<-
->

Gen / Jen 11:1 And the whole earth was of one language, and of one speech. Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny. Iray fiteny sy iray fanonona ny tany rehetra. Tout le monde se servait d' une même langue et des mêmes mots.
Gen / Jen 11:2 And it came to pass, as they journeyed from the east, that they found a plain in the land of Shinar; and they dwelt there. Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin' ny tany Sinara izy ka nonina teo. Nony nandeha niantsinanana ny olona dia nahita tany lemaka tao amin' ny tany Senaara izy, ka niorim-ponenana teo. Comme les hommes se déplaçaient à l' orient, ils trouvèrent une vallée au pays de Shinéar et ils s' y établirent.
Gen / Jen 11:3 And they said one to another, Go to, let us make brick, and burn them thoroughly. And they had brick for stone, and slime had they for morter. Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra. Dia nifampilaza izy nanao hoe: Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin' ny afo. Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra. Ils se dirent l' un à l' autre : Allons ! Faisons des briques et cuisons-les au feu ! La brique leur servit de pierre et le bitume leur servit de mortier.
Gen / Jen 11:4 And they said, Go to, let us build us a city and a tower, whose top may reach unto heaven; and let us make us a name, lest we be scattered abroad upon the face of the whole earth. Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin' ny tany rehetra isika. Hoy koa izy: Andeha isika hanorina tanàna anankiray, ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanangana tsangam-bato ho antsika, fandrao tafaely any ambonin' ny tany rehetra isika. Ils dirent : Allons ! Bâtissons-nous une ville et une tour dont le sommet pénètre les cieux ! Faisons-nous un nom et ne soyons pas dispersés sur toute la terre !
Gen / Jen 11:5 And the Lord came down to see the city and the tower, which the children of men builded. Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon' ny zanak' olombelona. Fa nidina kosa Iaveh hizaha ny tanàna aman-tilikambo nataon' ny zanak' olombelona. Or Yahvé descendit pour voir la ville et la tour que les hommes avaient bâties.
Gen / Jen 11:6 And the Lord said, Behold, the people is one, and they have all one language; and this they begin to do: and now nothing will be restrained from them, which they have imagined to do. Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan' ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao. Dia hoy Iaveh: Indro firenena iray izy ireo ary fiteny iray no iraisan' izy rehetra, ary ity asa ity no iandohan' izay tiany hatao; amin' izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy tsy hanatanteraka izay kasainy hatao. Et Yahvé dit : Voici que tous font un seul peuple et parlent une seule langue, et tel est le début de leurs entreprises ! Maintenant, aucun dessein ne sera irréalisable pour eux.
Gen / Jen 11:7 Go to, let us go down, and there confound their language, that they may not understand one another' s speech. Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy. Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy. Allons ! Descendons ! Et là, confondons leur langage pour qu' ils ne s' entendent plus les uns les autres.
Gen / Jen 11:8 So the Lord scattered them abroad from thence upon the face of all the earth: and they left off to build the city. Dia tao no nampielezan' i Jehovah azy hiala ho eny ambonin' ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy. Dia napariak' Iaveh avy eo izy ireo ho any ambonin' ny tany rehetra, ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony. Yahvé les dispersa de là sur toute la face de la terre et ils cessèrent de bâtir la ville.
Gen / Jen 11:9 Therefore is the name of it called Babel; because the Lord did there confound the language of all the earth: and from thence did the Lord scatter them abroad upon the face of all the earth. Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin' ny tany rehetra; ary tao no nampielezan' i Jehovah ny olona ho eny ambonin' ny tany rehetra. Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela, satria tao no nanorokoroan' ny Tompo ny fitenin' ny tany rehetra, ary avy ao no nampielezan' ny Tompo azy ireo ho any ambonin' ny tany rehetra. Aussi la nomma-t-on Babel, car c' est là que Yahvé confondit le langage de tous les habitants de la terre et c' est de là qu' il les dispersa sur toute la face de la terre.
Gen / Jen 11:10 These are the generations of Shem: Shem was an hundred years old, and begat Arphaxad two years after the flood: Izao no taranak' i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an' i Arpaksada izy roa taona taorian' ny safo-drano. Izao no tantaran' i Sema: Efa zato taona Sema, vao niteraka an' i Arfaksada, roa taona taorian' ny safo-drano. Voici la descendance de Sem : Quand Sem eut cent ans, il engendra Arpakshad, deux ans après le déluge.
Gen / Jen 11:11 And Shem lived after he begat Arphaxad five hundred years, and begat sons and daughters. Ary ny andro niainan' i Sema taorian' ny niterahany an' i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Mbola velona diman-jato taona Sema taorian' ny niterahany an' i Arfaksada, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. Après la naissance d' Arpakshad, Sem vécut cinq cents ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 11:12 And Arphaxad lived five and thirty years, and begat Salah: Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan' i Arpaksada, dia niteraka an' i Sela izy. Rahefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan' i Arfaksada, dia niteraka an' i Sale izy. Quand Arpakshad eut trente-cinq ans, il engendra Shélah.
Gen / Jen 11:13 And Arphaxad lived after he begat Salah four hundred and three years, and begat sons and daughters. Ary ny andro niainan' i Arpaksada taorian' ny niterahany an' i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary mbola velona telo amby efa-jato taona Arfaksada, taorian' ny niterahany an' i Sale, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. Après la naissance de Shélah, Arpakshad vécut quatre cent trois ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 11:14 And Salah lived thirty years, and begat Eber: Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan' i Sela, dia niteraka an' i Ebera izy. Rahefa telo-polo taona ny andro niainan' i Sale dia niteraka an' i Ebera izy. Quand Shélah eut trente ans, il engendra Éber.
Gen / Jen 11:15 And Salah lived after he begat Eber four hundred and three years, and begat sons and daughters. Ary ny andro niainan' i Sela taorian' ny niterahany an' i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary mbola velona telo amby efa-jato taona Sale taorian' ny niterahany an' i Ebera, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. Après la naissance de Éber, Shélah vécut quatre cent trois ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 11:16 And Eber lived four and thirty years, and begat Peleg: Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan' i Ebera, dia niteraka an' i Palega izy. Rahefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan' i Ebera dia niteraka an' i Falega izy. Quand Éber eut trente-quatre ans, il engendra Péleg.
Gen / Jen 11:17 And Eber lived after he begat Peleg four hundred and thirty years, and begat sons and daughters. Ary ny andro niainan' i Ebera taorian' ny niterahany an' i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary mbola velona telo-polo sy efa-jato taona Ebera, taorian' ny niterahany an' i Falega, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. Après la naissance de Péleg, Éber vécut quatre cent trente ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 11:18 And Peleg lived thirty years, and begat Reu: Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan' i Palega, dia niteraka an-dReo izy, Rahefa telo-polo taona ny andro niainan' i Falega dia niteraka an' i Reo izy. Quand Péleg eut trente ans, il engendra Réu.
Gen / Jen 11:19 And Peleg lived after he begat Reu two hundred and nine years, and begat sons and daughters. Ary ny andro niainan' i Palega taorian' ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary mbola velona sivy amby roan-jato taona Falega taorian' ny niterahany an-dReo, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. Après la naissance de Réu, Péleg vécut deux cent neuf ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 11:20 And Reu lived two and thirty years, and begat Serug: Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an' i Seroga izy. Rahefa roa amby telo-polo taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an' i Saroga izy. Quand Réu eut trente-deux ans, il engendra Serug.
Gen / Jen 11:21 And Reu lived after he begat Serug two hundred and seven years, and begat sons and daughters. Ary ny andro niainan-dReo taorian' ny niterahany an' i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary mbola velona fito sy roan-jato taona Reo, taorian' ny niterahany an' i Saroga, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. Après la naissance de Serug, Réu vécut deux cent sept ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 11:22 And Serug lived thirty years, and begat Nahor: Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan' i Seroga, dia niteraka an' i Nahora izy, Rahefa telo-polo taona ny andro niainan' i Saroga dia niteraka an' i Nakora izy. Quand Serug eut trente ans, il engendra Nahor.
Gen / Jen 11:23 And Serug lived after he begat Nahor two hundred years, and begat sons and daughters. Ary ny andro niainan' i Seroga taorian' ny niterahany an' i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary mbola velona roan-jato taona Saroga, taorian' ny niterahany an' i Nakora, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. Après la naissance de Nahor, Serug vécut deux cents ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 11:24 And Nahor lived nine and twenty years, and begat Terah: Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan' i Nahora, dia niteraka an' i Tera izy. Rahefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan' i Nakora, dia niteraka an' i Tare izy. Quand Nahor eut vingt-neuf ans, il engendra Térah.
Gen / Jen 11:25 And Nahor lived after he begat Terah an hundred and nineteen years, and begat sons and daughters. Ary ny andro niainan' i Nahora taorian' ny niterahany an' i Tera dia sivy ambin' ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary mbola velona sivy ambin' ny folo amby zato taona Nakora taorian' ny niterahany an' i Tare, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. Après la naissance de Térah, Nahor vécut cent dix-neuf ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 11:26 And Terah lived seventy years, and begat Abram, Nahor, and Haran. Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan' i Tera, dia niteraka an' i Abrama sy Nahora ary Harana izy: Rahefa fito-polo taona ny andro niainan' i Tare, dia niteraka an' i Abrama sy Nakora ary Aràna izy. Quand Térah eut soixante-dix ans, il engendra Abram, Nahor et Harân.
Gen / Jen 11:27 Now these are the generations of Terah: Terah begat Abram, Nahor, and Haran; and Haran begat Lot. Ary izao no taranak' i Tera: Tera niteraka an' i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an' i Lota. Izao no tantaran' i Tare: Tare niteraka an' i Abrama sy Nakora ary Aràna. Aràna niteraka an' i Lota. Voici la descendance de Térah : Térah engendra Abram, Nahor et Harân. Harân engendra Lot.
Gen / Jen 11:28 And Haran died before his father Terah in the land of his nativity, in Ur of the Chaldees. Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan' i Tera rainy tany amin' ny tany nahaterahany, dia tao Oran' ny Kaldeana. Ary Aràna maty teo anatrehan' i Tare rainy, tany amin' ny tany nahaterahany, any Ora any Kaldea. Harân mourut en présence de son père Térah dans son pays natal, Ur des Chaldéens.
Gen / Jen 11:29 And Abram and Nahor took them wives: the name of Abram' s wife was Sarai; and the name of Nahor' s wife, Milcah, the daughter of Haran, the father of Milcah, and the father of Iscah. Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran' ny vadin' i Abrama dia Saray; ary ny anaran' ny vadin' i Nahora dia Milka, zanakavavin' i Harana, rain' i Milka sy rain' Iska. Abrama sy Nakora samy naka vady avy; ka ny anaran' ny vadin' i Abrama dia Saray, ary ny anaran' ny vadin' i Nakora dia Meldà, zanak' i Aràna, rain' i Melkà sy rain' i Jeskà. Abram et Nahor se marièrent : la femme d' Abram s' appelait Saraï; la femme de Nahor s' appelait Milka, fille de Harân, qui était le père de Milka et de Yiska.
Gen / Jen 11:30 But Sarai was barren; she had no child. Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy. Ary Saray dia momba; tsy niteraka izy. Or Saraï était stérile : elle n' avait pas d' enfant.
Gen / Jen 11:31 And Terah took Abram his son, and Lot the son of Haran his son' s son, and Sarai his daughter in law, his son Abram' s wife; and they went forth with them from Ur of the Chaldees, to go into the land of Canaan; and they came unto Haran, and dwelt there. Ary Tera nitondra an' i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak' i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin' i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran' ny Kaldeana hankany amin' ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao. Ary nentin' i Tare Abrama zanany mbamin' i Lota zafiny, zanak' i Aràna, ary Saray, vinantovaviny, vadin' i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin' ny Kaldeana, mba ho any amin' ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao. Térah prit son fils Abram, son petit-fils Lot, fils de Harân, et sa bru Saraï, femme d' Abram. Il les fit sortir d' Ur des Chaldéens pour aller au pays de Canaan, mais, arrivés à Harân, ils s' y établirent.
Gen / Jen 11:32 And the days of Terah were two hundred and five years: and Terah died in Haran. Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan' i Tera; dia maty tao Harana izy. Dimy amby roan-jato taona no andro niainan' i Tare, dia maty tao Haràna izy. La durée de la vie de Térah fut de deux cent cinq ans, puis il mourut à Harân.

<-
->