Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 88 Takila 90 ->

 fa tafika ho tonga ao anantin’ny andro vitsivitsy izany. Noho izany dia dinihina tsara ny tany heveriny ho nihavian’io tarosa io, ka raha fantany fa avy any andrefana dia tsy mahazo mandehandeha lavidavitry ny tanàna ao andrefana ny zaza amam-behivavy ao anatin’ny andro vitsivitsy fandrao mifanena amin'ny tafika hono. 

c- Ny masoandro sy ny volana

Amin'ilay isian’ny fanakonana iny, ka mahamaizina ny masoandro na ny volana dia matahotra ny Bara satria loza lehibe hoy izy no tonga amin'ny tany. Koa dia mivory ny zaza amam-behivavy ka mirary (hiram-pifaliana sy fangataham-pitahiana no atao) eroa an-kianja. Ny mpanjaka dia mivoaka tao amin’ny lapany mitondra basy ka mitifitra ireo loza (ny masoandro na ny volana) ireo. Dia mihoby amin'izay ny zaza amam- [behivavy]
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany