Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 92 Takila 94 ->

Raha tiany ho latsaka ao am-pon’ny ankizy tsara ny fampianarany dia anaovany tantara, na fanoharana mamporisika na mampalahelo. Raha te-handrahona izy dia mitantara fa nisy zaza telo mianadahy hono ka tsy nety nanaraka ny fadin-drazana izy ireo rehefa lehibe, koa toy izao no samy niafarany avy : Ny lahy matoa novonohim-baratra. Ny ivon-jaza nohanim-boay. Ny vavy farany kosa maty mbanin’ny zanany raha niteraka. Mihoron-koditra ery ny ankizy mahare io tantara io, ka mila hianiana mihitsy fa tsy mba handika ny fadin-drazana mandritry ny andro hiainany. Raha te hamporisika ny ankizy izy ny amin'izay mahafaly dia manondro olona maromaro izay samy fantatry ny ankizy avokoa ny anarany tsirairay. Ireo dia olona manan-ka [rena]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany