Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 91 Takila 93 ->

[hampianatra ] ny zanany  ny amin'ny finoan-drazana no heverina, fa tsy ny fampianarany. Ny vavy antitra izay ataony hoe : « apelambatotse » no tena mpampianatra ambony indrindra. Koa ny zaza izay tezain’apelambatotse no tena nahita fianarana ambony amin'ny finoan-drazana, satria mahay rahateo ny mpampianatra no efa nahita zavatra maro koa. Ny fahasahiranana momba ny tokan-trano koa tsy dia manahirana azy ka afaka hampianatra tsara izy.

Ny fotoana na ny tany hampianarana koa dia tsy voafetra na any an-tsaha mitady fivelomana, na eny an-dàlana, na eny am-patsakana fa velona ny tantara madinika, angano sy ny fampianarana momba izany. Eo am-pihinanam-bary sy eo am-pandriana koa dia roraka ihany ny fampianarana. Ny sasany momba izay tokony hataony ary tsy tokony hatao, fa fadin-drazana.


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany