivitsy aloha ny zazavavy, hafoloana eo ho eo, vao mandeha, Alors le frère et la mère de Rébecca dirent : Que la jeune fille reste avec nous une dizaine de jours, ensuite elle partira.
Gen / Jen 24:56 And he said unto them, Hinder me not, seeing the Lord hath prospered my way; send me away that I may go to my master. Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin' ny tompoko. Ary hoy ralehilahy taminy: Aza dia mahela ahy hianareo, fa efa mba nambinin' ny Tompo ny diako; ka alefaso aho handeha hody any amin' ny tompoko. Mais il leur répondit : Ne me retardez pas, puisque c' est Yahvé qui m' a mené au but : laissez-moi partir, que j' aille chez mon maître.
Gen / Jen 24:57 And they said, We will call the damsel, and enquire at her mouth. Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny. Dia hoy ry zareo: Aoka àry ny zazavavy no hantsointsika hanontaniana izay tiany. Ils dirent : Appelons la jeune fille et demandons-lui son avis.
Gen / Jen 24:58 And they called Rebekah, and said unto her, Wilt thou go with this man? And she said, I will go. Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin' io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho. Dia nantsoiny Rebekà, ka hoy izy taminy: Te-handeha hiaraka amin' ity lehilahy ity va hianao? Ary hoy ny navaliny: Handeha aho. Ils appelèrent Rébecca et lui dirent : Veux-tu partir avec cet homme ? et elle répondit : Je veux bien.
Gen / Jen 24:59 And they sent away Rebekah their sister, and her nurse, and Abraham' s servant, and his men. Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon' i Abrahama mbamin' ny olony izy. Izay vao nalefan' izy ireo Rebekà anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ny mpanompon' i Abrahama mbamin' ny olony. Alors ils laissèrent partir leur soeur Rébecca, avec sa nourrice, le serviteur d' Abraham et ses hommes.
Gen / Jen 24:60 And they blessed Rebekah, and said unto her, Thou art our sister, be thou the mother of thousands of millions, and let thy seed possess the gate of those which hate them. Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin' izay mankahala azy. Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: Ho tonga alinalina anie hianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin' ny fahavalony anie ny taranakao! Ils bénirent Rébecca et lui dirent : Notre soeur, ô toi, deviens des milliers de myriades ! Que ta postérité conquière la porte de ses ennemis !
Gen / Jen 24:61 And Rebekah arose, and her damsels, and they rode upon the camels, and followed the man: and the servant took Rebekah, and went his way. Ary niainga Rebeka mbamin' ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha. Dia niainga Rebekà sy ny ankizivaviny nitaingina teo ambony rameva, niaraka tamin-dralehilahy; ka roso ny dian' ity mpanompo, nitondra an-dRebekà. Rébecca et ses servantes se levèrent, montèrent sur les chameaux et suivirent l' homme. Le serviteur prit Rébecca et partit.
Gen / Jen 24:62 And Isaac came from the way of the well Lahairoi; for he dwelt in the south country. Ary Isaka efa tonga avy tamin' ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin' ny tany atsimo izy. Tamin' izany Isaaka tonga avy any amin' ny fantsakan' i Kaï-Roy ka nonina teo amin' ny tany Atsimo. Isaac était revenu du puits de Lahaï Roï, et il habitait au pays du Négeb.
Gen / Jen 24:63 And Isaac went out to meditate in the field at the eventide: and he lifted up his eyes, and saw, and, behold, the camels were coming. Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona. Indray hariva, raha ilay nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha iny izy, ka nanopy ny masony, dia indreny misy rameva tamy. Or Isaac sortit pour se promener dans la campagne, à la tombée du soir, et, levant les yeux, il vit que des chameaux arrivaient.
Gen / Jen 24:64 And Rebekah lifted up her eyes, and when she saw Isaac, she lighted off the camel. Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an' Isaka; dia nidina faingana niala tamin' ny rameva izy. Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an' Isaaka, dia nitsambikina niala teny amin' ny rameva; Et Rébecca, levant les yeux, vit Isaac. Elle sauta à bas du chameau
Gen / Jen 24:65 For she had said unto the servant, What man is this that walketh in the field to meet us? And the servant had said, It is my master: therefore she took a vail, and covered herself. Ary hoy izy tamin' ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo : Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany. ary nanao tamin' ilay mpanompo hoe: Iza iry lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika iry? Dia hoy ilay mpanompo: Ny tompoko iny. et dit au serviteur : Quel est cet homme-là, qui vient dans la campagne à notre rencontre ? Le serviteur répondit : C' est mon maître; alors elle prit son voile et se couvrit.
Gen / Jen 24:66 And the servant told Isaac all things that he had done. Ary dia nambaran' ilay mpanompo tamin' Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony. Koa noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran' ity mpanompo tamin' Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony. Le serviteur raconta à Isaac toute l' affaire qu' il avait faite.
Gen / Jen 24:67 And Isaac brought her into his mother Sarah' s tent, and took Rebekah, and she became his wife; and he loved her: and Isaac was comforted after his mother' s death. Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain' i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny. Dia nampandrosoin' Isaaka Rebekà ho ao an-dain' i Sara reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny. Et Isaac introduisit Rébecca dans sa tente : il la prit et elle devint sa femme et il l' aima. Et Isaac se consola de la perte de sa mère.

<-
->