<-
->

Gen / Jen 44:1 And he commanded the steward of his house, saying, Fill the men' s sacks with food, as much as they can carry, and put every man' s money in his sack' s mouth. Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan' ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan' ny lasakany avy ny volan' ny isan-dahy; Dia nomen' i Josefa teny ilay mpikarakara ny tranony, nataony hoe: Fenoy hanina ny lasakan' ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ka ny volany samy ataovy eo am-bava-lasakany avy. Puis Joseph dit à son intendant : Remplis les sacs de ces gens avec autant de vivres qu' ils peuvent porter et mets l' argent de chacun à l' entrée de son sac.
Gen / Jen 44:2 And put my cup, the silver cup, in the sack' s mouth of the youngest, and his corn money. And he did according to the word that Joseph had spoken. ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan' ny lasakan' ilay faralahy mbamin' ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain' i Josefa. Ny kopiko, ilay kopy vola fotsy, ataovy ao am-bava-lasakan' ilay zandriny indrindra, miaraka amin' ny vola vidin' ny variny koa. Dia nataon ílay mpikarakara izay nasain' i Josefa nataony. Ma coupe, celle d' argent, tu la mettras à l' entrée du sac du plus jeune, avec le prix de son grain. Et il fit comme Joseph avait dit.
Gen / Jen 44:3 As soon as the morning was light, the men were sent away, they and their asses. Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny. Nony maraina vao nazava ny andro, dia nalefany handeha ny olona sy ny ampondrany. Lorsque le matin parut, on renvoya nos gens avec leurs ânes.
Gen / Jen 44:4 And when they were gone out of the city, and not yet far off, Joseph said unto his steward, Up, follow after the men; and when thou dost overtake them, say unto them, Wherefore have ye rewarded evil for good? Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin' ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa? Vao tafavoaka ny tanàna, mbola tsy lasa lavitra akory izy, dia hoy Josefa tamin' ilay mpikarakarany: Miaingà enjeho ireny olona ireny, ka rahefa mahatratra azy hianao dia lazao aminy hoe: Nahoana hianareo no namaly ratsy ny soa? Ils étaient à peine sortis de la ville et n'étaient pas bien loin que Joseph dit à son intendant : Debout ! Cours après ces hommes, rattrape-les et dis-leur : Pourquoi avez-vous rendu le mal pour le bien ?
Gen / Jen 44:5 Is not this it in which my lord drinketh, and whereby indeed he divineth? ye have done evil in so doing. Tsy iny va no fisotroan' ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao. Tsy iny kopy iny va no fisotroan' ny tompoko, ka entiny maminany? Ratsy izany nataonareo izany. N' est-ce pas ce qui sert à mon maître pour boire et aussi pour lire les présages ? C' est mal ce que vous avez fait !
Gen / Jen 44:6 And he overtook them, and he spake unto them these same words. Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy. Nony tratran' ny mpikarakara izy ireo dia nilazany an' izany teny izany, ka izao no navaliny azy: Il les rattrapa donc et leur redit ces paroles.
Gen / Jen 44:7 And they said unto him, Wherefore saith my lord these words? God forbid that thy servants should do according to this thing: Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin' ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany. Nahoana re, Tompokolahy, no dia manao izany hianao? Sanatria amin' ny mpanomponao mihitsy izay hanao izany zavatra izany. Mais ils répondirent : Pourquoi Monseigneur parle-t-il ainsi ? Loin de tes serviteurs de faire une chose pareille !
Gen / Jen 44:8 Behold, the money, which we found in our sacks' mouths, we brought again unto thee out of the land of Canaan: how then should we steal out of thy lord' s house silver or gold? Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan' ny lasakanay aza naverinay indray tatý aminao avy tany amin' ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin' ny tranon' ny tomponao? Indro fa ny vola hitanay teo am-bava-lasakanay dia nentinay taminao avy amin' ny tany Kanaana, ka dia hataonay ahoana no fangalatra vola fotsy na volamena ao an-tranon' ny tomponao? Vois donc : l' argent que nous avions trouvé à l' entrée de nos sacs à blé, nous te l' avons rapporté du pays de Canaan, comment aurions-nous volé, de la maison de ton maître, argent ou or ?
Gen / Jen 44:9 With whomsoever of thy servants it be found, both let him die, and we also will be my lord' s bondmen. Izay anankiray amin' ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon' itompokolahy. Izay anankiray amin' ny mpanomponao hahitana izany kopy izany dia aoka hovonoina; ary na ny tenanay aza dia aoka ho andevon' itompokolahy koa. Celui de tes serviteurs avec qui on trouvera l' objet sera mis à mort et nous-mêmes deviendrons esclaves de Monseigneur.
Gen / Jen 44:10 And he said, Now also let it be according unto your words: he with whom it is found shall be my servant; and ye shall be blameless. Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny. Ka hoy izy: Aoka àry ho araka ny teninareo. Izay hahitana ny kopy ho andevoko, fa hianareo sisa kosa dia afaka. Il reprit : Eh bien ! Qu' il en soit comme vous avez dit : celui avec qui on trouvera l' objet sera mon esclave, mais vous autres vous serez quittes.
Gen / Jen 44:11 Then they speedily took down every man his sack to the ground, and opened every man his sack. Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin' ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy. Koa samy nampidina faingana ny lasakany tamin' ny tany izy ireo, dia samy nanokatra ny lasakany. Vite, chacun descendit à terre son sac à blé et chacun l' ouvrit.
Gen / Jen 44:12 And he searched, and began at the eldest, and left at the youngest: and the cup was found in Benjamin' s sack. Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin' ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin' ny faralahy no niafarany, ka tao amin' ny lasakan' i Benjamina no nahitana ilay kapoaka. Ary nikaroka ny mpikarakara nanomboka tamin' ny zokiny indrindra, ka hita tao amin' ny lasakan' i Benjamina ilay kopy. Il les fouilla en commençant par l' aîné et en finissant par le plus jeune, et la coupe fut trouvée dans le sac de Benjamin !
Gen / Jen 44:13 Then they rent their clothes, and laded every man his ass, and returned to the city. Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin' ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna. Notriarin' izy ireo ny fitafiany; natainginy tamin' ny ampondra ny entany, dia niverina nankany an-tànana izy. Alors, ils déchirèrent leurs vêtements, rechargèrent chacun son âne et revinrent à la ville.
Gen / Jen 44:14 And Judah and his brethren came to Joseph' s house; for he was yet there: and they fell before him on the ground. Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon' i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin' ny tany teo anatrehany. Jodà sy ireo rahalahiny dia tonga tao an-tranon' i Josefa, fa mbola tao ihany izy, ka niankohoka tamin' ny tany teo anatrehany izy ireo. Lorsque Juda et ses frères entrèrent dans la maison de Joseph, celui-ci s' y trouvait encore, et ils tombèrent à terre devant lui.
Gen / Jen 44:15 And Joseph said unto them, What deed is this that ye have done? wot ye not that such a man as I can certainly divine? Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa? Dia hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa ny lehilahy toa ahy izao dia hahavinany? Joseph leur demanda : Quelle est cette action que vous avez commise ? Ne saviez-vous pas qu' un homme comme moi sait deviner ?
Gen / Jen 44:16 And Judah said, What shall we say unto my lord? what shall we speak? or how shall we clear ourselves? God hath found out the iniquity of thy servants: behold, we are my lord' s servants, both we, and he also with whom the cup is found. Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin' itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon' itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy. Ary hoy ny navalin' i Jodà: Inona indray moa no azonay avaly ny tompoko? Hataonay ahoana no fiteny? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Efa hitan' Andriamanitra ny faharatsian' ny mpanomponao. Koa dia indreto izahay ho andevon' ny tompoko, na izahay na izay nahitana ny kopy. et Juda répondit : Que dirons-nous à Monseigneur, comment parler et comment nous justifier ? C' est Dieu qui a mis en évidence la faute de tes serviteurs. Nous voici donc les esclaves de Monseigneur, aussi bien nous autres que celui aux mains duquel on a trouvé la coupe.
Gen / Jen 44:17 And he said, God forbid that I should do so: but the man in whose hand the cup is found, he shall be my servant; and as for you, get you up in peace unto your father. Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin' ny rainareo. Fa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany. Izay olona nahitana ny kopiko no ho andevoko, fa hianareo, miakara soa aman-tsara ho any amin-drainareo. Mais il reprit : Loin de moi d' agir ainsi ! L' homme aux mains duquel la coupe a été trouvée sera mon esclave, mais vous, retournez en paix chez votre père.
Gen / Jen 44:18 Then Judah came near unto him, and said, Oh my lord, let thy servant, I pray thee, speak a word in my lord' s ears, and let not thine anger burn against thy servant: for thou art even as Pharaoh. Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan' itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin' ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an' i Farao ianao. Ary tamin' izay Jodà nanatona an' i Josefa ka nanao hoe: Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo alàlana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan' ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin' ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin' i Faraona hianao. Alors Juda s' approcha de lui et dit : S' il te plaît, Monseigneur, permets que ton serviteur fasse entendre un mot aux oreilles de Monseigneur, sans que ta colère s' enflamme contre ton serviteur, car tu es vraiment comme Pharaon !
Gen / Jen 44:19 My lord asked his servants, saying, Have ye a father, or a brother? Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo? Ny tompolahiko nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va hianareo? Monseigneur avait posé cette question à ses serviteurs : Avez-vous encore un père ou un frère ?
Gen / Jen 44:20 And we said unto my lord, We have a father, an old man, and a child of his old age, a little one; and his brother is dead, and he alone is left of his mother, and his father loveth him. Ary hoy izahay tamin' itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian' ny rainy izy. Ary izao no navalinay ny tompoko: Manan-dray efa antitra izahay sy zandry farahaly, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin' izy iray reny, ka tian-drainy izy. Et nous avons répondu à Monseigneur : Nous avons un vieux père et un cadet, qui lui est né dans sa vieillesse; le frère de celui-ci est mort, il reste le seul enfant de sa mère et notre père l' aime !
Gen / Jen 44:21 And thou saidst unto thy servants, Bring him down unto me, that I may set mine eyes upon him. Ary ianao nanao tamin' ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan' ny masoko. Ary hianao nilaza tamin' ny mpanomponao hoe: Ento midina aty amiko izy mba ho hitan' ny masoko. Alors tu as dit à tes serviteurs : Amenez-le moi, que mon regard se pose sur lui.
Gen / Jen 44:22 And we said unto my lord, The lad cannot leave his father: for if he should leave his father, his father would die. Ary hoy izahay tamin' itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy. Dia namaly ny tompoko izahay nanao hoe: Tsy mahazo misaraka amin-drainy ilay zaza; fa raha ilaozan' izay ny rainy dia ho faty tokoa. Nous avons répondu à Monseigneur : L' enfant ne peut pas quitter son père; s' il quitte son père, celui-ci en mourra.
Gen / Jen 44:23 And thou saidst unto thy servants, Except your youngest brother come down with you, ye shall see my face no more. Ary hoy ianao tamin' ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo. Hoy hianao tamin' ny mpanomponao: Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony hianareo. Mais tu as insisté auprès de tes serviteurs : Si votre plus jeune frère ne descend pas avec vous, vous ne serez plus admis en ma présence.
Gen / Jen 44:24 And it came to pass when we came up unto thy servant my father, we told him the words of my lord. Ary rehefa tafakatra tany amin' ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin' itompokolahy. Ka rahefa tafakatra tany amin' ikaky mpanomponao izahay, dia nambaranay azy ny tenin' ny tompoko. Donc, lorsque nous sommes remontés chez ton serviteur, mon père, nous lui avons rapporté les paroles de Monseigneur.
Gen / Jen 44:25 And our father said, Go again, and buy us a little food. Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. Ary nony avy izay nilazan' ikaky taminay hoe: Mandehàna indray mividiana hanina kely ho antsika; Et lorsque notre père a dit : Retournez pour nous acheter un peu de vivres,
Gen / Jen 44:26 And we said, We cannot go down: if our youngest brother be with us, then will we go down: for we may not see the man' s face, except our youngest brother be with us. Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy. dia izao no navalinay: Tsy mahazo midina izahay; fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay; satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay. nous avons répondu : Nous ne pouvons pas descendre. Nous ne descendrons que si notre plus jeune frère est avec nous, car il n' est pas possible que nous soyons admis en présence de cet homme sans que notre plus jeune frère soit avec nous.
Gen / Jen 44:27 And thy servant my father said unto us, Ye know that my wife bare me two sons: Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko; Ka hoy ikaky mpanomponao taminay: Fantatrareo fa roa lahy no nateraky ny vadiko tamiko; Alors ton serviteur, mon père, nous a dit : Vous savez bien que ma femme ne m' a donné que deux enfants :
Gen / Jen 44:28 And the one went out from me, and I said, Surely he is torn in pieces; and I saw him not since: fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy; ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe: Tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandrak' androany. l' un m' a quitté et j' ai dit : il a été mis en pièces ! et je ne l' ai plus revu jusqu'à présent.
Gen / Jen 44:29 And if ye take this also from me, and mischief befall him, ye shall bring down my gray hairs with sorrow to the grave. ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin' ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko. Ary ity iray, raha alainareo koa, ka mahita loza any, dia hampidininareo any amin' ny fonenan' ny maty amin' alahelo, ny voloko fotsy. Que vous preniez encore celui-ci d' auprès de moi et qu' il lui arrive malheur et vous feriez descendre dans la peine mes cheveux blancs au shéol.
Gen / Jen 44:30 Now therefore when I come to thy servant my father, and the lad be not with us; seeing that his life is bound up in the lad' s life; Koa ankehitriny, raha tonga any amin' ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin' ny ain' ny zaza), Koa ankehitriny raha hiverina any amin' ny mpanomponao aho, any amin' ikaky, nefa tsy hiaraka aminay ny zaza, nefa nifaningotra anina amin' ny zaza izy; Maintenant, si j' arrive chez ton serviteur, mon père, sans que soit avec nous l' enfant à l'âme duquel son âme est liée,
Gen / Jen 44:31 It shall come to pass, when he seeth that the lad is not with us, that he will die: and thy servants shall bring down the gray hairs of thy servant our father with sorrow to the grave. koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin' ny mpanomponao rainay ho any amin' ny fiainan-tsi-hita amin' alahelo. raha vao hitany fa tsy eo ny zaza dia ho faty izy; izahay mpanomponao izany, no hampidina amin' alahelo ny volofotsin-drainay, mpanomponao, any amin' ny fonenan' ny maty. dès qu' il verra que l' enfant n' est pas avec nous, il mourra, et tes serviteurs auront fait descendre dans l' affliction les cheveux blancs de ton serviteur, notre père, au shéol.
Gen / Jen 44:32 For thy servant became surety for the lad unto my father, saying, If I bring him not unto thee, then I shall bear the blame to my father for ever. Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin' ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atý aminao izy, dia ho meloka amin' ny raiko amin' ny andro rehetra hiainako aho. Fa ny mpanomponao no efa niantoka ny zaza tamin' ikaky, nanao hoe: Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, dia ho meloka amin' ny raiko mandrakizay aho. Et ton serviteur s' est porté garant de l' enfant auprès de mon père, en ces termes : Si je ne te le ramène pas, j' en serai coupable envers mon père toute ma vie.
Gen / Jen 44:33 Now therefore, I pray thee, let thy servant abide instead of the lad a bondman to my lord; and let the lad go up with his brethren. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon' itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin' ny rahalahiny. Koa mifona aminao aho, mba avelao re ny mpanomponao hisolo ny zaza ho andevon' ny tompoko; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin' ireo rahalahiny. Maintenant, que ton serviteur reste comme esclave de Monseigneur à la place de l' enfant et que celui-ci remonte avec ses frères.
Gen / Jen 44:34 For how shall I go up to my father, and the lad be not with me? lest peradventure I see the evil that shall come on my father. Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin' ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho. Hataoko ahoana no fiakatra any amin' ny raiko, raha tsy miaraka amiko ny zaza? Aza hitako anie izany alahelo hanjo an' ikaky izany! Comment, en effet, pourrais-je remonter chez mon père sans que l' enfant soit avec moi ? Je ne veux pas voir le malheur qui frapperait mon père.

<-
->